Groupe des Experts Nationaux (GEN)
Rue Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo
Tél : 22 663 99 Fax : 22 663 59
---------
N/Réf. : GEN-290.07.15/MR/rh
Fifidianana kaominaly : hitondra korontana sa fitoniana?
Manoloana ny fifidianana kaominaly izay ho tanterahina afaka 15 andro, dia mampahatsiahy ny Groupe des Experts Nationaux (GEN), araka ny famelabelarana natao ny 21 avrily 2015, fa ny fifidianana kaominaly no taratry ny fametrahana ny demokrasia eny ifotony sy eto amin’ny firenena ary tokony ho taratry ny fahalalahana maneho hevitra ary ny safidy malalaka.
Herintaona sy tapany tao aorian’ny namoahana ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka no nandraisana ny fanapahana hanaovana fifidianana kaominaly.
Efa tonga ny fitaovana hanatanterahana ny fifidianana avy any Dubai izay miisa 8.972.350 bileta tokana (bulletins uniques) sy valopy (enveloppes inviolables) 160.793 ary 20.072 procès-verbaux autocopiants.
Iaraha-mahalala anefa fa ao anatin’ny savorovoro tanteraka ny fiainam-pirenena sy ny zavamisy ara-piarahamonina : fitokonan’ny mpiasan’ny Air Mad, ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany (Domaines), Seces, Paramed…
Manoloana ireo rehetra ireo dia mahatsapa ny GEN fa :
-Misy fanaparam-pahefana mibaribary amin’ny alalan’ny famoriana olona, hanerena ny solontenam-panjakana (Prefet – Chef de District – Délegué Administratif ), maneho ampahibemaso ny fanolorana ny kandida HVM;
-Tsy fandraisana andraikitry ny CENIT manoloana ireo tsy fanarahan-dalĂ na;
-Lisim-pifidianana tsy ho fantatra raha tsy amin’ny andron’ny fifidianana;
-Tsy fisian’ny fanabeazana ny olom-pirenena manoloana ny fampiasana ny bulletin unique tsy misy sary, tsy misy anarana;
-Tsy fisian’ny Panneaux d’affichages,
-Fanagejana ny haino aman-jerim-panjakana.
…/2
- 2 -
Vokany :
-Tsy ho voafehin’ny CENIT ny fitantanana ny fifidianana izay hiteraka savorovoro eo amin’ny fampiasana ny bulletin unique sy ny fampielezan-kevitra;
-Takon’ny olà na any an-tampony ny fiatrehana ny fifidianana nohon’ny tsy fifankazahoana eo amin’ny andrim-panjakana roa tonta;
-Amin’ny andron’ny fifidianana dia ho lany andro hijery ny anarany ao anaty lisim-pifidianana ny olom-pirenena.
Soso-kevitra :
-Atsahatra ny fampihorohoroana ny mpiasam-panjakana amin’ny endriny rehetra;
-Hajaina :
*ny neutralité de l’administration
*ny fahaleovantenan’ny Tribunal Administratif eo amin’ny fikirakirana ny vokatra sy fandinihana ny fitarainana
-Ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana havoakan’ny CER (Commission Electorale Régionale) dia tokony havoaka faran’izay haingana mba hialà na amin’ny ahiahy (Art 121 du Code electoral).
-Manentana ny olom-pirenena mpifidy handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny safidiny.
Antananarivo, faha-15 jolay 2015.
Madeleine Ramaholimihaso, Hery Rakotomanana, Bruno Rakotoarison, Charles Rakotonirina, Jean de Dieu Raveloson, Zafimandimby