]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Marc Ravalomanana any Namibia: tsy misy tranon-kenatra intsony

Marc Ravalomanana any Namibia: tsy misy tranon-kenatra intsony

Fivorian’ny Troïka SADC. Tsy misy hidirany mihitsy ny raharaha fitsarana ao anatin’ireo Firenena mpikambana ao aminy

Roland Ravatomanga (mitsangana) sy ireo hikasa hamerina 2002 faharoa...

Tena mampahonena tokoa ity Roland Ravatomanga, ministry ny Fambolena ao amin’ny Tetezamita ity (tokony hametra-pialana koa izy e !), manaraka ny adalan’ingahy Marc Ravalomanana. Adalana satria, raha ho any Namibia izy “hitory” fa tsy izy io vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T, ny 3 Janoary 2014 teo, dia toa izao no havalin’ny Troïka ao amin’ny SADC. Tsotra fa mazava be :

Ny feni-kevitra sy ny soatoavin’ny SADC dia mifototra amin’ny fanajana ny maha iray tsy anombinana ny tany sy ny maha masi-mandidy ny Firenena mpikambana. Ny SADC dia manaiky sy manaja ny fahaiza-manao, ny fahamarinana ary ny fahaleovantenan’ny rafi-pitsaran’ireo Firenena mpikambana ao aminy. Ny SADC dia tsy manana fahefana hisalovana na hanafoana ny fanamelohana ara-pitsarana sasantsasany nataon'ny Fitsarana ao amin’ny Firenena izay ao  anatin’ny  Firenena mpikambana.

Tsy misy tranon-kenatra intsony izany ilay filoha nanome ny fahefany any amina “Directoire militaire”, tsy hita ao anatin’ny Lalampanorenenan’ny Repoblika faha-3 akory, ny marainan’ny 17 Marsa 2009. Ary dia hipoitra amin'izay ny marina rehetra mikasika io hoe "coup d'état" io...

Ny tohiny ? Hamporisika ny Malagasy sasany hanao 2002 faharoa. Tsy hahomby ihany koa io satria tamin’izany fotoana izany anie ny vahoaka iray manontolo niampy ny Ffkm no voafitaka tamin’ilay « Premier tour dia vita » e ! Fa amin’ity dia ny movansa Ravalomanana sy ny zanak’i Dada ihany no hamporisihina. Haveriko eto indray ny voalazan’ny Mpitoriteny, satria fatra miantso an’Andriamanitra ingahy Ravalomanana. Ny dikany dia fantany tsara ireo teny ireo fa minia tsy manaraka izy. Ka azy ny azy fa hanjombona ny hoaviny…


Mpaminany sandoka sy didy folo sandoka toa azy

“ Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? ”. -Mpitoriteny 10: 12, 13, 14-

Jeannot Ramambazafy – 07 Janoary 2014

Mis Ă  jour ( Mardi, 07 Janvier 2014 11:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30