Asa aloha fa toa lavitry ny tena fiainana iainanâny akamaroanâny Malagasy manerananâny Nosy ny « vokatra » nambaranâny Praiminisitra Jean Ravelonarivo, teo imasonâny Solombavam-bahoaka, androany 21 Mey 2015. Asa na ny tatitra no diso na izy no mila dera aminâny vazaha na dia natao teny malagasy ny famintinana ny âzava-bitanyâ.
Dia alefalefa any fotsiny ny ohabolana toa: âVavolombelonâny asa tokoa ny bainga voavadikaâ; âaleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavananaâ; âNy akanga maro tsy vakinâamboaâ ary âNy mitabe tsy laninâny mambaâ. Nivadika natao ambony ambany tokoa i Madagasikara iray manontolo any ka ny vola no manjaka no ny fihavanana. Misara-bazana ny Malagasy no ny afitsoky ny antoko Hvm ary dia noana toa ny mamba ny Malagasy ka tsy afaka misaina intsony fa ny hoaniny androany aloha no vain-dohan-draharahany. Izany ny hoe Repoblika faha-efatra sy hery vaovao nentinâny Filoha hajaina, Hery Rajaonarimampianina. Indro ary ilay kabary miezinezina nataonâny Jeneral Jean Ravelonarivo, ho tadinâny Tantara izay hitsara tsy ho ela.
Aohana mikasika io trano io, ohatra fotsiny, Andriamatoa Praiminisitra ? Anâiza izy io ka ny poteau-ny Jirama mihitsy no eo afovoanâilay trano ? Sa akama ka dia ny Jirama indray izany no terena hanala io poteau io ka hanodina ny fils rehetra fa ny trano tohizina foana ? Aiza ny Bianco? Aiza ny ara-dalĂ na ? Etsy aminâny 67ha Antananarivo io, Tompoko, fa tsy any andakira akory. Santionany fotsiny ihany anefa io ary tsy sary namboarina velively
Satria ireo rehetra ireo dia tena tsy misy fietraikany mihitsy aminâny vahoka izay mahatsiaro kamboty andro amanâalina: tsy fandriampahalemana isanâandro; dĂ©lestage mbola mitohy amina faritra maro; vidim-piainana tsy takatra intsony; kolikoly isan-karazany eny anivonâireo biraom-panjakana maro; fanamparam-pahefana ataonâireo milaza fa azy ny fitondrana izao, sns. Ka iza marina no hiantefanâity kabary be ity ? Sa kabary fe kabary fotsiny ihany ? Ary raha tsorina, dia tsy nahafa-po ireo Solombavam-bahoaka vitsy an'isa nanatrika io kabary io. Kabary tsara lahatra loatra io. Dia toa tsy nahitan-teny ihany koa Ingahirainy mikasika ny nataon'ilay Filoha Rajaonarimampianina lasa Talen'ny fampielezan-kevitra alohan'ny fotoana tao Sabotsy Namehana androany ? Izay tonga hatramin'ny fizarana T-Shirt Hvm ? Eisy e !
Jeannot Ramambazafy â 21 Mey 2015
Ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Jean Max Rakotomamonjy, sy ny Praiminisitra, Jean Ravelonarivo toa manao lalaon'ny saka sy voalavo
Andriamatoa Filohanâny Antenimieram-pirenena,
Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao aminâny Birao maharitra,
Andriamatoa sy Ramatoa isany Solombavambahoakanâi Madagasikara,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ety am-piandohana dia miala tsiny fa fohy ny fotoana ka tsy ary ho voatanisa eto daholo, saingy efa eny aminareo eny ny teny frantsay aminâity fanazavĂ na ity.
Raisiko ho Voninahitra aminâny maha-Praiministra ny tenako ny manao tatitra ny asa vitanâny Governemanta, araka izay voalazanâny andininy faha-101 ao aminâny LalĂ m-panorenana. Asa vita mifandraika aminâny Politika Ankapobenâny Fanjakana izay napetraky ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA tao anatinâny Paikady Natao Dinasa (PND) ary ho tanterahina aminâny alalanâny Paritra Malagasy zary Ohabolana (PMO).
1. Tafajoro miandalana ny Fitondrana Tsara Tantana, ny fanamafisana ny Fanjakana Tan-dalĂ na, ny Demokrasia ary ny Firaisankinam-pirenena
Natao ho vaindohan-draharaha taminâizany ny fampitsaharana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy ny fangalarana taolam-paty, ary dia natomboka izany aminâny fijerena akaiky ny andramena. Nosoloina ireo Tomponâandraikim-panjakana rehetra avy aminâireo Faritra izay voakasiky ny fitrandrahana an-tsokosoko ny andramena, ary efa nekenâny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ny fananganana ny fitsarana manokana na âchaĂźne spĂ©cialeâ momba izany. Anisanâny fikasĂ nâny fitondram-panjakĂ na ihany koa ny hanangana âusine de traitement de bois de roseâ ary hanaraka izany ny fitehirizana azy ka ho amidy ho tombon-tsoanâny malagasy rehetra fa tsy ho anâolon-tokana.
Efa misy ny sambo haingam-pandeha sy hĂ©licoptĂšre efa miantsona ao Sainte Marie sy Toamasina. Ary efa natomboka ny fandaminana vaovao ahazoana mifehy ireo tahirinâandramena, ka nahazoana fanampiana mitentina 4,2 tapitrisa dĂŽlara avy aminâny Banky iraisam-pirenena.
Natao ny fifampiraharahana taminâireo vahiny hampodiana ny Andramena naondrana an-tsokosoko ka tratra tany ivelany. Ny fitondrana Maorisianina dia vao avy nanaiky hamerina eto Madagasikara ireo andramena tratrany tamin'ny taona 2011.
Momba ny ady aminâny kolikoly dia ny tenako mihitsy no nitarika dinikâasa niarahana taminâireo Tomponâandraikitry ny ladoany, ny hetra, ny Fitsarana, ny Sampan-draharahanâny Fananan-tany, ny Jirama, ireo Lehibenâny faritra, ary ny Mpitandro ny filaminana (Zandary, Miaramila, Polisim-pirenena). Niantso ny rehetra ny tenako mba tsy hisianâny ady am-pitaka.
Efa nahitam-bokatra izany satria efa antonta-taratasy 102 momba ny fandikan-dalĂ na no nokirakiraina sy nanaovana fanadihadiana, Zandary 07 no nohazonina am-ponja vonjimaika ka ny 02 aminâireo tany Mananjary, 05 voarohirohy taminâny raharaha fakana olona an-keriny tany Toamasina.
Vita sonia ny lalĂ na fototra hanatsarĂ na ny Filan-kevitra amboninâny Fitsarana (Conseil SupĂ©rieur de la Magistrature) ary ahazoana Fitsarana mahaleo-tena.
Manao ezaka maro ny Fitsarana, koa raha 150 isan-taona no tanjona, dia efa 169 sahady ny valim-pitsarĂ na nivoaka teo anivonâny âTribunaux Financiersâ fotsiny.
Ho fametrahana ireo Andrim-panjakana ao aminâny Repoblika faha-efatra dia ireto avy ny dingana efa vita :
- Voasonia ny lalĂ na manangana ny Filan-kevitra ambony momba ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny fanjakana tan-dalĂ na (Haut Conseil pour la DĂ©fense de la DĂ©mocratie et de lâEtat de droit- HCDDED) ;
- Voasonia ny LalĂ na manangana sy mandamina ny Fitsarana tampony (Haute Cour de Justice). Miandry ireo solontena avy aminâny Antenimieran-doholona sy ny Filan-kevitra ambony momba ny Fiarovana ny Demokrasia sy ny fanjakana tan-dalĂ na (HCDDED), izany hoe mbola miandry ny fametrahana ireo andrim-panjakĂ na ary efa hiroso aminâizany isika;
- Voarafitra ny volavolan-dalĂ na mahakasika ny Filankevitra ambony momba ny Fiarovam-pirenena (Haut Conseil de la DĂ©fense Nationale-HCDN) ary handalo ny Filankevitry ny Governemanta ;
- Nankatoavina ireo lalĂ na momba ny Sata manokana mifehy anâ Antananarivo, sy Nosy-Be ary Sainte Marie ;
- Vita ny famaritana ireo Fileovana 24, ny fanendrena ireo Prefets de RĂ©gions sy ny PrĂ©fet de police ho anâAntananarivo.
Eo aminâny lafiny fanamafisana ny Fanjakana Tan-dalĂ na, tsipihina manokana:
- Ny fametrahana ny âcartes grisesâ sy pasipaoro manara-penitra ;
- Ny fanoloana ny âchĂšques carburantsâ ho âcartes Ă puceâ;
- Ny Firaiketana an-tsoratra ireo zaza vao teraka sy ny soram-piankohonana ;
- Ny fandinihana eo anivonâny Filan-kevitry ny Governemanta ny LalĂ na mifehy ny Serasera (code de communication) ;
- Ny Fametrahana ny Rafitra Nasionaly mpanoro lĂ lana aminâny ady aminâny asa fampihorohoroana sy ny asa ratsy (SNOLT), mbola ho apetraka ihany koa ny âCentre de Vision Maritimeâ hanatevenana ny fiarovana ;
- Ny fanamafisana ny ady aminâny fampiasana olona tsy ara-drariny ;
- Ny famoahana ny lalà na miaro ireo vaovao manokana mahakasika olona iray (protection des données à caractÚre personnel) ;
- Ny Fandrindrana ny ady aminâny fampiasana ankizy tsy ampy taona ;
- Nankatoavina ny lalĂ na manafoana ny fanamelohana ho faty.
Iankinanâny Fiainam-bahoaka ny Fitandroana ny Fandriampahalemana ka nanaovana ezaka manokana ihany koa :
- Famerenana ny fitsipi-pifehezana eo aminâny miaramila aminâny alalanâny fankatoavana ny fandaminana ny fitsarana ara-miaramila ;
- Fananganana Vondrona manokana vaovao ho anâny andia-miaramila voafantina (commando dâĂ©lite) ;
- Fanafahana ireo olona notanana an-keriny sy fisamborana ny mpanao izany ;
- Fanohizana ny ady aminâny halatrâomby : efa nisy zandary 30 ka hatraminâny 60 nidina any aminâny Faritra ho fanamafisana anâizany ady izany;
- Fanenjehana sy fanasaziana ireo mpanimbazimba fasana sy mpangalatra taolam-paty, marihina efa efa misy ireo voafonja mikasika izany ;
- Fahatratrana ireo fanondranana antsokosoko maro (sokatra, hippocampes, harena ankibonâny tany, sy ny sisa...).
Mba hahazoana vokatra tsara kokoa dia nohamafisina sy narindra ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena, ka nahatonga anay handray ireto fepetra manaraka ireto :
- Fametrahana fari-piadidianâny Zandary (Sambava, Ivohibe, Ambato-Boeni) ary Postes avancĂ©s (Matanga, Amparaky) ;
- Fandraisana mpianatra zandary vaovao miisa 1.200 sy Polisy miisa 870.
Farany nefa manan-danja dia ny nametrahana rafitra ahazoana manaraka ny asanâireo Ministera isanisany. Natao teny Iavoloha ny 13 martsa 2015 teo ny atrikâasa nanofanana ny Governemanta momba ny âGestion AxĂ©e sur les RĂ©sultats pour le DĂ©veloppementâ (GARD) sy ny âInitiatives pour les RĂ©sultats Rapidesâ (IRR) mba ahazoana vokatra ao anatinâny zato andro, nanomezana fanamby miisa 3 sy fandraisana andraikitra miisa 51 ho anâireo ministera.
2 . StabilitĂ© macroĂ©conomique, asa ho aminâny fampandrosoana
Araka ny efa nambarako tetsy aloha dia efa vita tanteraka ny fanamboarana ny Paritra Malagasy zary Ohabolana (PMO) sy ny Fandaharanâasa Laharam-pahamehana eo aminâny Fampiasam-bolam-panjakana (Programme dâInvestissements Publics Prioritaires - PIPP). Antontan-kevitra hiainganâireo mpiara-miombonâantoka aminâny fampandrosoana izy ity. Koa aminâizao fotoana izao dia efa voarindra tsara ny asa tsy maintsy hatao, ny vola ilaina aminâ izany ary ireo hanatontosa ny asa. Mitentina 18,004 miliara dĂŽlara ny vola ilaina â 14,403 miliara dĂŽlara raha toa ka 2500 ariary ny 1 dĂŽlara - ka vinavinaina ho 2,148 miliara dĂŽlara ny anjaranâny Fanjakana (Ressources Propres Internes) ary 3,289 miliara dĂŽlara kosa no efa mety ho azo avy any ivelany (Ressources Externes Existants). Araka izany dia 12,567 miliara dĂŽlara ny vola sisa mbola hotadiavina â 10,053 miliara dĂŽlara raha toa ka 2500 ariary ny 1 dĂŽlara.
Mahakasika ny Fifandraisana aminâireo Mpamatsy Vola sy ireo Firenena vahiny namana dia eo an-dalam-pidinihina aminâny FMI isika izao, raha efa tontosa ny Dinika Politika niaraka taminâny Vondrona Eoropeana, ny Fihaonanâny âGroupe de Dialogue StratĂ©giqueâ (GDS) andiany faha-6. Vita ihany koa ny fivoriana nataonâny âGroupe International de Soutien pour Madagascarâ (GIS-M) nanaovana tombana ny ezaka vita.
Fantatsika ihany koa fa io taona ho avy io dia i Madagasikara no handray ny Fihaonambenâ ny Firenena miteny na mampiasa ny teny Frantsay ary koa ny fivorianâ ny COMESA.
Miezaka hatrany ny Fanjakana hanatsara ny Fitantanam-bolam-panjakana (Réformes fiscales et douaniÚres, réformes sur les finances publiques, réformes bancaires). Raha ny lafiny hetra dia 368 miliara ariary no niditra ny telo volana voalohany raha toa ka 402 miliara ariary no novinavinaina (taha-pahatanterahana 91,4% izany). Marihina anefa fa ny volana martsa manokana kosa dia nahatratra 112 miliara ariary raha toa ka 108 miliara no tanjona (taha-pahatanterahana 104%).
Eo aminâny haban-tseranana dia 270 miliara ariary no tratra taminâny tanjona 380 miliara ariary. Ny fihenanâny fanafarana entana avy any ivelany no tena nahatonga izany. Mandaitra kosa anefa ny hetsika fanaraha-maso satria antontan-taratasy tsy manara dalĂ na miisa 544 no hita ny taminâity taona 2015 ity raha toa ka 352 isa izany taminâny 2014.
Ho anâny fanampiana avy any ivelany, dia tonga tsikelikely ny fanampiana:
- 35 tapitrisa USD avy aminâny BAD na Banque Africaine de DĂ©veloppement ;
- 20 tapitrisa EUR mahery avy aminâny Agence Française de DĂ©veloppement ;
- 518 tapitrisa EUR no andrasana avy aminâny Union europĂ©enne aminâny alalanâny 11Ăšme FED (2015-2019) ;
- efa andalana izao ny firesahana mba ahazoana ny FacilitĂ© Elargie de Credit (FEC) avy aminâny FMI.
Eo aminâny lafiny fananan-tany dia tany 2.000 no nahazo titra raha 5.000 no tanjona (40%) ary tany 13.872 no nahazo certificat raha 50.000 no tanjona (28%). Marihina fa efa an-dalam-pamitĂ na ny fanavaozana ny lalĂ na mifehy ny fananan-tany ny Ministeram-panjakana misahana izany.
Eo ampandinihina ireo valinâny tolo-bidy hanitarana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-be. Efa voaray ny 75 millions dâeuros hanamboarana ny lalana mampitohy anâi Soavimasoandro sy Ivato, ary mbola misy 30 millions dâeuros hafa voaray, hanatsarĂ na ny fotodrafitrasa.
Ho anâny Fotodrafitrasa sy ny Asa Vaventy kosa dia :
- Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN9, RN44âŠ;
- 76 metatra ny tetezana Bailey napetraka ;
- 604 metatra tetezamby nohavaozina ;
- Fametrahana ny Fonds dâEntretien Routier 2Ăšme GĂ©nĂ©ration.
Raha eo aminâny lafiny famokarana angovo kosa dia tohizana ny famatsiana herinâaratra eny ambanivohitra (60Kwa tany Soavina Ambositra, 100 Kwa tany Sahambany Ihosy) ary efa maro ireo fanadihadiana atao momba ny angovo azo avy aminâny toha-drano sy ny masoandro ary ny rivotra (Ă©nergie renouvelable).
Mahakasika ny JIRAMA manokana dia efa nampiharina ny paikâady hanarenana azy ka mipetraka ankehitriny ny fijerena ifotony ny fanjifana solika sy ny fanaraha-maso ireo mpanjifa. Vonona hanome 65 millions de dollars ny Banky Iraisam-pirenena hanarenana ny Jirama, ary 25 millions de dollars hafa hanavaozana ireo fotodrafitrasa sy milina ao Andekaleka. Marihina moa fa vokatry ny ezaka natao, dia efa tafakatra 45 miliara ariary ny vola miditra aminâny Jirama, raha 35 miliara ariary izany teo aloha.
3. Fampandrosoana mirindra sy fivoarana ifotony
Mikasika ny fitrandrahana ny harena an-kibonâny tany : saro-pady tokoa izy io ary efa ho vita ny lalĂ na mifehy ny harena an-kibonâny tany (Code Minier) ary nankatoavina ny Sata manokanâny Instistut de Gemmologie de Madagascar (IGM) sy ny fametrahana ny Foibenâny Volamena (Agence de lâOr). Andalam-pahazoana ny famatsiam-bola «Multi-Donor Trust Fund» izay mitentina 480,000 USD isika ho entina anaraha-maso ny vola miditra aminâny kitapo-bolam-panjakana. Natao ny fanovĂ na mba hahazoanâny Firenena tombon-tsoa fa tsy ho anâny vahiny.
Mikasika ny fizahantany dia efa najoro ny Mpanara-maso manokana ny Fizahan-tany ka orinasa miisa 650 eo aminâ izany sehatra izany no efa voatsirika. Napetraka ihany koa ny paika hanentanana ny ady aminâny fivarotan-tenanâny ankizy.
Mpizahatany 75.000 no efa nandalo teto Madagasikara nanomboka taminâny voalohany taona 2015 raha 300.000 ny tanjona hotratrarina.
Efa nahazo fiaramanidina ATR 72 iray ny Air Madagascar ary ho avy tsy ho ela ny ATR 72 faharoa sy ny Boeing 737-800.
Hisy koa ny fifanarahana aminâny Compagnie rehetra eo anivonâny COI (Alliance vanille) hanamora ny fivezivezena.
Vita soa aman-tsara ny aĂ©rodrome Antsirabe izay vokatry ny fiaraha-miasanâny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ankehitriny dia afaka mandray fiaramanidina lehibe kokoa nohonâny teo aloha izy io.
Mikasika ny Fambolena, Indostria ary ny Varotra :
- Ho fanatsarana ny famokarana siramamy dia nanaovana fanarenana ny lemakâi Mahavavy mirefy 12.000 ha ;
- Mitohy hatrany ny ady aminâny andiam-balala ka taminâity taona ity dia velaran-tany 9.800 ha aminâny 100.000 ha no efa vita tety an-tanety ary 297.000 ha aminâny 500.000 ha no natao taminâny fiaramanidina izany hoe manodidina ny 59%. Mitontaly 2.100.000 dĂŽlara ny fanampiana azo taminâity taona ity ; manana hatraminâny 2.500.000 dolara isika ho entina miady aminâny valala, ary isaorana manokana ny Ministeranâny fambolena aminâny fiaraha-miasa.
- 500 taonina ny masomboly vary sy katsaka nozaraina taminâny tantsaha ;
- Ny FRDA (Fonds Régionaux de Developpement Agricole) na tahiry regionaly momba ny fampandrosoana ny fambolena dia efa amperinasa ;
- Nofanina hanaraka ny teknika moderina momba ny fambolena ny fianakaviam-benâny tantsaha miisa 59.273 ;
- Omena vahana ny sehatra tsy miankina ka apetraka ankehitriny ny âPlateformeâ ifandraisanâizy ireo aminâny Fanjakana, ary efa tanteraka ny fiaraha-miasa eo aminâny sehatra famokarana siramamy ka nomena ny orinasa VIDZAR ny fitantanana ny SIRAMA Nosy-be sy Brickaville. Hatsaraina ihany koa ny LalĂ na mifehy ny fanondranana entana any ivelany raha toa ka efa niverina indray ny nahazoantsika miditra eo aminâny tsenam-barotry Etazonia aminâny alalanâny AGOA (African Growth and Opportunity Act) ;
- Eo aminâny lafiny ara-teknolojia vaovao dia maro ireo mpianatra sy tomponâandraiki-panjakana no novatsiana ara-pitaovana, ary efa eo an-dalam-pametrahana ihany koa isika ny fahitalavitra numĂ©rique na TNT, ka any Nosy Be no hisantarana izany.
Mikasika ny jono sy ny harena an-dranomasina :
- Zana-trondro miisa 100.000 no natolotra ny mpiompy, mpanentana momba ny fiompiana trondro miisa 17 no nahazo fampiofanana, tantsaha miisa 200 no nahazo fanampiana aminâny fiompiana trondro aminâny tanimbary sy ny dobo ;
- Natao ihany koa ireo fitiliana manara-penitra ireo fiompiana makamba (épidémiosurveillance des crevettes) ;
- Nankatoavinâny Governemanta ny Didy hitsivolana fametrahana Vaomiera nasionaly misahana ny ala honko (mangrove) sy ny tsy fahazoana mitrandraka azy.
Mikasika ny fiompiana sy fiarovana ny biby:
- Natao ny fanofanana mpiompy omby tao aminâny Faritra Bongolava ary ireo mpiompy ondry sy osy tao aminâny Faritra Sofia ;
- Natsangana ny fialofana sy fisotroan-drano ho anâny biby fiompy tao aminâny faritra DIANA, niampy fanorenana lava-drano miisa 7 tao aminâny Faritra SAVA sy DIANA. Nojerena manokana ny aretina mahery vaika nahatonga ny fahafatesanâny kisoa tao aminâny Faritra SOFIA ;
- Natolotra ny fanafody enti-miady aminâny aretinâny tantely tao aminâny distrikanâi Mananjary , toerana vaovao nitranganâny aretina âvarroaseâ, ary nanao fanaraha-maso ny aretina mahazo ny tantely aminâny toerana miisa 5 ny Fitondram-panjakana dia Analanjirofo, Amoronâi Mania, Manjakandriana ary Manakara.
4. Ho aminâny fivoarana sy fandrosoanâny olom-pirenena
Anisanâny vaidohan-draharahanâny Governemanta ny Fahasalamam-bahoaka noho ny maha-fepetra ilaina azy aminâny fivoarana.
- Ankehitriny dia efa misokatra ary miasa indray ireo CSB miisa 113 izay nikatona nandritra ny fotoan-tsarotra nandalovanâny Firenena ary Tobim-pahasalamĂ na miisa 26 no natao manara-penitra ;
- Nanolorana fitaovam-pitsaboana ny HJRA (Antananarivo), ireo Hopitaly tany Ambalavao, Toliara, Anosy Avaratra, Maintirano ary koa CSB miisa 29 hafa ;
- Tobim-pahasalamĂ na ifotony miisa 6 no voaarina raha 11 no tao anaty vina ;
- Nanaovana asa fanarenana ihany koa ny toeram-pandidiana ao Brickaville ;
- Tobim-pahasalamĂ na ifotony 347 no nizarĂ na kojakoja sy fitaovana aminâny fiterahana ;
- Fanomezana fitaovana teknika sy fandidiana tamina hopitaly miisa 14;
- Fanomezana fitaovam-pitsaboana nify ho anâny Hopitaly ao Farafangana sy ao Ambalavato Antsirabe ;
- Fanomezana kojakoja itsaboana ny aretin-tratra, ho anâny CHU Ambohimiandra, Befelatanana ary ny Hopitalinâny reny sy ny zaza etsy TsaralalĂ na ;
- FanatsarĂ na ny fomba fitantanana ny FANOME (Fonds dâApprovisionnement Non-stop des MĂ©dicaments Essentiels) eny aminâireo tobim-pahasalamĂ na ifotony ;
- Napetraka ihany koa ny lalĂ na ho enti-misoroka ny fanafarana tsy ara-dalĂ na ny fanafody.
Mikasika ny fandraisana an-tanana ny mponina dia natao ny :
- FanatsarĂ na ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy bevohoka hiteraka tamina mponina mihoatra ny 1.914.476 nandritra ny asa fanarenana tao aminâny CHU 3 (Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana), Centre Hospitalier de RefĂ©rence de District (CHRD) 5 (Maroantsetra, Bezaha, Nosy be, Mahitsy et Soavinandriana), ary Centre Hospitalier RĂ©gional de rĂ©fĂ©rence (CHRR) 3 (Ambovombe, Tolagnaro, Antsirabe) ;
- Fanamafisana ny fiomanana sy ny ady aminâireo valanâaretina mahery toy ny Ebola, ny arboviroses (tanteraka 100% ny fanofanana ireo mpiandraikitra kaominaly 1.043 tany Sainte Marie sy teto Antananarivo Renivohitra mikasika ny aretina entinâny Virus Ebola) ;
- Fanamafisana ny ady aminâireo aretina azo foanana aminâny vakisiny ;
- FanatsarĂ na ny ady aminâny areti-mifindra, ary namafisina manokana ny mikasika ny tazomoka, ny tiberkilaozy, ary ny VIH SIDA.
- Fanomezana lay ody moka maharitra, miisa 2.200, ary fanafody, nandritra ny ady natao taminâny fiparitahanâny aretin-tazo tao aminâny distrikanâi Fianarantsoa II sy Farafangana ;
- Fandraisana an-tanana ny fitsaboana traboina 86.960 tamina faritra miisa 3 (Alaotra mangoro, Analamanga, Atsimo atsinanana) ;
- Fanombohana ny fandrafetana ny « fahasalamana mipariaka aminâny vahoaka rehetra » na ny âCouverture Sanitaire Universelleâ (CSU).
Fampianarana, fanabeazana, fanofanana ary kolontsaina
Ny ahafahanâny zaza malagasy rehetra mahazo fanabeazana no fanamby napetraky ny Filohanâny Repoblika sy ny Governemanta.
· Fikarohana mifanaraka aminâny Fampandrosoana, ireto avy ny fitsipika notanterahina :
- Fampiharana ny paikady nationaly aminâny fikararohana ara-tsiantifika ;
- Fanamafisanâny fahalalanâny mpampianatra sy ny mpampiofana any aminâny Faritrâi Sava , Diana ary AmoronâImania aminâny fampiasana ny fitaovana vaovao na Tableaux NumĂ©riques Interactifs (TNI) ;
- Fanofanana, fanomezam-baovao sy fanentanana ny tomponandraikitra eny anivonâny Service Technique DĂ©centralisĂ© (STD) na ireo Teknisiana manerana ny Faritra.
· Maimaim-poana ny fianarana eo anivonâny sekoly fanabeazana fototra : nofoanana ny saram-pisoratana anarana, fanomezana fanampiana ho anâireo mpampianatra tsy mbola mpiasam-panjakana raikitra, fanenana ny adidinâny ray aman-dreny any an-tsekoly.
· Fanomezana fanampiana ho anâ ireo mpampianatra tsy mbola mpiasam-panjakana miisa 71.062.
· Fampiroboroboana ny fampianarana any aminâireo toerana sasany mba tsy ho tany lavitra andriana izy ireo : 226 efitrano fampianarana andalam-panorenana ao aminâny sekolim-panjakana (EPP) ary 27 ny efitrano ho anâny ambaratonga fototra.
· Fanorenana trano fisakafoanana any aminâny toerana iharanâny tsy fanjarian-tsakafo.
· Fandoavana ny vatsim-pianarana izay tara ho anâny mpianatra malagasy any ivelany.
· Fanatsarana ny fahafahananâny Sekoly Fanabeazana Fototra mandray mpianatra : mpiandraikitra 40 no nahazo fiofanana, efitrano fianarana 23 no navaozina ary efitrano vaovao 66 kosa no naorina.
· Fampitaovana, fanamboarana sy fanarenana ny fotodrafitrasa taminâny Oniversitenâi Toamasina ,Toliary sy Fianarantsoa.
· Notsinjaraina moto ireo mpanolo-tsaina aminâny CISCO 114.
· Fampitaovana boky miisa 60.937 ho anâny sekoly sy 1.167 torolalana ho anâny Garabola (maternelle).
· Asa fanohanana ara-tsakafo aminâny sekoly madinika aminâireo faritra marefo.
· Fanatsarana ny fampianarana : Chef ZAP miisa 104 ary mpanolotsaina miisa 30 no voahofana.
· Sekoly Fanabeazana Fototra miisa 15.922 no nahazo kitapom-bola fanohanana.
· Fampiofanana mpanofana miisa 40.
· Teknisiana mpanampy aminâny fikirakirana solo-tsaina no noraisina ho anâireo CISCO 114.
· Fampidirana mpampianatra vaovao miisa 11.490.
Momba ny rano fisotro madio sy fanadiovana dia fatsakana 1.200, lava-piringa 918, loharano fatsakĂ na 861, toeram-pidiovana 609 no voaorina.
TanĂ na miisa 10.000 no nanamafisina ny fepetra fitaizana ny vahoaka tsy handoto ankalamanjana, 50% nâny vina mahakasika ny fampiasana lava-piringa manara-penitra no tanteraka.
Nojerena akaiky ny fitantanana ny SAMVA ankehitriny ary misy ny fanaraha-maso akaiky ataonâny Fanjakana eo aminâny fizotry ny asa ao.
Raha ny lafiny Zavakanto sy Kolontsaina dia azo lazaina etoana ny nanamboarana ny lalĂ na mifehy ny asa-tanana, ny fanofanana sy fitaritana aminâny fanarahana fenitra sy kalitao tany aminâny Faritra Boeny, Betsiboka, Atsimo-Atsinanana, Vatovavy Fitovinany.
Natao ny fifanaharaha ahazoana Tahirim-bakoka sy Laboratoire manara-penitra ao Sainte Marie taorianâny nahitana ireo sambo rendrika taminâny Taonjato faha-fito ambinâny folo, ka nitahiry zava-tsarobidy maro.
Momba ny Asa sy lalana sosialy dia natao ny :
- Fanavaozana ny asam-panjakana : fifanarahana teo aminâny FOP sy ny BIANCO ary ireo Ministera samihafa ;
- Fanamafisana ny fifandraisana izay misy eo aminâny mpampiasa, ny Fanjakana ary ny Sendika eo aminâny orinasa (mpampiasa sy mpiasa) manerana ny faritra 22 ;
- Fametrahana birao mpanara-maso ny fifanarahana aminâ ny OIT ary voasonia ny fanampiana mitentina 14 lavitrisa dĂŽlara momba ny Fandaharanâasa momba ny fanomezana asa mendrika (Programme Pays pour un Travail DĂ©cent) ;
- Fametrahana ireo mpikambana aminâny komitim-pirenena misahana ny asa (Conseil National du Travail) sy ny komitim-paritra misahana ny asa (Conseil RĂ©gional du Travail) tamina Faritra 14 ;
- Eo an-dalam-panavaozana ny lalĂ na mifehy ny fifindra-monina ny Ministera.
Mahakasika ny tanora sy ny fantatanjahan-tena dia :
- Natomboka ny tetikâasa SPEED (fanatanjahan-tena ho anâny rehetra, manodidina ny fandriam-pahalemana, ny fampianarana, ny tontolo iainana ary ny fandrosoana) ;
- Famerenana aminâny laoniny ireo ivotoerana natao ho anâny tanora sy ny toeram-panofanana aminâny fanatanjahan-tena aminâireo faritra 22 ;
- Azontsika ny Tompon-daka eran-tany teo aminâny Kickboxing, ny tompon-daka eo aminâny CAN Beach Soccer ary ny MASTER 2014 Frantsa lalao kanety be ;
- Atao ny fanomanana ireo atleta 235 izay hanatrika ny lalaonâny nosy sy ny lalao afrikana 2015.
Momba ny Fiarovana ara-tsosialy :
- Fanampiana ireo traboina ka tokan-trano 3.046 no voakasikâizany (Analamanga, Boeny, Vatovavy Fitovinany, Alaotra, Diana, Anosy, etc.);
- Fandraisanâny fanjakĂ na anjara taminâny famahĂ na ny trangam-pifanolanana tao Andranondambo (RĂ©gions Anosy, Androy sy Atsimo-Atsinanana) ;
- Fampahafantarana ny mikasika ny zonâny vehivavy tamina olona 5.000 ;
- Vita ny fandrafetana ny volavolan-dalĂ na mikasika ny filatsahana an-tsitrapo (Volontariat) ary atolotra tsy ho ela ety aminâny Antenimieram-pirenena; marihina fa tsy mba nisy teto amintsika izany taloha.
- Mitohy herintaona indray ny fijanonanâny Sambo Mpitsabo Mercy Ships.
5. Nomen-danja ny tontolo voajanahary ary nohamafisina ny fiatrehana ny loza voajanahary
Nanamarika ny taona 2014 sy ny voalohandohanâny taona 2015 ny trangan-doza voajanahary. Hain-tany, fipariakanâny andiam-balala, hetraketraky ny rivo-doza, niainantsika avokoa izany saingy tsy nandraraka ilo mby an-doha ny Malagasy fa niaritra na dia tsy ampy aza ny teo an-tanana. Nisy anefa ireo andraikitra izay nezahina noraisina hanehoantsika ny fahavononana hiatrika ny loza voajanahary.
Ny fiatrehana ny hamehana :
- Tomponâandraikitra miisa 3.500 no nahazo fiofanana manokana momba ny rivo-doza manambana sy ny tondra-drano ;
- Fanangonana fitia tsy mba hetra ary fizarĂ na fanampiana ho anâireo traboina ;
- Nandray fanampiana hatraminâny 6,13 miliara ariary ny BNGRC ;
- Fokontany 2.500 no notolorana finday hifaneraserĂ na sy hampitam-baovao mikasika ny loza voajanahary sy ny trangam-pahavoazana ;
- Fandraisana an-tanana ireo traboina nandritra ny fandalovanâny rivo-doza Chedza (Andohatapenaka, AvaratrâAnkatso,âŠ), olona 72.503 taminâireo traboina no voarakitra aminâny antontanâisa, izany hoe 71.55% ;
- Ankoatra izay dia nisy ny fandraisana fanampiana, toy ny Fitaovana fanesorana, fanapahana hazo miisa 5 ary fitaovana madinika hafa toy ny sambokely haingam-pandeha 4 sy motera 4 fampiasa aminâny lakana, milina mpanome herinaratra, fitaovam-pifandraisana : radio 10 ary BLU 7.
Ireo asa fanarenana taorianâny loza :
- Fanorenana toby fitsaboana fototra (CSB) sy sekoly fanabeazana fototra (EPP) tany Toliary, niaraka taminâny FID ary koa ny tany aminâny toerana hafa ;
- Fanapariahana ny fampiasana ny HIMO ka fokontany 192 no nahazo fanohanana ;
- Nanokana 1 miliara ariary ny FID hanaraha-maso ny fampiasana ny tetikâasa HIMO ka mponina 12.000 no nahazo tombontsoa taminâizany, tao anatinâny fandalovanâny rivo-doza sy ny fisianâny kere;
- Fanaraha-maso ny asa tanamaro HIMO teny Avaratrâankatso : fanorenana rindrimbe fiaro sy fanalĂ na ireo potipotika vato : olona 50 isanâandro no nahazo asa an-tselika nandritra ny 20 andro.
Nomen-danja ny tontolo voajanahary :
- Fandrafetana sy fankatoavana ireo lalĂ na mikasika ny tontolo iainana mba hampirindra tsara ny fitandremana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Nohavaozina araka izany ny fifanarahana sy ny lalĂ na manamafy ny fifanarahana tao MINAMATA (Japon) mikasika ny merkiora ;
- Fivoriana fampahafantarana sy fanentanana aminâny « biosĂ©curité » tany aminâny faritrâItasy, Bongolava ary Alaotra Mangoro ;
- Fametrahana Faritra voaaro (Aires protĂ©gĂ©es) 94 vaovao ; vita 100% araka ny fampanantenana nataonâny Filohanâny Repoblika taminâny Fihaonambe tany Sydney ;
- Fanentanana ny aminâny tsy hampiasĂ na intsony ny harona plastika ;
- Hetsika iatrehana ny fiovaovanâny toetrâandro aminâny alalanâny fanamafisana ny fahatantesanâny fambolem-bary anâizany fiovana izany, tao aminâny faritra Alaotra Mangoro (narenina sy nampiana ny ala manamorona tanimbary tao aminâny kaominina Ambohijanahary, Manakambahiny ary Bemaitso, ary nisy koa ny fambolena sy fikojĂ na zanakâhazo) ;
- Hetsika fanoherana ny voka-dratsinâny fandotoana ny tontolo an-tanan-dehibe (fitarihana ara-tekinika aminâny fomba fitandremana ny tontolo iainana) ;
- Fanaovana tombana aminâny antontan-taratasinâny fanadihadina mikasika ny vokatry ny asa atao eo aminâny tontolo iainana, ka taratasy fahazoan-dalana (permis) miisa 36 no nomena taorinâny tombana.
- Voly hazo miisa fito hetsy (700.000) tamina velarana 330 ha no vita raha toa ka 400 ha no novinavinaina.
Andriamatoa Filoha,
Ianareo Solombavambahoaka,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
âTsy sanatria midera-tena toa ny papelika izahayâ raha nanambara taminareo teo ny zava-bitanâny Governemanta, fa toy ny âmampidera vady mahay mandihy tokoa ka ao ny sandriny hilaza azyâ.
Maro ny ezaka efa natomboka, kanefa aleo tsorina fa tsy hary hisy fiantraikany mivantana any aminâny Vahoaka daholo izany. Toy ny mamboly vary tokoa mantsy ny Fiainana ka tsy maintsy mamafy aloha, izay vao manetsa raha toa ka te-hijinja.
Mbola lavitra ny lalan-kaleha, kanefa tsy maintsy mifanome tanana ny vahoaka malagasy tsy vaky volo eo ambany fitarihanâny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA.
Tsy maintsy misiki-ponitra isika ka manohy ny ezaka efa vita, ary hiasa, hiasa, hiasa hatrany no tokony ho ataontsika teny filamatra.
âVavolombelonâny asa tokoa ny bainga voavadikaâ ary tsy tokony hitarain-tana-miepaka isika. Betsaka ny mbola tsy vita fa ny firaisan-kina no maha Malagasy, ka âaleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavananaâ. âNy akanga maro tsy vakinâamboaâ ary âNy mitabe tsy laninâny mambaâ.
Mankasitraka Tompokolahy, Misaotra Tompokovavy.