]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier RICHARD RATSIMANDRAVA. FAMOTORANA INONA INTSONY MOA NO HO ATAO ?

RICHARD RATSIMANDRAVA. FAMOTORANA INONA INTSONY MOA NO HO ATAO ?

Nifoha maraina be mihitsy aho androany 11 febroary 2022. Ary tonga dia fisaorana an'Andriamanitra no nafahako mijery ny masoandro mibaliaka avy any Atsinanana ao anatin'ny fotoan'ny rivo-doza izao.

Nanaovako ny satroka nentin'ny zafikeliko vavy niofana US Marine tany Parris Island, nosalorako ny T-Shirt misy soratra amin'ny teny anglisy fa Voninahitra ho ahy no maha Papabe ana US Marine roa be izao dia Yael sy Yoan. Ao koa anefa i Aiky izay miaramila tatsambo ao amin'ny US Navy.

Toa resaka miaramila daholo izy izany, hoy ianareo ? Tsy kisendrasendra satria 47 taona androany no namonoan'ny sasany ny Kolonely Richard Ratsimandrava teo amin'ny faha 44 taonany (31 marsa 1931 - 11 febroary 1975).


Azo atao hoe maty tanora izy satria izaho manoratra izao dia 68 taona amin'ity taona 2022 ity.

Toa ny nampamonoan'ny sasany ny Filoha Amerikana John F. Kennedy -maty nisy nitifitra tao Dallas ny 22 novambra 1963- dia ho sarotra no ahafantarana izay tena nampamono an'ny Kolonely Ratsimandrava. Ny ankamaroan'ny vavolombelona tamin'izany koa moa efa nodimandry daholo...


Fahatsiarovana olona tsotra sy mahitsy ary marina no tadidy ary tsy maintsy velomina ao an-tsain'ireo tanora malagasy hifandimby. Misy teny frantsay milaza hoe : "Ce sont toujours les meilleurs qui partent les premiers". Tena anisany Richard Ratsimandrava.

Fa mandinika aho dia izao no tsapako : tsy nitondra n'inona n'inona hampandroso ho ana firenena iray ny famonoana ara-politika ("assassinat politique"). Maty nisy nitifitra, ny 15 oktobra 1987, ny Kapiteny Thomas Sankara nitondra ny Burkina Faso, niofana tao amin'ny ACMIL ("Académie militaire d'Antsirabe"). F'inona moa ny zava-nitranga tao amin'io firenena io vao aingana ?

Koa aza adino ary ry mpamaky hajaina izao lalana ho diavin'ny zanakolombelona tsirairay tsy ankanavaka : teraka, miaina, maty. Ny fotoana hiainana eto amin'ity tany fandalovana ity no samy manana ny faharetany.

Ny fanontaniana tokony mipetraka eo amin-tsika tsirairay dia : inona no lova tsara indrindra hapetrako ho an'ny taranako ?

Ny an'ny sasany moa dia efa mazava, fa mety ho marina ny azy ireo, satria tsy ho entiny any am-pasana tokoa ny fankahalana, ny fialonana, ny tsy fitiavana ny hafa, ny alako bika tsy tiako tarehy, ny saina sy ny toetra ary ny fanahy ratsy. Mahavariana anefa fa miseho mpihino be ry zareo ireo.

Fa dia eto an-tany tokoa izy zareo aloha no miezaka mafy mampiatra ireo rehetra ireo.

Mazotoa ary.

Ny mampalahelo dia lasa toetra ratsy manaranaka ireo ("tares héréditaires"). Satria ozoniny fotsiny izao ireo zanany tsy nangataka ny ho ety an-tany. Fa tsy aty amiko mihitsy izany no hifindra na oviana na oviana. Mbola ho tratry ny aloka ianareo na dia tsy misy famotorana aza... Famonoan-tena ny anareo.

Izay no mitondra antsika amin'ny ampahan'ny tononkalo nosoratan'i Rado hoe :

EFA ATAO NY FAMOTORANA

Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina

ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina:

Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana

Saingy mahandrasa kely f'efa hatao ny famotorana.

Io ny lapan'ny tanĂ na, kila rava fa nodorana

fa izao no teny re : efa atao ny famotorana

Maty koa Ratsimandrava, tapi-dĂ lana nizorana,

fa izao no teny re: efa ato ny famotorana.

Forehitra Andafiavaratra, ny tenanao nagorangorana,

fa mbola izao no teny re : efa atao ny famotorana!

Kila koa Anatirova, tomany isika torantorana,

fa mbola izao no teny re : efa tao ny famotorana.

Efa tao ny famotorana? taona firy lasa izay?

Tsy nisy valiny mba re, fa ny may dia tena may!

Ireo izay fototry ny afo, angamba tojo famotsorana;

Hany ka tsy nisy re ny vokatry ny famotorana!

(...)

RADO

47 taona lasa izay. Araky ny lohatenin'ity lahatsoratro ity : famotorana inona intsony moa no atao? Tsy efa lasan-korazana koa ve ny mpaniraka ? Ny mametraka fehim-boninkazo etsy Ambohijatovo ambony isan-taona toa izao ny any sisa atao ho fahatsiarovana ity Rain'ny Fokonolona ity.

Nankaiza marina tokoa moa io rafitra tena malagasy io raha ny sefom-pokontany aza, hatramin'izao fitondran'ny Filoha Andry Rajoelina izao, tsy voafidy fa tendritendrena eny any ka manao izay saim-pantany tokoa ny sasany ?...

Mandria am-piadanana, Mon Colonel (nakarina Général de Brigade à titre posthume ny 15 jona 1975).

Jeannot RAMAMBAZAFY

Zoma 11 febroary 2022

Mis Ă  jour ( Vendredi, 11 FĂ©vrier 2022 09:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety