]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagascar-U.S.A.: fananganana governemanta vaovao aloha, hoy Robert P. Jackson

Madagascar-U.S.A.: fananganana governemanta vaovao aloha, hoy Robert P. Jackson

Ny Ambasadaoro Robert P. Jackson, miatrika ny mpanao gazety

Filazana avy amin’ny masoivohon’ny Etazonia eto Madagasikara

1 Aprily 2014


« Vonona izahay hijery izay ho fiaraha-miasa vaovao fa miankina betsaka amin’ny fananganana ny governemanta vaovao », hoy ny Ambasadaoro Robert Jackson

Nihaona tamin’ny mpanao gazety teto amin’ny tranon’ny Masoivoho Amerikana androany tolakandro Atoa Ambasadaoro Robert P. Jackson, Lefitry ny Sekreteram-panjakana Mpanampy Voalohany misahana an’i Afrika. Izy no vahiny amboly indrindra avy ao amin’ny Departemantam-pankana Amerikana nitsidika an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2010. Nambarany tamin’ireo mpanao gazety fa nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny sehatra samihafa teto amin’ny firenena izy nandritra ny andro vitsivitsy nivahinianany teto Madagasikara, anisan’izany ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimpampianina sy ny praiministra Omer Beriziky mba anorenana ny fototry ny fifandraisana vaovao eo amin’i Etazonia sy Madagasikara.


* « Miandry ny fananganana ny governemanta vaovao izahay alohan’ny hanafoanana ireo sazy
 Ireo fanambarana nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teto, anisan’izany izay nambarany tany Washington, D.C., dia maneho ny firosoana amin’ny fiverenana amin’ny demokrasia
 Vonona izahay hijery izay ho fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny governemanta sy ny hanitarana izany ». Nambaran’ny Ambasadaoro Robert Jackson fa nihenjana ny fifandraisana teo amin’ny firenena roa tonta taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ka nahatonga ny fanjakana amerikana hametraka ireo sazy nitarika ny fanesorana ny tombotsoa azon’i Madagasikara avy amin’ny AGOA (African Growth and Opoortunity Act sy ny MCA (Millennium Challenge Account).

Momba ny firaha-miasan’ny firenena roa tonta dia nambaran’ny Ambasadaoro Robert Jackson fa azo itarina izany satria na dia nandritra ny krizy aza dia mbola nahatratra 70 tapitrisa dolara ny fanampiana nomen’ny Governemanta Amerikana an’i Madagasikara teo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fambolena sy fiompiana. Raha namaly fanontaniana momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny tafika izy dia nambarany fa ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina sy ny fikajiana ny tiontolo iainana dia laharam-pahamehan’i Etazonia maneran-tany.


* Nous attendons la mise en place du nouveau gouvernement avant de lever les sanctions
 Les dĂ©clarations faites par le prĂ©sident Hery Rajaonarimampianina, ici et Ă  Washington D.C., semblent indiquer une avancĂ©e vers le retour de la dĂ©mocratie. Nous somme prĂȘts Ă  Ɠuvrer dans la recherche de nouveaux accords de partenariat Ă  Ă©largir avec le [nouveau] gouvernement.

Traduction de Jeannot Ramambazafy

 

Mis Ă  jour ( Mercredi, 02 Avril 2014 07:09 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...