«Ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony», hoy ny ohabolanâny Ntaolo iray izay. Mbola ampiako aminâny hoe : «Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra».
Manoloana ny finiavanâi Harry Laurent Rahajason na koa Rolly Mercia, minisitry ny Serasera, hamotika ny tontolonâny fanaovan-gazety eto Madagasikara noho ny antony roa (fanompoana ny Hvm sy fitiavam-mbola fa tsy fitiavana anâi Mbola) diso fantatra loatra, dia aleho ho fantatrareo mpamaky tsotra sy ireo mpanao gazety novolavolaina hankahala mpiray tanindrazana sy hamafy lainga nefa tsy ho voasazy raha mbola eo izy, dia ity ny teniny nataony ny 26 Jona 2014, tao aminâny radio Free FM 104.2 rehefa tsy tafiditra ao anatinâny governemantanâi Kolo Roger izy.
Tsipihina fa Tale jeneralinâny Groupe Medias (La VĂ©ritĂ©, Ao Raha, Matin) ao anatinâorinasa Sodiat izay tsy iza fa i Mamy Ravatomanga no Filoha-Tale jeneraly. Tsara ho fantatra izany satria rehefa avy nanenjika anâi Hery Rajaonarimampianina sy ny Hvm (devoly) izy dia i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga -nanasoa azy na tiana na tsia- indray ny nataony lasibatra.
Izany fanenjehana tsy dia mari-pototra loatra dia aminâny alalĂ nâireo gazety ao anatinâilay orinasa RLM Communications etsy Ankorondrano, vatsianâi Mbola Rajaonah vola (Le Citoyen, La Ligne de Mire, Triatra, La Chasse Infos, 24h Mada). Fa taty aminâny mpanao gazety zokiolona moa ry zalahy ireo no nitonantonana fanoratra dia izao ny vokany: miahaka tanteraka ny toetranâi Rolly Mercia noho ny nataony ihany. Aiza ve dia ny zavatra nataony sy noteneniny indray no ho rarany ary hanasaziana mpanao gazety aminâny fanetsehana ny tribonaly? Miampy izany ny fanampenam-bava aminâny alalanâny fanakatonana haino aman-jery sy ny tsy hanomezana karatra ireo mpanao gazety manao ny «interpellation», ny manao «critiques» (vakio tsara ny filazany momba ireo) satria dia lasa tsy gazety indray ny ao aminâny Internet toa ity madagate.org ity. Misy tsy milamina mihitsy ny ao an-tsainay ao. Marina moaâŠ
Ny Filoha Rajaonarimampianina mihitsy aza no miaiky fa ny mpitondra dia mandalo fotsiny ihany ka inona no ho ataonâio Rolly Mercia io rehefa injay tsy filoham-pirenena intsony i Hery vaovao sy ny Hvm ka tsy maintsy hovana daholo ireo fepetra rehetra mamono ny fanaovan-gazety sy ny tena fahalalana maneho hevitra eo aminâny tany sy firenena? Ka mandrapahatonga izany fotoana izany, izay tena hanaovanâny mpanao gazety matihanina lanonambe dia ireto ny teny re ao aminâny video mirakitra ny fandaharana tao aminâny Viva Tv, ny zoma 15 Desambra 2017.
Rolly Mercia tao aminâny radio Free FM 14.2, ny 24 Jona 2014:
« Sahala aminâny tenako: aleho dia ny tenako mihitsy no resahiko. Iza moa izao no afaka hilaza hoe tsy mba niasa mihitsy ity Rolly Mercia ity taminâny fampandaniana anâity Rajaonarimampianina ity? Inona izao ny heloka mba nataoko taminâizany Hery Rajaonarimampianina izany? Kanefa dia resaka moa izany: io dia izao satria hoe miaraka aminâi Andry Rajoelina. Izay izany ny heloka natao: miaraka aminâi Andry Rajoelina. Izay fotsiny ihany ny heloka natao izany aminâireo ka rehefa izany: na niasa io na tsy niasa io nandritra ny telo taona naha minisitra azy, na niasa be ary io nanao ilay propagandy, tsy ilaina io fa mandehana mandeha any. Ary tsy vitanâny mandehana mandeha any fa fanaratsiana sy fanenjehana ohatra ny tena indray no devoly. Dia manontany aho aminâizao fotoana izao satria volana vitsy vitsy izay no ntitsangananâilay governemanta sy dimy volana teo no nitondranâilay Rajaonarimampianina ny firenena : iza izao ny tena devoly? Manontany anâizany no mahatonga hoe mba tonga aminâ izay ny fotoana isehoana tsindraindray, hiresahana satria manana adidy ny tena. Ny firenena tsy avela fotsiny entina antokonâolona any anaty hady ohatranâizany, na inona ny toerana misy azy.
Zon-tsika olom-pirenena tsotra, zonâny mpanao gazety ny manao ny «interpellation», ny manao «critiques» sy ny rehetra ka tsy miambahamba no manao izany. Ho anâizay tsy mahalala: ao anatinâio prezidansy io mantsy misy gasy voatonga, tsy ainâny inona ny fomba taloha tany ataonâny mpanao gazety sy rehetra rehetra ato aminâity firenena ity, dia mbola manamafy izahay fa an an an tsy vao izao no nanaovana izany fa efa hatraminâizay no nanaovana izany, raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika ary manitsy aminâny fomba mivantana, tsy miambahamba ary zavatra marina no resahina ».
Tsy nenjehinâi Vonison Andrianjato, minisitry ny Serasera taminâio fotoana io, izy. Fa ity farany moa no nipoiranâilay lalĂ na mamono ny asan-gazety eto Madagasikara («Loi n°2016-029 portant le code de la communication mĂ©diatisĂ©e») ary nijanona nanaraka ny foto-pisainana Hvm hatraminâny farany. Izany hoe mandrapa voadaka azy rehefa vita no nilana azy, ny tapaky ny volana avrily 2017. Ny nenina aoriana no mandatsa azy izao ⊠Nefa tena mba niady mady ho anâny fitondrana Hvm anie ity Andrianjato ity taminâilay fandaharahana hoe «Ady Gasy» tao aminâny Tvm e!
Ny 13 Desambra 2017 dia namoaka fanambarana amina teny frantsay be diso (io ambony io) i Rolly Mercia, izay tafaverina minisitra ny 20 avrily 2017, fa misy, hono, mpanao gazety manararaotra ny fahafahany maneho hevitra («libertĂ© de presse et libertĂ© dâopinion») ka tsy fotoananâny fampitandremana intsony izao fa anjaranâny fitsarana aminâizay ny miditra an-tsehatra, hanasazy ireo izay misy mitory. Izany hoe ny «dĂ©lit de presse» tsy mampigadra dia hivadika ho «dĂ©lit de droit commun» mampigadra sy mampandoa lamandy tsy toko tsy foroana. Tavela teo ny «raha vao misy ny mibolila dia manitsy isika ary manitsy aminâny fomba mivantana, tsy miambahamba ary zavatra marina no resahina». Mora aminâny mpitsara sasany ny mamadika ny zava-drehetra ho lasa «atteinte Ă la sĂ»retĂ© de lâEtat» sy «atteinte Ă la vie privĂ©e» toy izay manjo anâi Stefano aminâizao fotoana izao, nefa resaka sary namboarina no nataony. Tena mahafaty tokoa ny ambom-po diso toerana e!
Ka dia miankina aminâi Rolly Mercia sisa ny ho tohiny. Tokony tsy ho adinony fa aminâny maha mpanao gazety matihanina nandritra ny 33 taona ahy, dia manana «bala» maro aho hanazavana ny sainâny rehetraâŠ. Ka tsotra ny toro-hevitro: atsaharo ny fankahalana fahatany noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra; hatsaharo ny famonoan-tena ara-politika ary hatsaharo ny famonoana ny asan-gazety eto Madagasikara. Manaova izay hilaminanâny fifidiana ny filohanâny Holafitra (OJM) vaovao tsy asiana fikafika mampisara-bazana ka terena hanana foto-pisainana Hvm daholo ny mpanao gazety rehetra. Ny vola be tsy hentina any aminâny MausolĂ©e velively fa ny taranaka foana no ho rakotry ny henatra sy ny ozonâny vahoaka. Raha minia manohy moa dia manasa tanĂ na aho, eny na dia any am-ponja aza. Misaotra mialoha. Ity misy soso-kevitra: aza asiana fifidianana fa mpiasanâny Tvm na Rnm tendrena PDSâny OJM e! Fa ny anay dia ATO ny hevitray.
Jeannot Ramambazafy â 16 Desambra 2017