]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Hery Rajaonarimampianina: Filoha voafidy fôpla izany sanatria ?

Hery Rajaonarimampianina: Filoha voafidy fôpla izany sanatria ?

Ity manaraka ity dia dika an-tsoratr’ilay fanambarana nataon’ny Filoha Rajaorimampianina tao aminy Tvm, ny 28 Febroary 2014 tany Toamasina (VIDEO IO AMBONY IO). Tena mahavariana tokoa…

« Mahakasika io resaka fanendrena Praiminisitra io, dia nisy tokoa izay endrika navoakan’ny HCC izany. Misy ifandraisana sa tsy misy ifandraisana ilay izy ? Azo ampifandraisana foana satria tao anatin’ilay « contexte » tao anatin’ilay fandraisana fanapahan-kevitra. Kanefa raha ny tena marina –izaho koa, hatramin’izay, efa nivoy foana hoe: tsy maintsy apetra-tsika foana, araka izay tokony ho izy, ny fanajana ny lalàna- : efa tapitra tamin’ny taona 2010 ny azo lazaina hoe « mandat »-n’ireo mpikambana ao anatin’ny HCC ireo. Ka raha mandeha ilay adihevitra, amin’izao fotoana izao, mba tsy ilazana indray (fa iza no ilaza ?) hoe olona efa tapitra « mandat » no mandray fanapahan-kevitra na miteny. Ka hoy aho e : rariny loatra raha omena ny hasiny izay maha_izy azy aloha ny HCC (??) ».


Sinema izany iny tao Mahamasina iny. Izay tokoa no nahavitsy olona tao satria filma efa lany daty no naseho tao… Tsy mahazo “kil” intsony. Satria raha io Filohan’ny HCC io -Jean Michel Rajaonarivony ny anarany- no fantatra fa lany daty nefa nampanao iny finianana iny, dia ilay Filoha voafidy mihitsy no tsy ara-dalàna, raha manaraka tsar any teniny isika…

Ny fanontaniana mipetraka avy hatrany aloha dia ny hoe : fa iza moa no tsy nanara-dalàna voalohany nanomboka iny 25 Janoary 2014 tao Mahamasina iny ? Satria raha lany « mandat » tokoa izany ireo mambra ao amin’ny HCC, tsy midika ve izany, sanatriavina, fa tsy tokony ekena izany iny finianana iny satria lany daty ireo olona ireo, ka lasa Prezidà fôpla, na ankandasitra, no mitondra ny firenena malagasy ? Izy tenany ihany anie tsinona no namelabelatra izany resaka lany « mandat » izany fa tsy olo-kafa e !


Sao kosa ireto olona eo ambony, mibitsibitsika lava isaky ny miseho vahoaka, ireto aza no tena be lazao sy be “analyzy”, satria tsy mba nitolona hatramin’izay niainany, fa nahazo fahefana bôjo ?

Ny manaraka dia ity : f’iza aloha ny olona HILAZA INDRAY fa izao sy izao ? Eto ambon’ny tany, Tompoko ny mpanao ratsy ihany no mahana amin’izay nataony… Ary mampanahy izany an ! Ka fanazavana toa izany ve no hahatsara endrika io Filoha manomboka mampiseho ny tsy fifeheziny ny raharaham-panjaka ka tena mahavaka ny sain’ireo vahoaka maro nifidy azy? Raha mbola mitohy izao teo-javatra izao dia aza taitra intsony isika handre, atsy ho atsy ny hoe: “Izaho no Filoha voafidim-bahoaka ary ianareo no te-hifidy aho.


Izy no Jean Eric Rakotoarisoa, mampianatra faratampony amin’ny Lalampanorenana…

Farany: Filohan’ny Malagasy hono izy. Izany no ambetiteniny isaky ny izay miseho. Ka maninona moa no merina daholo ireo mpikambana telo “vaovao” ireo ? Tena mampiady olona anie izany e! Amin’izay ilay Jean Eric Rakotoarisoa -mampahaizana mahita fa 2+2=5-, dia tsy mpitsara akory fa mampianatra ? Izay tokoa angaha ilay zava-baovao entin’ilay “fanapahana ao anatin’ny fanohizana” (“rupture dans la continuité”). Dia mino isika izany fa eo amin’ny manodidina ny Filoha Rajaonarimampianina, dia misy olona (asa avy any Vohipeno ?) mahay mampitohy lalan-drà efa tapaka…

Noraisin’i Jeannot Ramambazafy – 3 Marsa 2014

Mis à jour ( Lundi, 03 Mars 2014 15:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30