]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Marc Ravalomanana any Namibia: tsy misy tranon-kenatra intsony

Marc Ravalomanana any Namibia: tsy misy tranon-kenatra intsony

Fivorian’ny Troïka SADC. Tsy misy hidirany mihitsy ny raharaha fitsarana ao anatin’ireo Firenena mpikambana ao aminy

Roland Ravatomanga (mitsangana) sy ireo hikasa hamerina 2002 faharoa...

Tena mampahonena tokoa ity Roland Ravatomanga, ministry ny Fambolena ao amin’ny Tetezamita ity (tokony hametra-pialana koa izy e !), manaraka ny adalan’ingahy Marc Ravalomanana. Adalana satria, raha ho any Namibia izy “hitory” fa tsy izy io vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T, ny 3 Janoary 2014 teo, dia toa izao no havalin’ny Troïka ao amin’ny SADC. Tsotra fa mazava be :

Ny feni-kevitra sy ny soatoavin’ny SADC dia mifototra amin’ny fanajana ny maha iray tsy anombinana ny tany sy ny maha masi-mandidy ny Firenena mpikambana. Ny SADC dia manaiky sy manaja ny fahaiza-manao, ny fahamarinana ary ny fahaleovantenan’ny rafi-pitsaran’ireo Firenena mpikambana ao aminy. Ny SADC dia tsy manana fahefana hisalovana na hanafoana ny fanamelohana ara-pitsarana sasantsasany nataon'ny Fitsarana ao amin’ny Firenena izay ao  anatin’ny  Firenena mpikambana.

Tsy misy tranon-kenatra intsony izany ilay filoha nanome ny fahefany any amina “Directoire militaire”, tsy hita ao anatin’ny Lalampanorenenan’ny Repoblika faha-3 akory, ny marainan’ny 17 Marsa 2009. Ary dia hipoitra amin'izay ny marina rehetra mikasika io hoe "coup d'Ă©tat" io...

Ny tohiny ? Hamporisika ny Malagasy sasany hanao 2002 faharoa. Tsy hahomby ihany koa io satria tamin’izany fotoana izany anie ny vahoaka iray manontolo niampy ny Ffkm no voafitaka tamin’ilay « Premier tour dia vita » e ! Fa amin’ity dia ny movansa Ravalomanana sy ny zanak’i Dada ihany no hamporisihina. Haveriko eto indray ny voalazan’ny Mpitoriteny, satria fatra miantso an’Andriamanitra ingahy Ravalomanana. Ny dikany dia fantany tsara ireo teny ireo fa minia tsy manaraka izy. Ka azy ny azy fa hanjombona ny hoaviny



Mpaminany sandoka sy didy folo sandoka toa azy

“ Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany? ”. -Mpitoriteny 10: 12, 13, 14-

Jeannot Ramambazafy – 07 Janoary 2014

Mis Ă  jour ( Mardi, 07 Janvier 2014 11:11 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...