]
Les quotidiens du 01 May 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagasikara. Vola mitentina 100 tapitrisa $ no omen’ny governemanta amerikana hanatsarana ny fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinana

Madagasikara. Vola mitentina 100 tapitrisa $ no omen’ny governemanta amerikana hanatsarana ny fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinana

Michael P. Pelletier, Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro, sy ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina teny Iavoloha

Tetikasa vaovao telo an’ny USAID no hitondra fanampiana ara-tsakafo mivantana sy vahaolana maharitra


Iavoloha, Alatsinainy 14 Desambra 2020. Teo anatrehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nanambaran’ny Ambasadaoro amerikana Michael P. Pelletier tamin-kafaliana ny tetikasa vaovao telo vatsian'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) vola ka itondran’i Etazonia 100 tapitrisa dolara fanampiny hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Amin'ny alàlan'ireo tetikasa ireo ny governemanta amerikana no hiara-miasa akaiky amin'ny fanjakana malagasy ka hamaly ny filana maikan’ireo fianakaviana tratry ny hanoanana, ary hitondra vahaolana maharitra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy.

Nilaza ny fahitany ny olana sy ny fanamby any amin’ny faritra tena voa mafy any atsimo ny Ambasadaoro Pelletier izay vao avy nanao fitsidihana tany an-toerana, ary nanamarika ny fahombiazan’ny fanampiana amerikana izay iaraha-mandrindra amin’ny governemanta sy ireo mpiara-miombona antoka. Nanamafy izany tamin’ny ohabolana malagasy malaza izy ka nilaza hoe: "Mpirahalahy mianala isika; ianao tokiko, izaho tokinao".(Eto ny Kabarin'ny Ambasadaoro Pelletier manontolo)

Nandritra izay folo taona lasa izay i Etazonia dia nanampy ny fanjakana sy ny vahoaka malagasy niatrika rivodoza, pesta, kitrotro sy ny COVID-19. Hatramin’ny taona 2015 ny governemanta amerikana no mpamatsy lehibe indrindra fanampiana ara-tsakafo sy fitaovam-pambolena ho an’ny faritra atsimon'i Madagasikara, nanome vola mitentina 100 tapitrisa dolara ho fanampiana amin’ny hamehana.


Araka ny paikadin'ny fanjakana malagasy ho famahana ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, ireto tetikasa telo vaovao an’ny USAID ireto dia tsy vitan'ny hoe mitondra fanampiana ara-tsakafo maika fotsiny, fa hamolavola vahaolana maharitra ihany koa ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Ny tetikasa Firangà an'ny USAID dia hitondra fanampiana vonjy maika mitentina 10 tapitrisa dolara ho an'ny mponina maherin’ny 222.000 any amin'ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy izay tena voa mafy. Ity tetikasa ity dia hitsabo ihany koa ny vokatry ny tsy fahampian-tsakafo eo amin'ny zaza latsaky ny dimy taona. Ny Catholic Relief Services no hanatanteraka ny tetikasa Firangà.


Ny tetikasa fampandrosoana Maharo an’ny USAID, izay maharitra 5 taona ary mitentina 45 tapitrisa dolara, dia hiantoka ny filana ara-tsakafo maharitra ho an’ny mponina marefo maherin’ny 279.000 ao Atsimo Andrefana sy Androy, hanatsara ny fahasalamany, ary hanamafy ny sandan-tohatr’izy ireo sy ny fari-piainany. Eo amin’ny fohy ezaka, ny tetikasa Maharo dia hitondra fanampiana maika ho an'ireo fianakaviana marefo. Ny Catholic Relief Services ihany koa no manatanteraka ny tetikasa Maharo..

Ny tetikasa fahatelon’ny USAID dia ny tetikasa Fiovana izay maharitra dimy taona sy mitentina 45 tapitrisa dolara, ary entina hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny mponina maherin’ny 428.000 any amin'ny faritra Vatovavy-Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Ny Adventist Development and Relief Agency no hanatanteraka ny tetikasa Fiovana.


Ireo tetikasa rehetra ireo dia hiara-hiasa akaiky amin'ny fanjakana malagasy eo amin’ny fiatrehana ny hain-tany sy ny asa fampandrosoana lavitra ezaka. Ny tetikasa dia mifanindran-dàlana ihany koa amin'ireo tetikasa vonjy taitra mitentina maherin’ny 10,5 tapitrisa dolara izay vatsian'ny governemanta amerikana vola ary tanterahan’ny Programme Alimentaire Mondial sy ny UNICEF, ahitana fanampiana ara-tsakafo milanja 8.330 taonina sy fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy madinika, mitentina 2,5 tapitrisa dolara.

Efa 36 taona izao ny governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny USAID, no miara-miasa amin'ny fanjakana malagasy sy ireo mpiara-miombon'antoka eto an-toerana, manatsara ny fahasalamana sy fiaimpiainan’ny vahoaka malagasy. Tamin'ny taon-dasa dia nitentina 114 tapitrisa dolara ny fanampiana nentin’ny USAID, ka ny 62 tapitrisa tamin’izany dia teo amin’ny sehatry ny fahasalamana izay i Etazonia no firenena mpanome fanampiana lehibe indrindra. Ny 52 tapitrisa dolara ambiny kosa dia nanampiana tetikasa isan-karazany ho fampandrosoana ny toekarena sy ny asa, fiarovana sy fampivelarana ny harena voajanahary sy ny maha olona, ny harena an-dranomasina sy ny ala, ary fampiroboroboana ny fambolena lovain-jafy sy ny fanjarian-tsakafo.

100 tapitrisa $ avy amin’ny governemanta amerikana itondrana fanampiana maika ara-tsakafo sy vaha olana maharitra amin’ny alalan’ny tetikasa telo vaovao an’ny USAID.


TETIKASA VAOVAO

Tetikasa vaovao an’ny USAID miisa telo mitentina 100 tapitrisa $ no hitsinjovana maika ny filan’ny ankohonana tratry ny hanoanana sy itondrana vaha olana maharitra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo sy atsimo atsinanana.

TETIKASA ARA-TSAKAFO HO AN’NY FAMPANDROSOANA: MAHARO SY FIOVANA

Ny tetikasa fampandrosoana Maharo sy Fiovana an’ny USAID Madagascar, izay vatsian’ny Bureau for Humanitarian Assistance an’ny USAID vola mitentina 90 tapitrisa $, dia mampiasa fomba maro hampandrosoana ny fambolena, ny fitantanana, ny fivelomana, ny fahasalamana ary ny fiomanana amin’ny loza mba hiatrehana ny tsy fanjarian-tsakafo raiki-tampisaka sy mahery vaika.

Azo atambatra ho telo ny lahasa: Fahasalamana sy Fanjarian-tsakafo; Fambolena sy Fivelomana; ary Fanalefahana sy Fiomanana amin’ny Loza. Ahitana lafiny fanomezam-pahefana ny vehivavy, tanora, sy fitantanana ny singa tsirairay. Catholic Relief Services (CRS) no mpanatanteraka fototra ny tetikasa Maharo izay hotanterahana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ary hanampy mponina maherin’ny 279.000. Ny Adventist Development and Relief Agency (ADRA) indray kosa no mpanatanteraka fototra ny tetikasa Fiovana. Hotanterahana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy-Fitovinany ny tetikasa ary hanampy mponina maherin’ny 428.000.


Tanjon’ny tetikasa Maharo

- Fanampiana ireo tena marefo amin’ny asa sosialy sy harato fiarovana

- Fanatsarana ny fanjarian-tsakafon’ny vehivavy bevohoka sy mampinono, ny zatovo sy ny zaza latsaky ny dimy taona

- Fanomezana fahafahana hihary ho an’ny tena mahantra sy ny ankohonana ahitana vehivavy, tanora sy olona manan-kilema

- Fanatsarana ny fahafahan’ny fianakaviana, vondron’olona sy fikambanana miaritra ny loza sy ny vokatry ny toetrandro

Tanjon’ny tetikasa Fiovana

- Fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalaman’ny vehivavy, ny zatovovavy, ny zazakely

- Fampitomboana ny vola miditra mba ahafahan’ny mponina mividy sakafo sy kojakoja ilaina, ary manangom-bola

- Manentana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny sosialy sy ny tontolo iainana ary ny fiomanana amin’ny loza

NY TETIKASA HIATREHANA HAMEHANA FIRANGA

Ny tetikasa Firangà dia hitondra fanampiana ara-tsakafo iatrehana ny hamehana, miaraka amin’ny tetikasa fampandrosoana Maharo izay tanterahan’ny CRS. Distrika enina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no hanatontosana ny Firangà: Tsihombe, Beloha, Ampanihy, Toliara II, Sakaraha sy Morombe. Vahoaka maherin’ny 222.000 no hisitraka ny tetikasa izay mikendry ny hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny fidirana an-tsehatra eo amin’ny lafiny roa:

- Fanampiana ara-tsakafo iatrehana ny hamehana

- Fanohanana ara-tsakafo hisorohana sy hitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo antonony na mahery vaika eo amin’ny zaza latsaky ny dimy taona.


TETIKASA IATREHANA HAMEHANA EFA MIASA ANY ATSIMON’I MADAGASIKARA

Tetikasa iatrehana ny hamehana mitentina 10,5 tapitrisa $ no vatsian’ny governemanta amerikana amin’izao fotoana izao, izay tanterahan’ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) sy UNICEF, ahitana fanampiana ara-tsakafo amin’ny hamehana milanja 8.330 taonina ho an’ny vahoaka marefo maherin’ny 350.000, ary fitsaboana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza miisa 64.000.

Efa hatramin’ny taona 2015 ny governemanta amerikana no mpanome fanampiana ara-tsakafo sy fitaovam-pambolena lehibe indrindra any atsimo, mitondra fanampiana amin’ny hamehana mitentina maherin’ny100 tapitrisa $ ho an’ny vahoaka malagasy maherin’ny 1,5 tapitrisa hiatrika ny haintany mahery vaika izay mianjady amin’ny faritra atsimon’ny Nosy.

Tena mahery vaika ny haintany tamin’ity taona ity, ary vonona lalandava ny governemanta amerikana hiatrika izany eo anilan’ny fanjakana sy ny vahoaka malagasy.

MOMBA NY FIARAHA-MIOMBONA ANTOKA

Efa 36 taona izao ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), no miara-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ny mpiara-miombona antoka eto an-toerana manatsara ny fahasalamana sy mampiroborobo ny fiainan’ny vahoaka malagasy.

Nandritra izay folo taona laza izay, dia nijoro hatrany teo anilan’ny fanjakana sy ny vahoaka malagasy ny governemanta amerikana, niatrika ny rivodoza, ny pesta sy ny kitrotro, ary nandritra ity taona nanahirana ity, niady tamin’ny valan’aretina COVID-19.

Ohabolana malagasy malaza iray no mahafehy ny fiaraha-miombona antoka eo amin’i Etazonia sy Madagasikara: Mpirahalahy mianala isika; ianao tokiko, izaho tokinao (Michael P. Pelletier, Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro).

Marihina etoana fa tamin'ny taon-dasa dia nitontaly 114 tapitrisa $ ny fanampiana nentin’ny USAID, ka ny 62 tapitrisa tamin’izany dia teo amin’ny sehatry ny fahasalamana izay i Etazonia no firenena mpanome fanampiana lehibe indrindra. Ny 52 tapitrisa dolara ambiny kosa dia nanampiana tetikasa isan-karazany ho fampandrosoana ny toekarena sy ny asa, fiarovana sy fampivelarana ny harena voajanahary sy ny maha olona toy ny harena an-dranomasina sy ny ala, ary fampiroboroboana ny fambolena lovain-jafy sy ny fanjarian-tsakafo.

Jeannot Ramambazafy - Harilala Randrianarison

Fisaorana ho an'ny USAID MADAGASCAR

Mis à jour ( Mardi, 15 Décembre 2020 05:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety