]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Ekena ho Sinodam-paritany ny FJKM aty an-dafy hoy ny filoha Lala Rasendrahasina

Ekena ho Sinodam-paritany ny FJKM aty an-dafy hoy ny filoha Lala Rasendrahasina

fjkm

Sary : Mpitandrina Max Randriamora sy ny Filoha Birao Foibe FJKM Lala Rasendrahasina

 

Mazava ny resaka netin'ny filohan'ny Birao foibe FJKM, ny Pastora Lala Rasendrahasina izay nifampitafa tamin'ireo kristiana protestanta malagasy tonga tao amin'ny toeram-pivoriana, 4 rue Quenault, boriborintany faha XV teto Parisy, ny alarobia faha 26 oktobra 2008
 
Mba tsy ho sanatria "kristiana poakaty" ka ny fihetsiketsehana ivelany no betsaka, hoy ity mpitondra teny ity, ka ilaina tokoa ny manazava ireo fototra tena ijoroan'ny finoana FJKM ho an'ireo zanaka am-pielezana miely patrana aty ivelany.
 
Marihina tsara araka ny volavolan-kevitra tamin'ny sinoda faha 16 natao tany Mahajanga, dia tapaka fa atsangana ho sinodam-paritany ireo Fiangonana FJKM aty Frantsa. Ao anatin'izany ny FJKM Fitandremana Wagner, izay iadidian'ny Pastora Max Randriamora izay tsahivina fa voafidy ho isan'ireo Mpiandrikitra foibe izay misolo tena ihany koa ny FJKM aty an-dafy, miaraka amin'i Atoa Rabarijaona.




Miandry soso-kevitra amin'ny anarana omena izany sinodam-paritany vaovao aty an-dafy izany ny Birao foibe FJKM dia hanome ny fankatoavana. Zava-dehibe tokoa ary mitaky andraikitra izany fitsanganan'ny Sinodam-paritany FJKM izany satria azo lazaina fa mahaleo tena amin'ny fanendrena ireo Mpitandrina amin'ny fiangonana isam-paritra aty ivelany ireo tompon'andraikitra ireo, araka ny foto-dĂ lana mifehy ny FJKM, ao amin'ny andininy faha 289 izay manambara fa : "Omen'ny Mpihevi-drahara ny birao foibe fahefana ny sinodam-paritany mba hanedry ny mpitandrina ami'ny fitandremana."

Nanao fanamarihana mikasika ny maha samihafa amin'ny rafitry ny fiangonana protestanta frantsay ERF (Eglise Réformée de France) sy ny fiangoanana FPMA aty andafy ny filoha Lala Rasendrahasina. Amin'ny rafitra FJKM dia Mpitandrina izay olona voahosotra sy navita fiofanana amin'ny asa fitoriana ny soratra masina no tena lohan'ny fiangonana. Io dia fomba nolovaina tamin'ny firehana Kalvinista protestanta araka ny rafitra presbiteraly sinodaly. Ao amin'ny fiangonana dia miara mitondra sy miara-manapakevitra ny Mpitandrina sy ny Laika. Tsy misy fanapaham-kevitra an'y olon-tokana ary izay zavatra rehetra tapaka dia nakana ny hevitra an'ireo ambaratonga samihafa.


fjkm

Tsy misy ny didy jadona ao anatin'ny FJKM, hoy ny filoha Lala Rasendrahasina. Mazava ny rafitra mijoro, satria teny miakatra ifam-pierana ary teny midina ifam-pifehezana no ifandraisan'ireo rafitra ambaratonga telo, izay samy mizara ho an-kolafiny telo anatiny, izay mampijoro ity fiangonana ity.

Ao amin'ny ambaratonga fototra antsoina hoe fitandremana : ny rafitra dia mitsinjara telo (I-1) Birao, sy ny (I-2) Mpihevi-draharana ary ny (I-3) Fivorian'ny Fandraisana ny fanasan'ny Tompo.
Ao anatin'ny sinodam-paritany kosa izany ambaratonga afovoany dia misy ihany koa izay ambaratonga telo izay : (II-1) Biraon' ny Sinodam-paritany, (II-2) Mpihevi-draharahan' ny sinodam-paritany, (II-3) Komity lehiben'ny sinodam-paritany.
Amin'ny rafitra foibe izay ambaratonga fara-tampony dia mbola voahaja ihany koa io fitsinjarana andraikitra mifameno ireo : (III-1) Birao Mpiandraikitra foibe, (III-2) Mpiandrikitra foibe izay ahitĂ na ny solotenan'ny FJKM aty an-dafy anakiroa: Pasteur Max Randriamora sy Atoa Rabarijaona ary farany (III-3) Sinoda lehibe.

Tsimaintsy miaraka ny finoana sy ny fitaizam-panahy ary andraikitry ny sinodam-parintany no mampijoro io amin'ny fitandremana rehetra, satria tsy lavina fa misy ihany koa ireo lesoka mbola mila arenina. Raha misy fiangonana maniry ny hiditra FJKM aty ivelan'i Madagasikara dia ny sinodam-paritany miahy ny faritra no mandinika izany.

Nanome hazavana vaovao tokoa ho an'ireo izay nanatrika ny valim-panontaniana nomen'ny filoha FJKM. Misoritra mazava daholo ny fiaraha miasan'ny FJKM hoy izy amin"ireo fiangonana rahavavy mpikambana ao anaty FFKM (Fiombonan'ny Finonana Kristiana Malagasy) dia ireo fiangoanana efa tonta : Anglikana, EKAR, (Eglizy Katolika Romana) FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) sy ny FJKM. (Fiangonan'i Jososy Kristy eto Madagasikara)  Miara miasa izy rehetra ireo hanabeazam-boho ny finoana sy ny fijoroana ho kristiana ami'ny fiainana andavan'andro.

Nangonin'i Augustin Andriamananoro - www.madagate.com
Naka ny sary Bloum d'Alasora



fjkm

fjkm

Sary : Mpiangona FJKM Montrouge sy Wagner : Ratoa Nivo Ralainarivo, Aroa Baryfjkm
fjkm

fjkm

Sary : Ireo kristiana FJKM - Fiangonana teto Parisy

fjkm

fjkm

 Sary : Ratoa Hanta Randriamora, FJKM Fitandremana Wagner - Paris

fjkm

fjkm
Sary : Atoa Josephin Andriatafika - filohan'ny fikambanana AOV - FJKM Vinany Tempoly Malalafjkm

Sary : Ratoa Lilia Ratsimbazafy tafo FPMA Melun

fjkm
Sary : Ny filohan'ny tafo FPMA Melun Andry Andrianavelasoa miaraka amin"ireo Mpitandrina FJKM

fjkm
Sary : Ny fiarahana miala hetaheta sy fifanakalozan-kevitra

fjkm

fjkm
Mis Ă  jour ( Lundi, 12 Janvier 2009 11:28 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...