]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Filoha Andry Rajoelina. Ny marina tsy mba maty

Filoha Andry Rajoelina. Ny marina tsy mba maty

Be izay resaka izay, manodidina ny niaingan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ho any ampita (Andafy moa no mahazatra). Namoaka fanambarana mihitsy moa ny Sampandraharan’ny Serasera sy ny Fifandraisana ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika fa « (
) nanainga an-tanindrazana hanefa ny adidiny amin’ny fanatrehana ny “confirmation” an’ny vavitokana ny Filoha Rajoelina Andry (
) ».

Ary dia niala avy tao amin’ny seranam-piaramanidina ao Ivato tokoa izy ny 16 jona 2021 alina. Ekena ary ekeko fa tsy ampy ilay fanazavana nomena. Any ka nanomboka teo dia nandeha daholo izao karazana resaka izao, manodidina ny vaksiny covishield tsy eken’ny ao France (izany hoe tsy manaiky izay olona nanao io vaksiny io hiditra ao aminy) araka ny fanambarana hita ao amin’ny tambazotran’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara.

Ary dia tonga hatramin’ny hoe « mandainga ny Filoha Rajoelina fa nanao vaksiny ihany na dia nanambara aza izy fa tsy hanao izany mihitsy, fa mahatoky ny CVO sy tambavy malagasy ». Eo anatrehan’izany toe-javatra izany, toa mampibahana ny tsaho sy ny fake news ary ny lainga be loatra, dia nikaroka ny zava-misy marina any am-potony aho. Be dia be ny Malagasy mihevitra fa rehefa hoe Andafy dia France izay. Tsia, Tompoko. Fanafohezina ny teny hoe an-dafindriaka izany Andafy izany. Raha vao miala ny Nosy Madagasikara ianao dia efa andafy izany na ho atsy Mozambika aza.

Nanainga an-tanindrazana tokoa ny Filoha Rajoelina ny 16 jona lasa teo. Fa tsy ho any France izy akory fa ho any Suisse. Ity firenena ity dia tsy mitady fahavitana vaksiny (na inona na inona no anarany) raha hiditra ao aminy, fa kosa mitaky taratasim-pitiliana na « test ». Io test io dia nataon’ny filoham-pirenena malagasy ny 15 jona 2021 araka io taratasy hitanao mpamaky eo ambany io. Raha mikasika ny fianakaviana Rajoelina indray dia efa any ampita ny vady aman-janaky ny Filoha koa dia izy Raim-pianakaviana ihany no niala teto Madagasikara.


Izany fanazavana izany aloha dia tsy hasakana ny be lazao sy ny mpandainga tsy hiteny. Tsy ny hampangina azy ireo akory no tanjoko, tompoko, fa tsotra : ny marina marina ihany, ary tokana, ka tsy ho faty mandrakizay.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 18 Juin 2021 04:04 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

PrĂ©sident Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – VƓux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2ù Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60Ú Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo HonorĂ©. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection prĂ©sidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piĂ©tine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la SouverainetĂ© appartient au peuple" et non Ă  sa plateforme de bras cassĂ©s politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety