]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagasikara OJM. "Avereno ifotony", hoy i Jean Luc Rahaga

Madagasikara OJM. "Avereno ifotony", hoy i Jean Luc Rahaga

RAHAGA Jean Luc
FANAMBARANA

Nangina tsy niteny ny tenako raha nivoaka ny Alatsinainy 10 Novambra 2014 teo ny vokatra ofisialy izay nolazaina fa tsy azo ivalozana. Raha izay tokoa no nitranga dia tsy ho nisy mihitsy ny savorovoro. Noeritreretina tokoa fa mpanao gazety matotra no nikarakara sy nitantana iny fifidianana iny tamin’ny alàlan’ny fanendrena avy amin’ny ministeran’ny Serasera, ny Fampahalalam-baovao ary ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana. Tsy izay anefa no niseho, niarahantsika nahita izany.

Noho izany dia :
- Lavinay, izaho sy ireo mpanao gazety an-jatony maro nanohana, ny voka-pifidianana tamin’ny asabotsy 08 novambra 2014 lasa teo iny. Teo amin’ny toeran’ny Sekretera jeneraly dia elanelam-bato roa monja no nanasaraka ny mpifaninana voalaza fa voalohany sy ny tenako. Raha toa ka nisy tany ho any isam-bato folo voalaza fa hita tampoka teo amin’ny toerana ny Filoha dia azo lazaina avy hatrany fa misy vato folo hafa na maherin’izany nafenina ihany koa tany ho any izay nisafidy ny tenako.

- Takiana ny famerenana hatramin’ifotony ny fikarakarana ny fifidianana. Ny voalohany dia ny mikasika ny lisi-pifidianana izay fantatry ny manana saina mahiratra fa feno hosoka. Nampidirina tao anatin’izany lisitra izany na ny mpamafa trano na ny mpamily amin’ny orinasa sasany. Eo ihany koa ny fanapahana ireo faritra ahitàna ny biraom-pifidianana ("découpage électorale").

- Taorian’ny fametram-pialan’ny mpikambana efatra tao amin’ny komity mpikarakara dia takiana ny fametraham-pialan’ireo mpikambana ambiny. Tsy ilaina ary tsy ekena ny fitsabatsabahan’ny mpitondra fanjakana sasany amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
« Ny mpanao gazety, olo-mendrika »

Natao teto Antananarivo, ny faha-12 novambra 2014.

RAHAGA Jean Luc
Mpanao gazety
Kandidà eo amin’ny toeran’ny Sekretera jeneraly

Mis Ă  jour ( Mercredi, 12 Novembre 2014 19:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30