Raha mbola tsy fantatra ny mikasika ireo polisy navanon-doza nandoro trano tany aminâny faritra Sofia tany, dia mbola polisy ihany ny sahy mandrahona mpanao gazety aminâny alalĂ nâny facebook.
Tsy hiverina hiditra lalina aminâny tranga niseho tao aminy radio Jupiter (vakio ETO sy ETO ary ETO) aho, fa ny zava-misy dia tsy mahafehy tena mihitsy ity polisy iray ity.
Io ny lehilahy mandrahona olona nefa hoe mpitandro filaminana. Ho aiza mihitsy ary ity firenena malagasy ity e?
Jean Laurent Razafimamonjy ny anarany entiny ao aminy facebook. Tena anarany io ary tena polisy izy. Dia io nandrahona anâi Fernand Cello fa âhamboarinyâ hono. Hanamboatra no izy fa tsy "hanambotra" sa koa hambotry tsotra izao? Ary raha atao ary hoe hanambotra (avy amin'ny teny misambotra), taiza teto an-tany no nisy mpitandro filaminana iray manan-jo hanambotra olona iray tsy misy taratasy? Hanamboatra ianao rangaha a! Ka meloka ianao.
Samy mahalala ny dikanâio âhamboarinaâ io raha mbola Malagasy ihany. Fa dia ahoana loatra? Sa rehefa mpitandro filaminana dia mihevitra ho tsy matimanota satria hisy hiaro foana ao ambony ao? Tsy ampy angaha ny nanjo ny minisitrareo Anandra Norbert?
Ny mpanao gazety Fernand Cello
Ka nâinona nâinona dia nanapakâhevitra hitory azy i Fernand Cello, aminâio fandrahonana nataony io. Dia ho hitan-tsika eo raha tena tany tan-dalĂ na tokoa ity Madagasikara ity.
Marihina fa na ho fafany aza io fandrahonana io dia efa vita sary ary alefa any aminâny sampana misahana ny fitoriana. Tsy resaka tahotra koa ity resaka ity fa zonâny rehetra ny mitory rehefa hiatra amanâaina fa tsy hiandry ferapara vao hikoropaka⊠Ka dia asa izay ataon'ny minisitry ny Polisy vaovao, Mamy Jean-Jacques Andrianisa, notendren'ny Filoham-pirenena manokana. Sa izaho manoratra ity lahatsoratra ity no adala very saina ("aliĂ©nĂ© mental") fa tsy misy izany fandrahonana izany? Fa... fisaorana ny dikan'io "hambotra" io? Asa...
Jeannot Ramambazafy â 06 Marsa 2017