]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Mahajanga Serasera. Nahomby ny fanangonan-tsonia norakakarain’ny MLE

Mahajanga Serasera. Nahomby ny fanangonan-tsonia norakakarain’ny MLE

HETSIKA HO AN’NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY

(Mouvement Pour la Liberté d’Expression)

****

FAMPITAM-BAOVAO

Fahombiazana ny fanangonan-tsonia natao tamin’ny olom-pirenena tany Mahajanga

Ny Zoma sy ny Sabotsy 11 Septambra 2016 lasa teo no natao teto Mahajanga ny hetsika fanangonan-tsonia manohitra ny fikasan’ny Fitondram-panjakana hampihatra amboletra ny Lalànan’ny Serasera vaovao (Code de la Communication Mediatisée).

Tonga marobe nanoina ny antsoin’ny Mpanao gazety avy eto Mahajanga sy ireo Mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny “Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety” (Mouvement Pour la Liberté d’Expression - MLE) ny olom-pirenena.

Teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga no nanaovana izany fanangonantsonia izany. Nandritra izay roa andro izay dia nahatratra 4.200 isa (Roan-jato sy Efatra Arivo) ny sonia voahangona tamin’izany. Tamin’io Sabotsy io dia tonga teto Mahajanga nanome tanana tamin’ny fanentanana ny olom-pirenena ny ekipan’ny “Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety”, izay notarihin’ny namana Mpanao gazety, avy any Antananarivo, Fetra Rakotondrasoa sy Lalatiana Rakotondrazafy. Tonga tany Mahajanga nampiseho fiaraha-mientana koa ny namana Mpanao gazety Fernand Cello avy amin’ny Radio Juputer any Andohan’Ilakaka.

Noho ny fangatahan’ireo namana Mpanao gazety avy eto Mahajanga no anton’izany. Izay rehetra nandray fitenenana dia samy nanipika fa : “mamono ny fahalalahana io Lalànan’ny Serasera vaovao kasain’ny Fitondram-panjakana hampiharina io. Tsy ny mpanao gazety irery ihany no iharan-doza eo anatrehan’izany fa ny olom-pirenena maneho hevitra sy manan-jo hahazo vaovao”.


Isan’ny tonga nanao fanentanana nitaona ny mponin’i Mahajanga hanao sonia i Hary Kalizy mpilalao sarimihetsika Malagasy sady Mpanao gazety teo aloha.

Ny hetsika fanangonan-tsonia manohitra ny fampiharana an’io Lalànan’ny Serasera vaovao io, dia mbola hitohy ka hisy ny fidinana ifotony eny an-tsena sy any amin’ireo Fokontany ao anatin’ny Kaomina Mahajanga Renivohitra. Ny Mpanao gazety avy eto Mahajanga no hanatontosa izany.

Eo anatrehan’izany, fanohanan’ny vahoakan’i Mahajanga, ity hetsika fanangonantsonia ity, dia maneho fisaorana mitafotafo azy ireo ny Mpanao gazety mivondro eo anivon’ny “Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety”. Izany hetsika fanangonan-tsonia izany dia mbola hitohy any amin’ny tanàna hafa sy ny Renivohi-paritany eto Madagasikara.

Mahajanga faha-11 Septambra 2016


SABOTSY 10 SEPTAMBRA 2016

*************************

Tsara marihina fa tonga tany Mahajanga ihany koa ry zareo avy ao amin'ny Mmf (Malagasy mivondrona ho an' ny fanorenana) tamin'io Zoma 09 Septambra 2016 io, nanazava ny antony tokony hanaovana aingana izany fanorenana izany

IZAY MITAMBATRA DIA VATO

*************************

ZOMA 09 SEPTAMBRA 2016

Mis à jour ( Dimanche, 11 Septembre 2016 19:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...