Mpanao politika Ramatoa Lalatiana Ravololomanana (sary eo ambony) ary anisan'ny nanakiana mafy dia mafy ny Filohan'ny Tetezamita Andry Rajoelina, tamin'ny fotoan'androny. Fa mampianatra filosofia ihany koa izy ary mpandinika ny raharaham-pirenena mipetraka eo amin'ny lafin'ny fanajana ny lalà na velona. Izany ny antony nanangana ny fikambanana MANDA, « association des victimes du non-droit ». Ny 21 Mars 2013 teo dia nanome ny fijeriny mikasika ireto PMP sy ny HCC "vaovao" ireto izy.
« Raha natao ny noheverinâny rehetra sy nandrandrainâny rehetra hamahana ny krizy dia tsy mbola tontosa aminâizao fotoana izao. Raha ny zavatra misy aminâizao fotoana izao, ao anatinâny Antenimierampirenena ankehitriny, fotsiny no resahin-tsika satria anisanâny mavaivay io zavatra io ankehitriny, namoaka hevitra na fomba jeriny ny HCC mikasika ny fametraham-pitoriana izay nataonâny PMP, aminâny handravana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, dia hahitsy be ny fiteniko : raha toa ka noheverina fa tsy ara-dalĂ na ny fomba nanatontosana ny fifidianana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, taminâiny « session spĂ©ciale » iny, dia tany am-boalohany dia tsy tokony nandray anjara taminâizany ny PMP.
Me Hanitra Razafimanantsoa, ilay mpahay lalĂ na, nanolotra an'i Jean Max Rakotomamonjy ho kandida Filohan'ny Antenimierampirenena, amin'ny anaran'ilay PMP vao noforonina tampoka teo. Resin'i Christine Razanamahasoa anefa izy.
Tsindriko anefa, ary fanta-tsika rehetra izany, fa tsy vitanâny hoe nandray anjara ny PMP fa nĂ nana kandida notohanany, ary mpahay lalĂ na no nanolotra io kandida io. Rehefa tsy lany ve ny kandida notohanana dia manjary tsy ara-dalĂ na ny fifidianana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena ? Ankehitriny aza dia misy manohevitra, ohatry ny Sefafi hoe : mety hiafara aminâny fandravana mihitsy ny Antenimierampirenena izao toe-javatra izao. Fanontaniana mahitsy no hapetrako : mbola ho zakanâny firenena ve ny hanao fifidianana indray, kanefa raha izahay, dia efa nametraka ahiahy tany am-piadohana hoe sao dia tsy mety ny fifidianana olona fa andeha aloha rafitra no apetra-tsika eto aminâny fifidianana lalĂ mpanorenenana. Nirosoan-tsika ary ilay fifidianana. Ankehitriny, ny zavatra atao eto aminâity firenena ity, na dia eo aza ny Filoham-pirenena voafidim-bahoaka, dia fandravana efa hatrany. Ka amiko, ny fomba fihetsiky ny PMP dia tsy manaraka ny fomba amam-panao politika marina, ataoko aminâny teny frantsay hoe : « malhonnĂȘtetĂ© intellectuelle et politique ».
Fa raha hitanao fa tsy mety dia tsy tokony nandray anjara amina zavatra tsy mety sy tsy ara-dalĂ na ianao. Fa ankehitriny dia fandravana efa ny dikanâizao ary tsy azo ekena. Mino sy manantena aho fa ny HCC tsy iray tsikombakomba aminâizany sanatriavinâny vava. Mba zavatra mahitsy satria mahataka-javatra ny Malagasy sy ny olom-pirenena, ary mametra-panontaniana mihitsy aminâizao fomba fihetsiky ny Solombavam-bahoaka sasan-tsasany mandrafitra io PMP io. Izay izany ny mikasika iny Antenimierampirenena iny.
Io savoritaka misy ao aminâny Antenimierampirenena io dia ambaranâny mpitazana azy sy ny mpanadiady politika rehetra fa anisanâny sakana mombanâny fanendrena ho izay Praiminisitry ny Repoblika faha-efatra. Dia milaza mazava aho hoe : tsy hitako mihitsy, raha izaho manokana, ny tokony ho olana aminâny fanendrena ny Praiminisitra, satria mazava tsara ny « majorité » tokony hanolotra izany Praiminisitra izany, hotendrenâny Filoham-pirenena, dia avy ao aminâny fianakaviany politika satria ireo no « majoritĂ© » na maro anâisa, ao anatinâny Antenimierampirenena. Dia ny MAPAR sy ny mpiara-dia aminâny MAPAR izany.
Raha misy tsy fitovian-kevitra eo aminâny Filoham-pirenena sy ny HVM sy ny MAPAR sy ny manodidina anâizany, dia raharaha tokan-tranonâantoko na vondrona politika izany ka dia tokony diovina sy alamina ao anaty tokan-trano. Ny lamba maloto, Tompoko, tsy fanasa imasom-bahoaka ary tsy mendrika ho anâny Malagasy intsony ny hahita sy handre, hiaina isanâandro vaky ny adilahy sy ady saritaka ao anatina vondrona politika na antoko politika. Tsotra ny hevitrâizay : raha hanendry ny Praiminisitra ny Filoham-pirenena dia Praiminisitra miala avy ao aminâny fianakaviana politika nipoirany izany. Satria fantatry ny Malagasy rehetra fa Andriamatoa Hery Rajaonarimampiananina dia niara-lany taminâireo Solombavam-bahoaka MAPAR. Izany dia zavatra mihariary ary tsy azo iodivirana izany. Izay ny marina izay : iray ihany ny MAPAR sy ny HVM ; iray ihany Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny PrezidĂ Hery Rajaonarimampianina. Ary tsy tokony adino-tsika fa niara-nitantana tao anatinâny Tetezamita izy, nametraka fanamby amina soritrâasa maro. Nisy tratran-dry zareo ny fanamby napetrany. Nanaovan-tsika sorona ny Malagasy mpiray Tanindrazana anie izany tolom-bahoaka taminy 2009 izany e. Ka amiko, Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia nametrahanâny MAPAR sy Andriamatoa Rajoelina sy ny vahoaka rehetra mitady fanovĂ na, fitokisana hitondra izany fanovĂ na izany, ka tokony andamina ny raharaha an-tokan-tranony ny vondrona politika misy azy sy ny fianakaviany politika ».
Nandika ny fanambarana an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy
Sary : Harilala Randrianarison â Haja Randria