FANAMBARANA
Manoloana ny habibiana tsy roa aman-tany nitranga tany aminâireo fokontany tao anatinâny Kaomina Antsakabary â Distrika Befandriana Avaratra dia manao izao fanambarana manaraka izao ny mpikambana ato aminâny Birao maharitry ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana anâi Madagasikara ».
Taorianâny fitsanganana vavolombelona nataonâireo Sojabe, ny Mompera any Antsakabary, ireo fokonolona niharanâny doro-trano sy fiangonana miisa 487 sy rava fananana nohonâny fanahiniana nataonâireo polisy sady niteraka fahafatesana vavy antitra iray dia manameloka izany ny « Vovonana Mampiray » satria tena manitsakitsaka ny ZonâOlombelona izany fihetsika baribariana nataonâireo polisy taminâny mpiray tanindrazana izany. Nofanina manokana hitandro toy ny anakanâandriamaso ny fiarovana sy ny fampiharana ny Zonâolombelona ny mpitandro ny filaminana, mandrindra ny filaminam-bahoaka, miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana fa tsy sanatria mandoro trano fonenana sy mandrava fananana aminâizao efa fahantrana lalina mianjady aminâny vahoaka maro anâisa izao, indrindra fa ireo fokonolona niharanâny habibiana sy ny fampijaliana tao aminâny Kaomina Antsakabary. Tapaka ny fianaranâny mpianatra satria tapitra may ny fitaovam-pianarana. Aza adino fa tsy tonganâny fiara izany Kaomina izany fa aminâny alalanâny moto na bisikileta na mandeha tongotra eo aminâny 135 km mahery vao tonga any aminâny Befandriana Avaratra.
Nalefa hisambotra ireo olona nanao « fitsaram-bahoaka » ka nahafaty ireo polisy roa ireto polisy miisa 40 mahery ireto fa tsy hanao « valy faty » sy « fitsaranâny polisy mivantana ireo fokonolona tsy manan-tsiny » taminâny fokontany miisa enina izay nolalovany izay mielanelana eo aminâny 4 sy 6 kilometatra avy. Tsy tan-dalĂ na ireto polisy ireto satria fantany tsara ny andraikiny dia ny fitondrana ireo noheverina fa meloka teo anivonâny Tribonaly Ambaratonga voalohany tao Mandritsara na Antsohihy fa tsy nandoro trano sy nampijaly ny fokonolona mpiray tanĂ na. Inona marina ny « baiko azonâireto polisy ireto» taminâizao iraka izao !
Mankahery ireo fokonolona sady maneho ny fiaraha-miory aminâny fianakaviana niaram-boina izahay.
Na nihoam-pefy na tsia ireto polisy nalefa namita iraka tany Antsakabary ireto dia ny fanjakana no tomponâandraikitra feno voalohany ka miantso ny fitondrana izahay handray andraikitra aminâny fanonerana tsy misy atakâandro ireo tsy manan-tsiny niara-boina isan-tokan-trano ary handray fepetra hentitra aminâireo izay nahavanon-doza toy izao mba ho ohatra velona ho anâireo mpitandro filaminana hafa mety hihoam-pefy ka tsy hiverenanâny toe-javatra mampalahelo toy izao intsony eto aminâny firenena. Tsy loza ara-boajanahary izao tranga izao ka apetraka ho andraikitry ny BNGRC sy ny tsipaipaika (TĂ©lĂ©thon) ataonâny mpiray tanindrazana fa tena endriky ny « Fanjakana tsy tan-dalĂ na » izao ka mitaky fandraisana andraikitra maika sy fanovana ny toe-tsaina mifanilika adidy. Tsy mila miandry fitoriana akory ny mpitondra manoloana izao heloka be vava izao fa avy hatrany dia mampiseho ny fahadisoany ny mpitondra fanjakana ka mitondra ny fialan-tsiny sy fifonana ary fiaraha-miory ampahibemaso. Endriky ny «Fanjakana tsara tantana » izany.
Ny « Vovonana Mampiray » dia mitsipaka marin-drano sady manameloka ny « fitsaram-bahoaka » satria tsy mifanaraka aminâny Soatoavina malagasy izany sady tsy manaja no manitsakitsaka ny lalĂ na manan-kery sy ny fanjakana tan-dalĂ na, ny ZonâOlombelona sy ny Lalana iraisam-pirenena.
Tsy tongatonga ho azy anefa ny « fitsaram-bahoaka » satria tsy mahatoky intsony ny rafitra sy ny fitondram-panjakana ary ny fitsarana ny vahoaka nohonâny kolikoly, ny fanaparam-pahefana ataonâny mpitondra izay nampidraminâny vahoaka ny fahefana isanâambaratongany ao anatinâny fotoana voafetra araka ny voafaritra ao anatinâny LalĂ m-panorenana, ny firaisana tsikombakomba aminâireo vahiny lazaina fa « mpandraharaha » ka lasa « tompony mangataka atiny ny vahoaka », ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harem-pirenena, ny fisianâny « dahalo » izay mampandry tsy lavo loha ny vahoaka isam-paritra, ny fandraisana anjaranâireo mpitandro filaminana sasany aminâny fiaraha-miasa aminâireo jiolahy ka mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izay fananana iombonanâny malagasy, ny fifangongonâny fahefana eo anivonâny foibem-pitondrana,⊠Mitarika aminâny « fampahatrana hatrany ny vahoaka » izany tranga rehetra izany.
NOHO IREO ANTONY IREO DIA:
Mitaky vaha-olana maika izany rehetra izany satria efa eo anoloanâny « hantsana mangitsokitsoka » ny raharaham-pirenena ary ho « rava ny firenena » raha tsy miara-mientana isika rehetra handinika sy hamakafaka izao olana goavana mangeja ny tanindrazantsika;
Manao antso avo aminâny Filoham-pirenena sy ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny, ny mpanohitra, ny fiaraha-monim-pirenena, ireo mpitandro ny filamianana (polisy â zandary â miaramila), ireo olom-pirenena tsotra tia tanindrazana ny «Vovonana Mampiray » mba hifanatona sy hiray hina ary hiaraka hanomana ny « Loabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny firenena » mialohanâny fifidianana ny Filoham-pirenena mba hisorohana ny korontana izay mety hitranga eto Madagaikara mialoha na aorianâizany fifidianana izany.
Ny fanorenana anâi Madagasikara dia mifototra aminâny fanorenana ara-panahy sy ara-moraly, ny fanovana ny rafitra sy ny toe-tsaina, ny famolavolana ny Satanâny Fihavanana Malagasy na ny âCharte des valeurs sur le Fihavananaâ ka hiverina eo anivonâny FOKONOLONA FOTOTRY NY FIRENENA ny hasina, firaisam-po, firaisankina, fifanampiana, fifampitokisana, fifankatiavana, teny ierĂ na, fifanajana aminâny samy Malagasy izay hatratrarana ny tanjona ara-toekarena dia ny fampandrosoana lovan-jafy eto Madagasikara.
Marihina fa ato ho ato ny « Vovonana Mampiray ny vahoaka malagasy ny fanorenana ifotony sy ny fanarenana ny anâi Madagasikaraâ dia hitondra fanazavana feno mombanâny tena mampiavaka ny âLoabary an-dasy nasionaly ho fanorenana ifotony sy fanarenana anâi Madagasikaraâ raha ampitahaina aminâireo Fivoriana samihafa teo aloha ho anâny mpiray tanindrazana sy ny Vondrona Iraisam-pirenena.
MASINA NY TANINDRAZANA
ANDRIAMANITRA MIARO ANâI MADAGASIKARA
Natao teto Antananarivo, androany faha 06 marsa 2017
Arlette RAMAROSON
Filohanâny Vovonana Mampiray
Mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha