Â
Â
FANAMBARANA
Ny Fiadidiana ny Tetezamita dia naharay ny fanasana nalefan’ny FFKM momba ny fihaonana ho amin’ny Fampihavanana manomboka ny 3 jolay 2013.
Ny Filohan’ny Tetezamita dia manamafy fa ny hany lalana ivoahana amin’izao krizy politika izao dia ny fanatanterahana ny fifidianana.
Koa ny asa sy ezaka rehetra atao na avy aiza na avy aiza dia tokony hiompana mankany amin'izany fanatanterahana ny Fifidianana izany, ary tsy tokony hampitatra na hanalava ny Tetezamita, sady tsy hivaona amin'ny tondrozotra.
Ny Filohan'ny tetezamita dia manamafy hatrany ny fahavononany hifampidinika araka ny efa nataony hatramin'izay, rehefa mifanaraka amin'izany fotokevitra izany.
Noho izany, ny fivoriana heverina atao eny Ivato dia mila fifampidinihana hentitra sy matotra mialoha.
Antananarivo, faha 02 jolay 2013
Ny Fiadidiana ny Tetezamita
TRADUCTION LIBRE
DECLARATION
La Présidence de la Transition a reçu l’invitation du FFKM concernant la Réunion de la Réconciliation prévue débuter le 3 juillet 2013.
Le Président de la Transition réaffirme que la seule et unique voie de sortie de cette crise politique demeure la tenue des élections.
Aussi, tous les efforts menés dans ce sens par toutes les entités quelles qu’elles soient doivent se focaliser sur la tenue de ces élections, dans le respect de la feuille de route, mais ne pas consister en une démarche pour prolonger la période de Transition.
Le Président de la Transition réaffirme sa volonté d’aller vers la concertation, démarche qu’il a toujours effectuée depuis, à condition que l’ordre du jour se base sur cette tenue des élections et la non prolongation de la période transitoire.
Ainsi, cette réunion au sommet, prévue être organisée à Ivato, requiert mûres réflexions concertées au préalable.
Antananarivo, le 2 juillet 2013
La Présidence de la Transition