Maharante Jean De Dieu, miadana tsara ao Parisy ao...
Manahirana mihitsy itony olona sendra nahazo fahefana (voafidy na voatendry) itony fa dia ho tranon-dainga hatramin'ny farany ve e? Ny azy moa efa vita tanteraka fa tsy manana fahefana intsony izy na singam-bolo iray aza, kanefa toa mbola miseho azy ho zavatra ihany. âQui s'excuse s'accuseâ, hoy ny Frantsay.
Amin'izao ianao mamaky ity lahatsoratra ity ary dia any Parisy, Frantsa, Ingahy Marahante Jean De Dieu no maka aina. Fa mety efa akaiky ho lany angaha ny âvisa de sĂ©jourâ-ny na fahazohan-dĂ lana ipetrahany any, ka mazava ny tetika. Hilaza fa maritiora izy ary hangataka fialofana ara-politika (âasile politiqueâ) amin'ny fitondran'ny Filoha Emmanuel Macron. Toa tamin'ny taona 2002 fony izy governoran'ny faritany mazaka tenan'i Toliara, nandositra ny fahatezeram-bahoaka. Ho sarotra aminy aloha no mamerina izany satria niala teto an-tsitra-po izy vao lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina, nialoha an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay nandositra tsotra izao.
Efa hahatratra ny enim-bolana mahery izany ingahy Maharante no any Frantsa. Tsy fantatra mazava ny antom-pivelomany any fa dia hoe âany amin'ny zanany anyâ. Dia iny fa nipoitra tampoka niseho nanazava ny fijerin'ny raharaha ARTEC (âAutoritĂ© de RĂ©gulation des Technologies de Communicationâ). Tsy inona izany fa fanodikodinam-bolam-panjakana mitentina hatramin'ny 5 miliara Ariary niala avy tamina fanadiadiana nataonâny IGE (âInspection GĂ©nĂ©rale de l'Etatâ) izay nametraka fitoriana. Io vola be io dia nolazaina fa hividianana fitaovana informatika. Kanefa tsy nisy na bilao iray aza novidiana ary ireo hoe mpivarotra (âprestatairesâ) dia toa nanjavona daholo na koa orinasa noforonina an-taratasy fotsiny ihany. Voakasik'izany koa Ingahy Andrianirina Briand Joseph izay notendren'i Maharante Tale jeneralin'io ARTEC io, fony izy minisitry ny Paositra, amina fomba tsy ara-dalĂ na.
Izao aloha no nosoratan'ingahy Maharante, hita ao amin'ny pejiny Facebook : â Gaga aho satria tsy nandalo teo imasoko ny antontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany. Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka sainaâ. Tsaroana f'efa amam-bolana izy no niala teto Madagasikara. Dia avy eo moa nanara-dia ny antoko TIM. Fa raha hala-bato ny litania an'ity farany, ny an'i Maharante kosa hala-tsonia no ventesiny : âTsotra ny famoaham-bola ao amin'ny FDTIC (- âFonds pour le DĂ©veloppement des Technologies de l'Information et de la Communicationâ -) ao aminâny ARTEC- satria sonianâny minisitra sy Tale jeneralinâny ARTEC dia mivoaka ny vola na ohatrinona na ohatrinona izany. Tsy misy pitsopitsony fangatahana TEF (âTitre d'Engagement Financierâ). Nohararaotinâny sasany nanaovana sain-dratsy ny soniako namoahana vola, tsy nampandre ahy. Mino aho fa 95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signature scannĂ©e no nahatonga io tarehimarika tsy roa aman-tany ioâ.
Mazava fa Filan-kevitry ny Minisitra no mamoaka ny anaran'izay ho Tale jeneralin'ny ARTEC
Fanadiovan-tena tsy misy tahaka io. Midika fa dondrona sy mpandainga daholo ireo olona ao anatin'ny rafitra teknika rehetra misy eto Madagasikara. Soa fa misy ny soratra ary, indrindra indrindra ny Lalà na. Eto dia ialan-tsiny fa amin'ny teny frantsay daholo moa ny lalà na misy etoan-toerana ka samia re mandika e! Izao ary no lazain'ny Loi N° 2005-023 du 17 octobre 2005 (refonte de la loi N°096-034 du 27 janvier 1997 portant réforme institutionnelle du secteur des télécommunications)
Article 26 : (âŠ) Le conseil dâadministration est composĂ© de sept membres. Ces membres sont nommĂ©s par dĂ©cret pris en conseil des ministres. Au moins quatre (4) membres du conseil dâadministration sont choisis dans le secteur privĂ© sans lien contractuel avec la fonction publique ou avec le secteur des tĂ©lĂ©communications et TIC...
Article 27 : (âŠ) Les membres du conseil dâadministration Ă©lisent leur prĂ©sident parmi les membres issus du secteur privĂ© et leur vice-prĂ©sident parmi les administrateurs. LâĂ©lection est constatĂ©e par dĂ©cret pris en conseil des ministres.
Asa? Sonia sandoka izany io ambony io?
Raha fintinina dia avy ao amin'ny Filan-kevitry ny Minisitra (âConseil des ministresâ) no mivoaka ny âdĂ©cretâ manendry ara-pomba ofisialy ireo mandrafitra ny Filan-kevitry ny ARTEC, indrindra fa ny Tale jeneraliny. Tsy izany no nataon'i Maharante Jean De Dieu fa âNote de serviceâ no nanendreny an'Ingahy Briand ho Tale jeneraly ânoho ny amehanaâ (âen raison de l'urgenceâ. ). F'inona tokoa ilay âamehanaâ? Eto koa no hahitana fa sarotra ho an'izay tsy mahay ny teny frantsay. Satria ilay fehezan-teny hoe ânonobstant l'adoption d'un dĂ©cret en conseil des ministresâ dia midika fa âna dia tsy nisy aza ny dĂ©cret avy amina Filan-kevitry ny Minisitraâ. Izany hoe notereny nanaraka io âNote de serviceâ io ny Filoha tamin'izany dia Hery Rajaonarimampianina. Toa izany ny fomba nitondran'ny Hvm nanditra ny dimy taona be izao... Tsy ny voafidy no nitondra ny firenena fa ny voatendry. Dia ho gaga ve isika raha nitsigindina any amin'ny laharana faha-5 eo amin'ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara tao anatin'izay fe-potoana izay ?
Dia hilaza izany Ingahy Maharante izao fa sonia nangalarina koa io amin'ny âNote de serviceâ io ? Manaraka : raha vakiana tsara ny âdĂ©cret d'applicationâ N° 2014-1650 an'io âLoi 2005 023 du 17 octobre 2005â io dia ny minisitra mpiahy ihany no mandidy sy manapaka ka afaka mamoaka vola ao amin'ny ARTEC fa ny Tale jeneraly dia kofehy manara-panjaitra ihany. Ary tsy maintsy mandalo ao aminy daholo rehefa antontan-taratasy mikasika ny vola miditra sy mivoaka. Ka dia sonia nangalarina daholo izany ny taratasy rehetra nosoniavin'Ingahy Maharante Jean De Dieu nanomboka tamin'izy voatendry minisitry ny Paositra ka hatramin'ny nisolona azy? Satria mino fotsiny ihany izy fa â95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na signature scannĂ©eâ.
Onitiana Realy sy Briand Andrianirina tamin'ny mariaziny
Miandry ny fiarovan-tenan'Ingahy Briand isika fa izy kosa ve dia hianjeran'ny rihatra rehetra eo ? Efa tratry ny IST (Didy tsy afahana mivoaka an'i Madagasikara) i Briand mivady izao. Fa i Maharante Jean De Dieu kosa any Andafy any izao no migalabona. Tokony fantany tsara izany ny fisian'ny hoe âgraphologueâ. Inona izany? Ao Parisy ingahy Maharante ka ho mora aminy no mahalala ny dikan'ireto manaraka ireto : âL'expert graphologue ou expert en fausses signatures est le professionnel chargĂ© l'authentification de graphies et de signatures, ainsi que de prouver la falsification de signatures apposĂ©e sur toute sorte de supportsâ. Fa raha mahalala ny âexpert graphologueâ fa sandoka ny sonia iray afaka mamoaka koa izy fa tena izy ilay sonia na atao âscannerâ aza, araka ny voalazan'ingahy minisitry ny Paositra teo aloha.
Hatreto izany aloha matoa mitady fanadiovan-tena toa io Ingahy Maharante dia tsy mizaka zom-pirenena frantsay toa an-dry Henry Rabary-Njaka sy James Andrianalisoa izay mihevitra fa tsy misy manara-maso...
Ny manahirana koa, hatreto, dia toa zary dokam-barotra ihany ny mampiatra ny hoe Tany tan-dalĂ na sy ady amin'ny kolikoly, indrindra fa amin'ireo olona milaza fa âMalagasyâ kanefa misary gaigy any ivelany any milaza fa tia tanindrazana, nefa manao vidĂ©os manomboka amina hiram-pirenena sy fotoam-pivavahana kanefa avy eo lainga, ompa sy ozona ny zavatra lazainy any anatin'ireny vidĂ©os ireny. Maninona kay no tsy mody daholo e !? Dia eto no mifanatri-tava fa tsy any amin'ny 10.000 kilometatra any no miseho manome lesona ? Soa fa misy farany raha jiaby...
Jeannot Ramambazafy