]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Chine: Taratasin'ny mpianatra ho an'ny Filoha Andry Rajoelina

Chine: Taratasin'ny mpianatra ho an'ny Filoha Andry Rajoelina

Ampahan'ireo mpianatra Malagasy any Sina

FANAMBARANA

Ho an’ Andriamatoa Filohan’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina izay tanora zoky sady namana sy ireo ratsamangaika isany izay voakasika.

Izahay mpianatra Malagasy aty Sina, mandray ny vatsim-pianarana avy amin’ny Fanjakana Malagasy, dia manao izao fanambarana izao:

1. Maneho ny fisaorana feno ny fitondrana Malagasy izahay, nanome anay alàlana handranto fianarana aty ampitan-dranomasina, ary nanome anay ny vatsim-pianarana enim-bolana voalohany tamin’ny taom-pianarana lasa (2011-2012).

2. Izahay aty Sina dia tsy feno valonjato 800 mpianatra izany araka ny filazan’ny sasany azy, fa ny isanay marina aty dia 274 vatsian’ ny Fanjakana vola: 264 tonga tamin’ny 2011 -2012 ary 10 kosa ireo efa tonga taty Sina talohan’izay.

3. Tsipahanay ankitsi-rano ny fampodiana anay raha toa ka tsy misy ny fandoavana ny vatsim-pianaranay tavela any amin’ny Fanjakana Malagasy, ka mazava fa tsy sanatria hoe vola toy rano natondraka gisa fotsiny ny vola lanin’ny raiamandreninay taty Sina nandritra izay 18 volana tsy niantohan’ny Fanjakana anay rehetra izay.

4. Hamafisinay ny temboka fahatelo etsy ambony, fa tsy ekenay koa ny fanaovana ny zanak’Ikalahafa ny mpianatra aty Sina. Ka noho izany dia tsy hody avy aty izahay raha tsy andraisanareo fepetra mifanaraka amin’izany koa ny any aminy firenena hafa ankoatra anay aty Sina toy ny : Canada, Etats-Unis, France, sns.

5. Tapaho haingana ny hevitrareo ry Fanjakana Malagasy ary ataovy haingana fa olombelona manana ny hoavinay izahay mpianatra aty Sina, ka mila daty sy isan’olona ary anarana votondro mazava tsara izay lazainareo fa hampodinareo Mpitondra manam-pahefana, izahay mpianatra rehetra aty Sina.

6.6. Farany Andriamatoa Filoha, fantatrao fa miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisinao ny hoavinay zandry namanao, sy ny endriky ny Firenena Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fampandrosoana an’i Madagasikara.


7.7. Apetrakay eo ampela-tananao Andriamatoa Filohan’ny Fitondrana Avo ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, ny momba anay, ary matoky ny fahendrenao izahay.

Masina ny Tanindrazana.

Mis Ă  jour ( Dimanche, 07 Juillet 2013 17:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30