]
Les quotidiens du 22 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara: eisy e ry mpanao polifika gasy e !

Madagasikara: eisy e ry mpanao polifika gasy e !

Andohan'Analakely, ny 22 Jolay 2013

Nindramiko ity lahatsoratr’i Lalou ity satria tena mitaratra ny tena zava-misy sy fomba fanaon’ireo milaza fa mpanao polifika avo lenta eto amin’ny tanàna. Oviana moa no nisy famoriam-bahoaka farany raha tsy omaly 22 Jolay 2013 ary iza no niseho nitarika? Ka asa, mandaitra angamba any ivelany amin’ny alàlan’ny Internet. Fa ny zava-misy eto an-toerana aloha dia tsy rototra intsony ny tena vahoaka mitady vola isan’andro elingelenina amin’ny tsy antony mazava. Izao ilay hoe: manaraoraotra ny fahantran’ny sasany. Fa ny tena mahantra dia ireo mpanao politika miseho be vola kanefa tsy manefa ny “trosany”. Fahantrana eo amin’ny lafin’ny toe-tsaina izany. Iza no tena ho voa mafy? Ny Firenena hatrany.

Jeannot Ramambazafy

*********************

Inty sy nday: Mamita-tena !


Andriamatoa Laza Razafiarison Kandida Filoham-pirenena,
ny 22 Jolay 2013 tao Andohan'Analakely

Nahatsikaiky, ary nampihomehy mihitsy aza, ny nahita, tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray, omaly, ny olona nitaraina fa nofitahin'ny mpanao pĂ´litika, satria mbola tsy nahazo ny vola nampanantenaina azy. Nantsoina ho "nanafana" ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanao pĂ´litika hono izy ireo ary dia natao mpitehaka sy mpihoby ary mpitsinjaka teo anoloan'ny mpaka sary kanefa dia niala maina fa tsy azo ny "karama" nolazaina fa tokony ho nomena azy ireo.

Mampihomehy ny raharaha, satria tsy sahy niseho tava ireto mpitaraina no sady tsy nanonona ny anaran'ilay namitaka azy ireo. Mampihomehy, satria efa mba betsaka ihany izay fampielezan-kevitra nisy izay, ary inoana fa raha ny fahitana an'ilay niresaka dia efa mba niaina ny maromaro tamin'izy ireny ihany izy io, ka,efa dia mbola "voa" ihany… aty amin'ny taona arivo fahatelo efa niainana taona 13 aty.

Tsy sanatria akory ho fandatsana fa efa mba imbetsaka ihany no niresahana ny toetran'ny mpanao pĂ´litika Malagasy izay koa tokony mba ho tonga saina amin'izay ny isanisany amin'ny fahaizan-dry zareo ireo mamita-bahoaka. Tsy tokony mba ho ny vola ve aloha no noraisina vao nanao ny "asa" ĂŞ?... Tsy azo itokisana ireo pĂ´litisianina gasy ireo!

Tsy azo itokisana ny mpanao pĂ´litika Malagasy, satria, raha ny tena marina aza dia ny tenan'izy ireo ihany no fitahiny. Mihevitra ny hitondra firenena ve dia hividy vahoaka ĂŞ? Tsy ao an-tsain'izy ireo ve ny ho rahampitsony raha sendra ka hahazo ny toerana ry zareo ĂŞ? Hamoaka vola mandrakizay hanambantambazana ny olona tantaniny? Izany ve no itaizana ny olom-pirenena?... Dia ahoana rehefa tsy hahatolotra intsony?...

Mamitaka ny tenany ny mpanao pĂ´litika toa izany, satria dia mazava izao fa tsy hifidy azy mihitsy ireo tsy nandray ny "valin-kasasarany" ireo. Tsy vitan'ny hoe ireo voafitaka ihany fa tsy maintsy hiparitaka ny feo, ary dia ho lany fananana fotsiny ireto mpampanantena volana fa sady tsy hahazo olona intsony amin'ny famoriana manaraka no, indrindra, tsy hahazo vato koa any amin'ny fifidianana.

Toa izany ny fanaovana pĂ´litika eto amintsika. Na ny tenany aza fitahiny, koa hahagaga ve raha voaongana hatrany izany miakatra eo amin'ny toerana ĂŞ?...
Tsy vitan'ny mamita-bahoaka fa mbola mamita-tena ihany koa. Fohy fisainana sa tena kely loha?...


Lalou – La Gazette de la Grande île, 23.07.2013

Mis Ă  jour ( Mardi, 23 Juillet 2013 10:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024