]
Les quotidiens du 29 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Vatomandry. Orinasa Etanco. Tànana zatra mitsotra ny azy

Vatomandry. Orinasa Etanco. Tànana zatra mitsotra ny azy

LAHATSORATRA FORMAT PDF ETO

Ho tohin’ilay lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Vatomandry. Tena atao fitaovana hampanan-karena mihitsy ve ny Filoha Rajoelina e ? », nivoaka teto  ny alakamisy 19 jona 2021, dia voaporofo fa mpamerin-keloka (« récidiviste ») ity Orinasa Etanco ity, amin’ny fanodikodinana vola eo amin’ny lafin’ny fanamboarana trano.


Raha tsiahivina ny tantara dia io orinasa Etanco (« Etanchéité et Construction ») no nahazo ny tsena fanamboarana ny « Lycée agricole » ao Vatomandry. Nitentina 873.255.823,00 ariary izany fanamboarana izany. Eto dia mila fanazavana ny mikasika ny DGPP (« Direction générale des projets présidentiels ») sady sampana no anarana omena ny Tale jeneralin’izany sampana izany. Tsy mikirakira vola mihitsy, na mivantana na tsy mivantana, io sampanana misahana ny fotodrafitr’asan’ny Filoham-pirenena. Rehefa nanao fikarohana izahay dia ireto ny andraikitr’io DGPP io : fanaovana ny planina samihafa sy fanarahi-maso ara-teknika ilay foto-drafitr’asa ho tontosaina, fandrindrana ankapobeny (« Supervise l’exécution et la réalisation des projets spécifiques du Président de la république ; assure le suivi-évaluation, le contrôle de performance et le contrôle de gestion des projets en cours »).


Eo amin’ny lafiny ara-bola («financements ») kosa dia anjaran’ny olona misahana izany (« personne responsable des marchés publics ») mifandray amin’ireo ministera voakasik’ilay fotodrafitr’asa. Momban’ny fanaraha-maso ara-bola dia ny UGPM («Unité de gestion de passation des marchés») na sampana fitantanana ny fanomezana ny tsenam-panjakana) no tompon’andraikitra feno. Io dia sampana eo ambanin’ny fiahian’ny Prezidansy ihany koa.

Eto amintsika moa matetika loatra dia atao amin’ny teny frantsay ny tena tokony fantatry ny vahoaka ka ataoko teny frantsay eto dia adikako teny malagasy :

« L’Unité de gestion de passation des marchés est chargée d’appliquer le processus de passation de marchés publics, depuis le choix de la procédure jusqu’à la désignation du titulaire, l’approbation définitive du marché et la notification du titulaire. Elle est dirigée par la personne responsable des marchés publics (PRMP) qui est habilitée à signer le marché au nom de l’autorité contractante. La PRMP a rang de Directeur de ministère ».

Izany hoe : io UGPM io dia mampiatra ny fizotran’ny fanomezana tsenam-panjakana, manomboka amin’ny safidin’ny paik’ady arahina ka hatramin’ny fanendrena izay ho tompon’antoka sy ny fankatoavana farany ary ny anaran’ilay nahazo ny tsena. Toa Tale ana minisera io PRMP io ka mananjo anao sonia ny tsena amin’ny anaran’ny manampahefana nampanao ny tolotra. Raha mikasika ny ARMP (« Autorité de régulation des marchés publics » na fampanana mandrindra ny tsenam-panjakana ») dia izy no mamoaka ny lisitra misy ny toeran’ilay fotodrafitr’asa, ny sarany hanamboarana azy, ny rafitra nampanao azy, ny mikasika ny fotodrafitr’asa hatsangana, ny anaran’ny orinasa nahazo ny tsena.

Amin’ilay « Lycée agricole » ao Vatomandry dia ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana ara-teknika sy Arak’Asa fanomezana no nampanao azy. Raha topazam-paso ireo rehetra ireo dia tsy misy resaka fanodinkodinanam-bolam-panjakana mivantana no niseho fa eo amin’ny nanomezana ilay tsena no mampametraka fanontaniana. Satria nahoana no orinasa tsy nanam-bola azy manokana akory -matoa nomeny ny orinasa Miary ny fanaovana ny asa rehetra-, no notolorana ilay tsena mitetina 4 miliara iraimbilanja mahery ?


Sao dia mihevitra aza ity Etanco ity (misy anarana maro toa io koa any Eoropa any) fa manao kilalaon-jaza izany « journaliste d’investigation » (mpanao gazety mpikaroka) izany ? Nisy fifanarahana an-tsoratra («acte sous seing privé») nataon’ny Orinasa Miary sy ity Etanco ity, tamin’ny 5 mey 2020, ary nosoniavina manampahefana ara-dalàna. Raha fintinina dia izao : ny vola lany rehetra dia hisasahan’ny roa tonta ary torak’izany ny tombom-barotra (« bénéfices »). Ny zava-nisy dia ny orinasa Miary no niantoka ny ampahany be dia be fitaovana rehetra (biriky, parpaings, vy, fitaratra, simenitra, fasika…) tsy hitenena hoe izy irery no nanangana io « Lycée agricole » ao Vatomandry noraisina ara-pomba ofisialy ny 03 desambra 2020. Fa ny nahavariana dia ity : mbola tsy vita akory ny asa rehetra dia nilaza ny tao amin’ny orinasa Etanco f’efa azo ny vola. Ary dia seky mitentina 126.300.000 ariary no nomena ny orinasa Miary. Dia tsy nisy intsony. Tadidio fa 873.255.823,00 ariary ny vola no natokana nananganana io sekoly vaovao ao Vatomandry io. Tsy rariny ve raha nitory ny orinasa Miary (eto Antananarivo) satria fivadiam-pitokisana fotsiny izao no nataon’ ity Etanco ity ? Ao amin’izany fitorian’izany koa ny fisolokiana, ny fandrahonana ary ny fanalam-baraka.

Fa inona moa no nataon’ity Etanco ity ? Nitory (any Toamasina) koa izy satria, hono, nanery azy amin’ny fanomezana vola (« extorsion de fonds ») hoazy ny orinasa Miary, ary mahalala olona maro, hono ry zareo, toa ny Praiminisitra (ahahaha !!!) sy minisitra sasan-tsasany ary olona ambony indrindra fa ao amin’ny polisy. Fa izany foana ve ny eto amintsika rehefa injay manam-bola tsy zakan’ny loha e !? Amin’izay vola azo amin’ny tsy rariny ? Eto aloha dia aleho hazava tsara : tsy manao asan’ny mpitandro filaminana (polisy, zandary) akory izany mpanao gazety mpikaroka izany, ary tsy atao hanelingelina ny fizotran’izay fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany koa ny famohanana ny fikaroany, fa kosa hanazavana ny sain’ny be sy ny maro (« opinion publique ») ny zava-nisy sy misy marina amina tranga iray manakorontana ny fiarahamonina.


Sao dia very tadidy ary ity orinasa Etanco ity ? Aleho ihany koa hitan’ny havany eto fa izao : ny 04 May 2017, teo anatrehin’ny Tribonaly ara-barotra (« Tribunal de Commerce ») eto Antananarivo, dia voaheloka izy handoa vola 54.510.586,70 ariary noho ny fampiakarany ny TVA amina faktiora ary koa handoa vola 25.000.000,00 ariary izay onitra ho an’ny orinasa Belisama Prod. Raha mitabataba sy miseho handrahona dia afaka jeren’ny rehetra ao amin’ny Tribonaly ara-barotra ny « Dossier N° : 187/16+63/16 RC :118/16+631/16 » mikasika ny raharaha nampifanolana ny Société BELISIMA PROD sy ny Société ETANCHEITE ET CONSTRUCTION SARL « ETANCO ». Izany dia momban’ny Tranobe (« immeuble ») natsangana ao Analamahitsy.

Amin’izao fotoana izao dia nisy olona nalefan’io orinasa Etanco notazominan’ny polisy ao Toamasina ao, nanaovana fanadiadihana. Ramatoa Rasoavololona Alida Elsa. Inona no heloka nataony ? Asa fa rehefa nikaroka izahay dia hita ao amin’ny lisitry ny ARMP io anarana io. Ny olana ao Toamasina dia nalaza ratsy, tato ho ato, ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana, indrindra fa ny polisy. Tsy manoranoram-poana velively izahay eto fa raharaha telo fotsiny no ampatsiahiviko eto, izay navoakan’ny gazety « Telonohorefy » ihany koa : 1. Raharahan’ilay teratany vahiny nanondra lavanila any Dubaï, nilaza fa « nivadika fasika » rehefa tonga tany. Nahazo « rariny » ka dia voatery nandoa vola 165 miliara ny trano fiantohana « Ny Havana » ; 2. Io vahiny io ihany no nisandoka ny sonia ana minisitra iray ka nahazoany tany ao Toamasina ; 3. Mbola io vahiny io ihany no manana taratasy hosoka miisa 26 karazana samihafa momba ny fananan-tany avokoa, avy any amin’ny fitsarana ny ankamaroany. Efa nampahafantarina ireo mpanao fanadihadiana momba ny kolikoly izany rehetra izany fa e e e : tsy misy mihetsika.


Ny fehiny ? Atao teny filamatra etsy sy eroa ny ady amin’ny kolikoly miseho amina fomba maro samihafa. Raha tsy niditra an-tsehatra ny hariva ihany ny minisitry ny Fitsarana dia efa tsy hita intsony ilay vazaha niaiky fa namono ilay teratany karana tao amin’ny « La City », satria hoe « afaka noho ny fisalasalana », hoy ny tao amin’ny tribonaly. Loza anie izany rey olona e ! Tsy misy dikany intsony ny « caméras de surveillance », ary ny mikasika ny mpaniraka moa dia tampina ny maso sy ny sofin’ny rehetra. Amin’izao fotoana izao izany dia miliardera ny ao amin’ny orinasa Etanco. Fa na hatobany sy hafafiny toa voam-bary izany vola tsy nisasarany izany dia ho zava-poana fa ny marina marina foana ary tsy ho faty na oviana na oviana. Ny mampalahelo dia noho ny Filoha Andry Rajoelina sy ny veliranony no nampanan-karena tampoka ny olona toa azy eto Madagasikara. Satria tsy io Etanco io irery no mampiteny ny vola toa izany, fa aza manonofy isika. Tànana zatra mitsotra e… Rariny sy hitsiny ve izany ?

Jeannot Ramambazafy

LAHATSORTRA FORMAT PDF ETO

Mis à jour ( Mercredi, 23 Juin 2021 14:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety