]
Les quotidiens du 03 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Plan Marshall. F’inona tokoa moa izy io ?

Plan Marshall. F’inona tokoa moa izy io ?

Notenenin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny Alahady 14 Jona teo, ny hoe «Plan Marshall». Taorian’izay dia tokony mba « nihetsika » ny tomponandraikitra misahana ny serasera («communication») ao amin’ny Prezidansy mba nanome fanazavana mikasika izany « Plan Marshall » izany. Tsy ho sasatra mihitsy aho ny hiteny fa tsy ny Malagasy rehetra akory no afaka mijery Internet. Ary raha manana Facebook ianao ao amin’ny smartphone-nao tsy voatery afaka mijery Internet avy hatrany. Misy vola amboniny tsy maintsy aloha.

Fa raha mikasika ny « Plan Marshall » dia niandry an’i Paoly tokoa ny rehetra fa tsy nisy mihitsy izany fanazavana izany amin’ny fomba ofisialy ary indrindra amin’ny teny malagasy mazava. Aiza moa no tsy handeha be ny tsaho isan-karazany momba io planina voalaza sahady fa mitenina 1.043 milliara ariary io ? Volabe anie izany e ! Misy mpanao gazety aza, efa aman-taonany no nanao io asa io, tsy mahay manoratra azy fa nataony hoe « Plan Marchal ». Tsy misy mibedy na manitsy e… Dia hitovy amin’ilay hoe « choléravirus » ny resaka niafarany. Mety mampihomehy fa kosa ny iray « matihanina », ary ny faharoa vehivavy tsy nahita fianarana lavitra loatra.

Fa tena mbola mibaribary hatrany, ary hatreto, fa tsy manatontosa ny andraikitra tokony sahaniny mihitsy ny tomponandraikitra manodidina ny Filoha Rajoelina izay heverin’ireo fa hanombe baiko azy ireo foana, eny na ny amin’izany aza. Tena fomba fitantanana tamin’ny fanjanahana frantsay anie izany e ! (« Administration coloniale française : un fonctionnaire est fait pour fonctionner et non pour réfléchir et/ou donner des idées et prendre des initiatives»). Nilaozan’ny toetr’andro izany.

Filoha mbola tanora, misoka-tsaina amin’ny rehetra ary miandry sosokevitra avy amin’ny rehetra ihany koa anie i Andry Rajoelina fa toa tadiavianareo tehirizina ho anareo irery amina hevi-diso sy « Oui, Monsieur le Président » hatrany, kanefa hafa no atao any amin’ny fiarahamonina any… Efa nasian’ny namana Jesy Rabelalao resaka ny mikasika io lesoka be io ka tsy ivalamparako eto. Sa kosa tianareo ho lazaina fa tsy azo resahina sy tsy refesi-mandidy izy fa ny azy ihany no azy ? Asa, fa manoloana izany lesoka lalina izany dia noraisiko adidy sy andraikitra ny manazava ny atao hoe «Plan Marshal» izany. Iza ? Avy Aiza ? Inona ? Oviana ? Antony ? Ndao ary.

Ny atao hoe «Plan Marshall» dia fomba fampindramam-bola amerikana ho an’ireo firenena miisa 16 ao Eoropa izay rava sy potika teo amin’ny lafiny maro noho ny Ady Lehibe faharoa (World War II : 1939-1945). Ny tena anarany marina dia hoe « European Recovery Program » na ERP, izay midika amin’ny teny malagasy hoe : Praograma fanarenana ny Eoropa. Fa avy aiza ary io hoe Marshall io ? Izy io dia anaran’ny Jeneraly George Catlett Marshall, Sekreteram-panjakana amerikana («United States Secretary of State»), sady lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika amerikana no nisahana ny Raharaham-bahiny, fony Andriamatoa Harry S. Truman (1884-1972) no filoham-pirenena amerikana faha-33, teo anelanelan’ny taona 1945 sy 1953.

Tsara ho fantatrareo, ry mpamaky hajaina, fa misy dimy ny olom-pantatra, azo atao hoe malaza, mitondra io anarana George Marshall io. Dia : George Frederick Leycester Marshall (1843-1934), Anglisy mpikolokolo ny zavaboary ; George Marshall (1891-1975), Amerikana mpanatontosa sarimihetsika ; George Herbert Marshall (teraka ny taona 1877 fa tsy fantatra ny daty nahafaty azy), sady Grika no Anglisy, mpanao fanatanjahantena sy tennis ; George Marshall (teraka ny taona 1964), Anglisy mpikolokolo ny tontolo iainana ary ny Jeneraly resahintsika eto, dia George Catlett Marshall (1880-1959).

Raha ny tantara marina dia mpanao gazety anglisy telo, tamin’izany vaninandro izany, no nahatonga io planina fampindramam-bola io nitondra ny anaran’io Jeneraly Marshall io, taorian’ny nandrenesan’izy telo ireo ny fanambarana nataony tao amin’ny Oniversite ao Harvard, ny 5 Jona 1947. Hoy izy mantsy tamin’izany, amin’ny anaran’ny firenena amerikana : « It is logical that the United States should do whatever it is able to do to assist in the return of normal economic health in the world, without which there can be no political stability and no assured peace. Our policy is directed not against any country or doctrine but against hunger, poverty, desperation and chaos ». Ny dikany amin’ny teny malagasy dia : " Lojika raha manao arak’izay eo am-pelatanany sy araka ny fahefany ny Etazonia hanampiana ny fiverenan’ny fahasalamana ara-ekonomikan’izao tontolo izao. Raha tsy misy mantsy izany dia tsy hisy ny fahamarinan-toerana ara-politika, tsy hisy ny fandriampahalemana hitoetra. Ny politikanay dia tsy hiadiana amina firenena na amina ideolojia fa hiadiana amin’ny anoanana, amin’ny fahantrana, amin’ny famoizam-po sy amin’ny fisavoritahana ". Ireo teny ireo no notaterin’izy telolahy tao amin’ny radio BBC (« British Broadcasting Corporation ») ary nampitondrany ny anarany hoe «Marshall Plan» izany hoe Planina an’i Marshall na Planina novelabelaran’i Marshall.


Raikitra tamin’izany anarana izany tokoa io planina io ary ny 3 avrily 1948 dia nosoniavin’ny Filoha Harry S. Truman, ny «Foreign Assistance Act » izay manome alalana an’ny Etazonia manampy firenena ivelany, amin’izay fomba rehetra azo atao, ka tafiditra tamin’izany voalohany io « Marshall Plan » io. Ny ampitson’io fanaovan-tsonia io ihany dia raikitra ny fandefasana ireo fanampiana mafonja dia mafonja. Ireto avy ny firenena nahazo izany : Autriche, Belgique, Luxembourg, Danemark, France, Allemagne (RFA teo aloha), Grèce, Islande, Irlande, Italie, Norvège, Pays-Bas, Portugal, Royaume-Uni, Suède, Turquie.

Teo anelanelan’ny 3 avrily 1948 sy ny 30 jona 1952 dia vola mitentina 16,5 miliara dôlara no nampindramin’ny fanjakana amerikana an’ireo firenena miisa 16 ireo. Raha amin’izao taona 2020 izao dia tafakatra 173 miliara dôlara io vola io. Fa nanaovana inona tokoa moa izany vola izany, raha fintinina ? Ny 20 septambra 1947, tao amin’ny Hôtel Talleyrand ao Paris, France, dia nanao sonia fifanarahana ireo firenena ireo fa : manaiky ny fampindramam-bola avy any amin’ny fanjakana amerikana hividianana fitaovana isan-karazany fa tsy maintsy « made in U.S.A. », izany hoe vita any Etazonia. Aleho soratako teny frantsay mazava ny momban’ilay fifanaraha dia mitadiava ianareo mpandika teny, hialana amin’ny tsaho sy resaka adala tsy ho laozan’ny sasany atao. Zony izany fa ny marina, marina ihany… « Les milliards débloqués ne sont pas un don mais un prêt accordé par des banques américaines avec une garantie des États-Unis. Le mécanisme retenu consistait à fournir un crédit à un État européen. Ce crédit devait servir à payer des biens et services provenant des États-Unis. L'État européen bénéficiaire encaissait, en monnaie locale, le produit des ventes de ces importations sur son marché national, ainsi que les droits de douanes afférents ».

Tsy maintsy hisy hiteny hoe : fetsy ny Amerikana. Marina izany. Fa ireo firenena miisa 16 ireo moa aiza ho aiza raha oharina amin’ity Madagasikara ity, amin’izao fotoana izao (ivelan’ity areti-mandoza covid-19 ity) ? Nefa mba be ihany anie ny vola nomen’ny vahiny tao anatin’ny izay 60 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’ity Nosy ity e !? Nankaiza avy ary nanaovana inona ? Tsy nisy nitondra izany volabe tokony nanasoavina ny firenena malagasy izany any am-pasana akory, mino izany isika… Rehefa misy moa ny ady tsy maintsy misy ny mandresy fa ao koa ny resy. Ny taona 1964 ary, tena niaiky tanteraka Ingahy Konrad Adenauer, Chancelier nialohan’i Angela Merckel ao Allemagne ankehitriny, nilaza fa «teo amin’ny Tantaran’ny zanak’olombelona dia angamba voalohany izao no nisy firenena mpandresy nanome tànana firenena resy» («C’est probablement la première fois de l’Histoire qu’un pays victorieux tend la main pour relever celui qu’il a vaincu»). Tsiahivina eto fa nahazo ny « Prix Nobel de la Paix » ny Jeneraly George C. Marshall ny taona 1953 satria tena nanavotra ny Eoropa tokoa ilay planina mitondra ny anarany. Ary ny taona nahafatesany, 1959 izany, dia nahazo ny «Prix international Charlemagne d'Aix-la-Chapelle » na koa «Internationaler Karlspreis zu Aachen» noho ny fahombiazan’ny planina fanarenana ny Eoropa mitondra ny anarany.

Ny eto Madagasikara dia tsy mahay mipetraka mihitsy ny resy fa tena lasa aretina ny fanakianana fahatany izay rehetra ataon’ny mpitondra. Dia mandany vola sy fotoana mihitsy anie mamorona izao karazana « fahamarinana » tsy mitombona akory rehefa tena karohina ny tena fotony. Ny loza dia tsy mahala izany hoe henatra izany intsony ry zareo. Ohatra iray fotsiny ity ary mikasika ny Rovan’Antananarivo. Tsy tahotra tsy henatra akory ry Andriamanalina Fidy Valisoa sy Mektoub Omar El Camille masahy manoratra sy manao sonia (ny 04 jona 2020) fa « noravana ireo sisa tavela tamin’ny Lapa Masoandro, izay tsy azo atao ». Asa, karazana andriana sy printsy inona itony manao fanahy iniana mandiso ny tantara itony. Ity ny marina mikasika io Lapa Masoandro io, sokafo tsara ny maso : nisy tokoa izany hoe Lapa Masoandrotsiroa izany teo amin’io toerana io ary tao ny Mpanjakavavy Ranavalona III no monina. Biriky sy mololo no nanamboaran’ilay frantsay William Pool azy.

Fa ny taona 1892 dia nanapakevitra i Ranavalona III fa ho ravana ka ho soloina Lapa Masoandro vaovao. Ny frantsay Bouts sy Rigaud no nanankinan’ny Mpanjakavavy hanangana izany lapa vaovao izany, ary fototra amin’ny « béton » no nampiasain’izy ireo. Ny taona 1893 no nanomboka ny asa ary tsy vita intsony satria samy mahalala isika fa tonga ny taona 1896 dia lasa zanatany frantsay i Madagasikara ary natao sesin-tany ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Ny fototra « béton » sisa no tavela teo. Ka aiza ho aiza ary ny hoe «noravana ireo sisa tavela » nolazain’ireo karazan’olona tsy manaja akory ny teny nieranan’ny samy andriana ireo ?... Jamban’ny inona loatra re ?

Raha iverenana ny « Plan Marshall » dia tsy inona akory izany ilay izy fa fomba ara-bola afahana manarina firenena potiky ny ady ao anatina fotoana fohy ka Fanjakana no miantoka ny famatsiam-bola. Tsy «Plan quinquennal» io, tsy «financements parallèles» io, tsy Map («Madagascar Action Plan») io, tsy Fisandratana io, tsy Iem («Initiative pour l’Emergence de Madagascar») io fa tena tolotra maty paika mipetraka eo amina fahaiza-mitantana voarindra sy tsy misy fanodikodinana. Eto Madagasikara, tsy nisy ny ady fa raha oharina amin’ireo taona 1960 ny fiainana amin’izao taona 2020 izao, dia latsaka ao anatin’ny lavaky ny fahantrana lalina dia lalina ilay Nosy nomen’Andriamanitra ny vahoaka malagasy. Nisy tompon’antoka teo ary, indrisy, izay mbola velona no mitabataba indrindra, ny sasany… Azy ny azy fa ho ratsy fiafarana hatrany…


Hoy ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny alahady 14 Jona 2020 tao amin’ny Tvm : « Misy vola mitentina 1.043 miliara ariary ho zaraina amin'ny faritra rehetra tsy ankanavaka, hanamboarana hopitaly, sekoly, sns ». Manomboka eto izany isika, miandry ny fanazavana lalin-dalina kokoa avy amin’ireo tomponandraikitra mivantana tokony hampitovy ny tadin-dokangany fa tsy hitady ranondranony. Raha fanaja ny mpitondra (fa tsy ilaina tenenina koa izany isakin’izay mahatsihahy) dia ny vahoaka no tompoina fa tsy olon-kafa akory. Ary tsy miandry ny kiana tsy maintsy hisy vao mikoropaka ! Satria lasa mirediredy toa mpanohitra mihitsy ny sasany satria tsy fanazavana no mipoitra fa famonona afo. Mafy mihitsy ve izany very seza izany e !? Ny marina, ilay tombontsoa azo avy amin’izany fahefana izany. Rehefa tena voafehinareo ny asanareo tokony tsy matahotra izany voaraoka izany mihitsy. Eny e, nisy ny « bonbons sucettes » fa mino ve ianareo fa io minisitra io irery no nahavita namoaka izany vola 8 milliara ariary izany ? Nefa mbola ao amin’io ministera io ireo tena fositra, tsy voakitika. Raha izany leiretsy no mitohy dia na i Jesosy aza no mitondra ity firenena ity, mety tsy ho tafavoaka an ! Satria, hoy ny sasany. Satria, olombelona nofo sy rà. Efa hoe hahita tenenina foana !

Jeannot Ramambazafy - Nivoaka koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", Alarobia 17 Jona 2020

TSINDRIO ETO HO LEHIBE KOKOA


Mis à jour ( Mercredi, 17 Juin 2020 07:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO