]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Roland Ravatomanga: ny marina aminy dia ny hiverenan’i Ravalomanana na hisy rà mandrika aza

Roland Ravatomanga: ny marina aminy dia ny hiverenan’i Ravalomanana na hisy rà mandrika aza

Izy no Roland Ravatomanga, alokalofan'ny sarin'i Marc Ravalomanana. Ho tadidin'ny Tantara tokoa ity lehilahy iray ity. Mahazo misento i Mamy Rakotoarivelo nosoloiny toerana

Resabe avokoa fa dia asa izay olona mety ho tarihin’ity Malagasy maty eritreritra ity ka hampiady ny samy Malagasy, satria tsy maintsy miverina, hono, i Marc Ravalomanana. Tsy izy izany fa ingahy Roland Ravatomanga izay vao notendrena Mpitarika ny firehana Ravalomanana ("Chef de file de la mouvance Ravalomanana"). Ary tonga dia "niasa" tokoa ny lehilahy... Ny fiverenan'i Marc Ravalomanana ihany kay no tena tanjona, fa atao totohotra fiakarana ihany ny fandresen’i Jean Louis Robinson. Ary dia tena miantsy tokoa ilay mpiasa mampiseho fa zanaky ny dadany tokoa… Ireto teny manaraka ireto dia re tao aminy Magro Behoririka, ny asabotsy 04 Janoary 2014. Mety adino izany any aoriana any, satria ny teny mandalo, fa ny soratra kosa dia hitoetra mandrakizay

“Ny movansa Ravalomanana dia manana olona ary tsy hihemotra raha tsy tafavoaka ny marina. Teny tsotra ny antsika, tsy mila ady (???). Rehefa nanontany ny dokotera Robinson izahay omaly hoe vonona ve ianao hitsangana hiaro ny safidim-bahoaka, tsy nisalalasa izy niteny hoe vonona ary tsy hanaiky raha tsy tafavoaka hatramin’ny farany. Fanomezan-tokin’ny dokotera Robinson izany ary izahay ihany koa dia manamafy fa tsotra ny tanjona ijoroanay dia manohana ny marina: tsy maintsy tafaverina eto ny filoha Ravalomanana”.

Ho an’ny mpikambana ao amin’ny CES

“Aza manantena ny hanadala vahoaka. Ny mpitolona eto amin’ny Magro dia tsy hanaiky na oviana na oviana. Tsy mampitahotra izahay fa mampitandrina sao hanenenana mandrakizay. Aza terena izahay hanao ny tsy mety, efa nanao izahay vahoaka tamin’ny 2002 fa raha ilaina dia mbola manana hery ho amin’izany ny vahoaka eto amin’ny Magro. Ny tany amin’ny faritra dia nanontany anay hoe rehefa tsy hihetsika ianareo dia hotairinay izy ity. Tsotra ny valintenin’ny zanak’i dada dia mitaky ny marina amin’ny alalan’ny fanarahan-dalàna, ary mbola manaja ny rafitra misy izahay. Fantatray raha sanatria mandeha amin’ny tsy izy io dia hitsangana izahay vahoaka, tsy misy mandefitra manana ny marina eto”.

Hafatra ho any vahoakan’i Magro

“Matokia ianareo fa tsy misy hamela anareo irery eto. Manomboka amin’ny Alatsinainy dia tsy maintsy misy mpitarika ao amin’ny komity faratampony ao amintsika movansa Ravalomanana, Avana ho avy eto hitondra vaovao. Ny antony dia tsotra: mihazakazaka ny raharaham-pirenena, nentin-tsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitoriana ny halabato. Noho izany dia manomboka ny Alatsinainy dia hanao tatitra foana izahay. Ny iangaviana antsika dia hifanotrona fa tsy hifanilika fa samy manohana any dokotera Robinson daholo. Ento avokoa ny banderoles efa nomanintsika satria tonga ny fotoana ilana izany, habaribarintsika amin’izao tontolo izao fa tsy ekena ny halabato”.

Dia tena matimaty foana koa izany ireo olona nitolona tamin’ny taona 2009, amin’ingahy Roland Ravatomanga. Tsy misy dikany aminy mihitsy ny ain’olona raha izany. Mitovy ary sahala izy sy Ravalomanana: Haza lambo tamin’ny taona 2002; fampiasana “mercenaires” vazaha sy fitifiranana variraraka tamin’ny taona 2009.

Mibaiko i Dada dia Dadafara no atao lasibatra...

Ady an-trano tsy hifankahitana izany amin’ity taona 2014 ity no tarigetra ? Izay indrindra izany no nanendren’i Dada an’ity zanany ity.

Ka dia samia velon’aina hahitana hoe iza no hanenina. Satria ny fiainana hitohy foana. Fa dia ianao aloha r'Ingahy Roland Ravatomanga no tompon’andraikitra voalohany amin’izay ho faty atsy ho atsy no ny fanompoanao diso tafahoatra an’i Marc Ravalomanana. Tsy hisy hiala aminao ny vahoaka maro an’isa sy ny taranany, na nifidy na tsy nifidy.

Ity manaraka ity dia tena mazava koa fa tsy mba novakian’i Roland Ravatomanga mihitsy:

“ Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? ”. -Mpitoriteny 10: 12, 13, 14-

Ny zava-misy marina io ambany io


Jeannot Ramambazafy – 5 Janoary 2014

Mis à jour ( Lundi, 06 Janvier 2014 06:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30