]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Raharaha Danil Radjan. Mpisolovava manameloka mpanao gazety nefa miantso mpanao gazety rehefa ho avy ny vazaha

Raharaha Danil Radjan. Mpisolovava manameloka mpanao gazety nefa miantso mpanao gazety rehefa ho avy ny vazaha

Ireo mpisolovava roa sy ny solontenan'ny fianakavian'ireo telolahy miasa ao amin'ny orinasa COPS, naverina vonjimaika any Tsiafahy

Raha tsiahivina dia nanamafy ny fanapahan-keviny tamin’ny 28 Septambra 2020, ny «Chambre de détention préventive» ao amin’ny tribonaly ao Anosy ka naverina any Tsiafahy ireo telolahy voampanga tamin’ny famonoana nahafaty an’i Danil Radjan, teratany frantsay, teny amin’ny «La City» Ivandry. Mialohan’io fanapahan-kevitra io, ary taorian’ny nandefasan-dry zareo taratasy manohitra («Lettre d’opposition») laharana 1523 tamin’ny 29 Septambra 2020, dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireo mpisolovava miaro an’izy telolahy (nalefa vonjimaika indray any Tsiafahy, ny 15 Oktobra 2020), ka sahy nampiady sy nanameloka ny mpanao gazety malagasy. Eny na dia hoe «sasany» aza, iray ihany izahay ary mifampiresaka foana.Ianareo no tsy «kôpy»...  Ity ary ny valin-kafatro.

O ry mpisolovava mpiaro («avocat à la défense»), izay mbola tsy teraka akory dia efa nanao gazety ny tenanay a : aza mampiseho « raharahan-gasy » loatra ianareo fa manala-baraka tena fotsiny ihany. « Melohinay tanteraka ireo haino aman-jery manao procès médiatique, manaiky atao fitaovana mba hanelezana vaovao tsy marina sy hanindrina fitsarana mba hanakonana ny marina amin’ity raharaha ity », hoy ianareo.

Sady mampiady ny samy mpanao gazety ianareo ireo no milaza mazava fa dondrondra sy tsy misy saina ka mora rebirebena ny mpitsara malagasy. «Procès médiatique» hoe ? Ny tena dikan’io marina dia « instance célèbre » fa aza miteniteny foana. «Lynchage médiatique» farafaharatsiny no tokony lazainareo. Nefa ny fanadiadiana mikasika io raharaha Danil Radjan io dia amin’io herinandro ho avy io vao hanomboka, fa ny fitsarana (« procès ») mbola tsy fantatra mihitsy hatreto. Izahay, mpanao gazety, Tompoko, tsy mahay mamorona toa ny mpanao politika fa izay voalaza sy hita ary re no taterinay amin’ny « opinion publique » voalazanareo. Maninona no mahay miantso mpanao gazety ianareo rehefa injay mba hanao fanambarana ?

Maninona no manabado olona amin’ity hoe : «  (…) Na efa te-hiteny mafy aza izahay fa tsy meloka ny havanay, mba ho fanajana tsiambaratelon’ny fanadiadiana sy ny fitandroana ny marina, dia ho andrasanay ny rariny tsy andrin’ny hafa (…). Efa miteny ianareo nilaza izany ary tsindry paingotra tsy misy toa izany ny hoe : « andrasanay ny rariny tsy andrin’ny hafa ». Fantatrareo izany ireo « hafa » ka maninona no mitsara ivelan’ny tsihy ? Sa izay tokoa ilay toe-tsaina gasy tsy mety afaka sy tsy mampandroso mihitsy ? Ho anao manokana ry Me Fano, maninona no tsy lazaina ny anaranao feno ? Sa « tsiambaratelo » koa izany ?

Maninona koa moa no tsy natao hoe : Ary apetrakay feno eo ampelan-tanàn’Andriamanitra ny raharaha rehetra, fa tsy : « Ary apetrakay feno eo ambanin’ny fahendren’ny fitsarana ny raharaha rehetra » ? Ny raharaha fanaovan-gazety, Tompoko, dia mazava : « Le journalisme est l'activité du journaliste, qui consiste à recueillir, vérifier, écrire et, éventuellement commenter des faits, pour les porter à l'attention du public dans les médias (presse écrite, radio, télévision, Ntic, web). La protection des sources d’information du journaliste est garantie par la loi ». Rehefa tsy mahay teny frantsay (nefa mampiasa ny hoe « opinion publique », « présomption d’innocence, expertise ADN… ») dia ianareo ireo, mpisolovava mpiaro ireo izany, no mamorona, manao ny « interprétations » isan-karazany.


ZO sy adidinareo tokoa izany aloha satria MIARO ianareo. Izay no nanaramana anareo. Fa ny mahavariana dia rehefa fantatra fa ho avy ny « procédure miroir » izay nambaran’ny Me frantsay Nicolas Goutx (ETO) vao mikoropaka ny gasy ? N’iza n’iza voampanga tsy maintsy misy mpisolovava mpiaro rehefa misy ny mpitory. Raha tsy manam-bola ny voampanga (« accusé » na « inculpé ») dia misy ny « avocats commis d’office ». Izany hoe mpisolovava tendren’ny fanjakana hiaro ny voampanga, ary manarama azy mba hanajana ny zony. Satria tokoa -ary marina- mbola tsy meloka izay tsy voatsara. Io ilay « présomption d’innocence » hainareo tenitenenina.

Fa dia nilaza indray ianareo izao fa « misy olona tsy fantatra ankehitriny mandrahona ho faty anay havana sy voakasika ity raharaha ity, na ny any am-ponja na ny tsy voatàna noho ny antony tsy fantatra ». Filazana toa izany indrindra no mampisavoritaka ny sain’ny mpanara-baovao (ireo no atao hoe « opinion publique » ry zareo a !). Miampy ny hoe : Tianay ihany koa ny mampahafantatra sy anaovanay antso avo aminareo tomponandraikitra sy Malagasy mpiray tanindrazana ». Nianatra lalàna tokoa ve ianareo ireo sa tsia ka dia toa lasa dokam-barotra na « réclame » ilay fandrahonan’olona tsy fantatra ? Misy ny atao hoe « plainte contre X » ary ny « plainte de réserve ». Natao io sa tsia ianareo ? Asa akana ny fon’ny Malagasy ihany no tanjona ? Malagasy izay olon’ny… fo. Fa dia ianareo indray izany no ho sokajina mpampihorohoro raha alalinina.

Mba tsy ilazana fa mpandainga sy mpamorona izaho manoratra ity lahatsoratra ity dia io ambany io ny fanambarana feno nataonareo mpisolovava sy ny solontenan’ny fianakavian’ireo voampanga, eo amin’ny sary, ny 15 Oktobra 2020 :


« Fanambarana.

Manoloana ny fanosoram-potaka sy ny fanameloana sahady ny havanay, mahakasika an’Itompokolahy Danil Radjan tao amin’ny La City Ivandry, dia manao izao fanambarana izao izahay havan’ireo mpiasa Malagasy telo mirahalahy nalefa any am-ponja vonjimaika sy ireo voarohirohy hafa otronin’ireo mpisolovava.

Mbola an-dàlana ny fanadiadiana ary raha dia misy aza ny vamonjana vonjy maika sy ny fanaraha-mason’ny fitsarana ny havanay, tsy mbola midika akory izany fa meloka ireo izay voarohirohy amin’ity raharaha ity. Noho izany, melohinay tanteraka ireo haino aman-jery manao procès médiatique, manaiky atao fitaovana mba anelezana vaovao tsy marina sy anindrina fitsarana mba anakonana ny marina amin’ity raharaha ity.

Ampatsiahivinay ary takinay ny présomption d’innocence sy ny zon’ny voampanga mba tsy hanaovana sorona ny fahafahan’ny havanay na hampanginana ny opinion publique izay voavilivily hatrany am-boalohany. Efa eo am-pelatànan’ny fitsarana avokoa ireo dradradradraina hoe porofo, vidéos, sary sy ny sisa. Ary mahafaly anay ny filazana fa hisy ny fanaovana expertise ADN sy mpahai-tao vahiny handray anjara amin’ny fanadiadiana.

Tianay ihany koa ny mampahafantatra sy anaovanay antso avo aminareo tomponandraikitra sy Malagasy mpiray tanindrazana, fa misy olona tsy fantatra ankehitriny mandrahona ho faty anay havana sy voakasika ity raharaha ity, na ny any am-ponja na ny tsy voatĂ na noho ny antony tsy fantatra.

Ety am-pamaranana, na efa te-hiteny mafy aza izahay fa tsy meloka ny havanay, mba ho fanajana tsy ambaratelon’ny fanadiadiana sy ny fitandroana ny marina, dia ho andrasanay ny rariny tsy andrin’ny hafa. Ary apetrakay feno eo ambanin’ny fahendren’ny fitsarana ny raharaha rehetra.

Misaotra, Tompoko »./.

Me Fano iza marina ? Sa tsiambaratelo koa ny anarany ?

Ity indray ny ampahan’ny fanambarana nataon’io Me Fano tsy nety nilaza ny anarany feno. Nianatra manokana momban’ny tsiambaratelo tokoa angaha izy ?

« (…) Ny fitazomana am-ponja aloha, tsy voatery nanao aloha ilay olona vao hoe tazomina am-ponja fa antony maro maro no hitazomana olona am-ponja. Ohatra hoe resaka ordre public, na fiarovana ny ain’ilay olona voarohirohy. Manana ny antony ny fitsarana matoa nanapak’hevitra hitazona am-ponja, dia manana ny motivation-ny ry zareo. Dia izay no averimberinay foana hoe mba ho fitandroana ny secret d’instruction dia arahinay ny procédure aloha. Fa rehefa mizotra ny toe-draharaha, tonga ny fotoana hafahana mamoaka ny zavatra rehetra rehetra, ataon-tsika rehefa miravona ny zavatra rehetra, dia angamba hitondra firery vaovao sy fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny toe-raharaha ».

Sylvie Humbert dia mpaka sary ary Denis Salas sady magistrat no mpanao gazety «essayiste»

Fehiny avy aty amiko manokana : ianareo tanora eo amin’ny sehatry ny fitsarana («magistrats», «avocats», «notaires», «huissiers»…) : aza dia atao fanao loatra ny manenjika sy mampiady mpanao gazety satria raha tsy misy ireo anie ny fiainam-pirenena iray manontolo dia mikatso e ! Nisy ary mbola mitoetra ny zarazarao hanjakana eo amin’ny sehitry ny fanaovan-gazety eto madagasikara. Fa eo amin’ny lafiny ara-politika matetika fa tsy amin’itony raharaha famonoana olona ho faty itony. Farany : aza afangaro ny «publication» sy «publicité» ary aza atao tsinontsinona koa ny zon’ny olompirenena hahazo vaovao mikasika toe-draharaha iray. Dia mba fantaro ihany hoe inona izany «chronique judiciaire» izany ary iza no manao azy io ? Sa resa-bazaha io fa tsy hidiran’ny raharahan-gasy ?

Tsy mety ny lahatsoratra fa mitanila raha toa ka tsy apetraka ato amin’ity lahatsoratra ity ny ampahan’ny fanambaran’ny mpisolovava mpiaro ny fianakavian’ny maty novonoina ho faty dia i Danil Radjan. Mikasika indrindra ny fitsarana sy ny mpanao gazety. Ny ampitson’io andro nanaovan-dry Me Fano fanambarana io (16 Oktobra 2020 izany), no nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Me Sahalioth Raherimanana sy Me Miadana Ratsimba :


Me Miadana Ratsimba : «Fantatatray fa ny mpanao gazety dia mamoaka vaovao ny asany. Dia aleho ny mpanao gazety hanatanteraka ny asany antsakany sy andavany. Ary izahay dia mahita fa manampy ben y fitsarana ry zareo amin’ny investigations izay ataony rehetra rehetra».


Me Sahalioth Raherimanana : «Ny voalohany aloha, tiako ho marihina dia amin’ny zo fototra izany. Manana zo ny olom-pirenena rehetra rehetra hahalala vaovao misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ary anisan’izany ny ao anatin’ny fitsarana. Ary raha mahita isika, isan’ny fototra lehibe na principe be ao anaty fitsarana, ohatra rehefa misy fitsarana ireny olona ireny, ny publicité an’ny débats, raha ohatra eo amin’ny sehatra fitsarana. Ny dikan’izay, mba hiarovana ny fahamarinana sy afantaran’ny be sy ny maro ny famahamarinana. Ary raha mijery ny zava-misy erak’izao tontolo izao isika, dia na ny mpanao gazety aza misy mihitsy ny manao spécialisation amin’ny resaka chronique judiciaire. Ny dikan’izay, mba hafantaran’ny olona ny vaovao. Vao aingana teo ireny mikasika ny fampihorohoana tany Frantsa.

Na ny anaran’ilay olona aza dia hitan-tsika rehetra amin’ny haino aman-jery eran-tany ary mivoaka daholo ny fizotran’ny fitsarana hatrany amin’ny fanaovana famotorana savaravona dia hitan-tsika fa mivoaka fa misy saisie natao tatsy, nisy perquisition natao dia izao no hita izao no tsy hita. Ka aminay izany aloha, tsisy mihitsy aloha, hatreto, ary tsy miheritreritra hanao izany izahay hoe : anao famoahana tsiambaratelon’ny fitsarana. Na izany na tsy izany, ny fisian’ny fampahalalana amin’ny gazety koa dia antoka anankiray hizoran’ny fitsarana sy hanampiana ny fitsarana.

Maninona moa ny polisy na ny fitsarana, rehefa manao ireny avis de recherches ireny dia mampitady olona ary efa lazainy eo sahady amin’ireny fotoana ireny ny fiampangana ity olona ity na izao ny fiampangana iry olona iry. Marina fa raha voarohirohy, ny fitsarana no milaza farany ao anatin’io hoe iza no meloka na iza no tsy meloka. Fa na izany na tsy izany tokony mifarimbona ny rehetra hivoahan’ny marina. Ny hivoahan’ny marina izay no takinay, raha ohatra atao amin’ny teny vahiny ilay izy : manifestation de la vérité sy ny justice rendue. Izay no tadiavinay ary tokony miara-mizotra amin’izay daholo ny rehetra».


Misy ohabolana malagasy milaza fa « Fisaka ny marina ka saro-patarina » (la vérité est ténue et difficile à trouver). Asakasak’izay tsy mazava sy tsy ampy fangaraharana ary koa miafina lava ao ambadik’izao tsiambaratelo isan-karazana izao ka na ny anarana azy tsy lazaina amin’ny mpanao gazety.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Dimanche, 18 Octobre 2020 17:40 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024