]
Les quotidiens du 01 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos RAZANATSEHENO HERY MANANA ALAIN. Mahery ny herin’ny vola alohan’ny fankahalana ve ? Sa “dette morale” fotsiny izao !

RAZANATSEHENO HERY MANANA ALAIN. Mahery ny herin’ny vola alohan’ny fankahalana ve ? Sa “dette morale” fotsiny izao !

Araka ny efa voalaza dia mpamily mpitatitra entana (“Chauffeur-livreur”) ao Frantsa io Razanatseheno Hery Manana Alain io ary nanangana orinasa ara-dalana momba izany izy ny taona 2015.

Rehefa nanao fikaroana aho dia izao no tena marina. Tsy ireny “prestataires” antsoina hanampy rehefa misy delegasiona avy aty Madagasikara izy ity fa ay tena mpamily nanana fifanarahana (“chauffeur contractuel”) teo anivon’ny masoivohin’i Madagasikara ao amin’ny Unesco ao Parisy. Ary ny fanjakana malagasy no mandoa ny karamany. Izay no nahamora ny fampodiana azy taty an-tanindrazana.

Roissy Charles-de-Gaulle, salon d'honneur. Richard Ramamonjiarivelo, " Chef du Protocole" tao amin'ny Ambasadin'i Madagasikara ao Parisy

Tsy misy hidiran’i Ramatoa Yvette Sylla -mitondra ny Repermad Unesco- mihitsy no nahatonga io Razanatseheno Hery Manana Alain io niasa tao. Satria rehefa nozoina tsara dia ingahy Richard Ramamonjiarivelo no nampiditra azy teo amin’io toerana io. Ary voasasa ny lohan’io mpamily. Satria tsara ho fantatra hoe iza moa ity Richard ity.

Olona tena nahay nilomano teo amin’ny fanaovana “polifika gasy” tokoa io Richard io. Niara-dia tamin’ny antoko Tim izy talohan’ny 2009. Fa nandritra ny Tetezamita dia nahay “nambabo fo” any ka lasa “Chef du Protocole” tao amin’ny ambasady malagasy ao Parisy ingahy Richard. Ny mivarotra fiara no talentany tamin’izany ary saika lafony daholo ny ankamaroan’ny fiara mitondra ny plaque CD 274… mbola hiverenan-tsika io resaka io.


Rehefa lasa Filoham-pirenena ingahy Hery Rajaonarimampianina dia nampiasan’ny talentany indray ingahy Richard ka lasa “mpanolontsain’i Voahangy” tampoka teo ary ny Volana marsa 2016 dia voatendry ho “Directeur de Cabinet de la Premiere Dame” izy. Toerana tsy hita ao amin’ny lalampanorenana satria ny Filoham-pirenena no voafidy fa tsy ny vadiny. Fa eto Madagasikara moa toa mety daholo ny tsy mety rehetra rehefa mba manana fahefana ny sasany…


Io Richard io no nahatonga ny fisamboranana an’i Augustin Andriamananoro teo am-pandevenana ny havany. Izany dia taorian’ny nidinan’ingahy Richard tany Soamahamanina ka nampiangany an’ny DGPP amin’izao fotoana izao ho nitarika ny “fikomiana” manoloana ireo Sinoa saika hitrandraka volamena tany. Malaza maneran-tany io Tantaran’i Soamahamanina io.


Avy eo tsy re intsony ingahy Richard rehefa resy tanteraka ingahy Hery vaovao tamin’ny fifidiana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018. Ay izy ity niverina nanatona ireo Gtt taloha lasa Rmdm diaspora sy ny karazany. Mora taminy ny nanome “mission” an’io Razanatseheno Hery Manana Alain io. Saingy indrisy : tsy vitan’ny fitsikilovana fotsiny ihany fa dia tonga hatramin’io planina nanaovana lasibatra ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fianakaviany. Ary dia mazava fa nifandray tendro amin’i Marc Randrianisa izay tsy zoviana intsony amin’ny fandrahonana ho faty ny Filoha Rajoelina sy ny famporisihany hanao action isolée”. Ary dia io nanao io tokoa ilay mpamily. Ka inona marina no nahatonga azy nanao izany ? Ny herin’ny vola sa ny herin’ny fankahalana noho ny “dette morale”?


Azy ny azy fa izy ihany no nanimba ny ho aviny satria nalaza tokoa izy, fa nalaza amin'ny ratsy. Asa raha hanaiky ho izy irery no hitambesaran’io zava-doza voasakana io, izao noheveriny fa “sangy ratsy”.

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 20 aogositra 2022

Mis à jour ( Samedi, 20 Août 2022 09:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety