Io hitanareo aminâny sary izany vazaha taratasy izany, izay 70 taona aminâity 2022 ity. Miana-kendry nefa tsy mieritreritra izany hiverina aty Madagasikara mihitsy ka ho very faty ao Frantsa ao. Izany rehefa ratsy namana ka entinâi Marc Randrianisa âlalin-tsainaâ, zandriny 10 taona be izao, aminâny volony lava be io ka tsy mandini-tena intsony. Asa koa raha mba manam-bady aman-janaka. Aleho ho hitanâny havany eto, araka ny fiteny. Ary ny marina dia mety tsotra kely: mandoto rano fotsiny ihany noho ny fitiavam-bola kely sy fankahalana.
Hary Limo Andrianjafy na Ralimo no anarany feno. Ny 22 janoary 1991 -efa ela izany ry zalahy, satria 38 taona izy taminâizany!- dia nanangana ilay trano fisakafoanana (ârestaurantâ) âLe LĂ©murien de Madagascarâ ao aminâny 5, rue Sadi Carnot ao Montrouge, akaikinâi Parisy, izy.
Ary nanangana ihany koa orinasa iray mitondra ny anarana hoe âLe LĂ©murienâ. Tsy nisy aretina covid-19 taminâizany kanefa tao anatinâny 18 taona dia nikoroso ny fitantanany io ââLe LĂ©murien de Madagascarâ. Any ka ny 13 marsa 2019 dia nikatona noho ny tsy fahampianâny vola miodina (âClĂŽture pour insuffisance dâactifâ). Fa ny taona 2010 izy efa tratry ny âredressement judiciaireâ izay niafara taminâio fanakatonana io. Sivy taona izany i Ralimo no nitsipozipozy tao.
Dia tonga ny covid. Dia tafiditra ao aminâireo vazaha frantsay âmisotro rononoâ ity Ralimo ity. Ny any Frantsay misy karazana maro ny âallocationsâ (fanampiana ara-bola) omenâny fanjakana. Ohatra : ny ARE -âAllocation chĂŽmage dâaide au retour Ă lâemploiâ- (ohatra). Maro ny Malagasy misitraka izany any⊠Inona ary no nitranga taminâny fiainana no nahatonga azy tena mahavita manompa sy manozona olona, nefa milaza tia tanindrazana, ka nahavitany nanangana ny fikambanana hoe âRavao io ColisĂ©e io !â, izay izy no Filohany ? Ny tena mampalahelo ahy aminâi Ralimo dia izao : ny mpampirisika, na eto Madagasikara na any ivelany any, dia manana ny fiainany milamina, tsy âmitolonaâ raha tsy ny zoma sy/na sabotsy.
Fa Andriamatoa Hary Andrianjafy (io kosa tsy azo fafana ka ho soloina anaram-bazaha frantsay) dia nijanona âhippieâ-ny taona 1970 nefa efa izy izao no 70 taona. Modianâireo fanina izy atsy ho atsy.
Ity misy sosokevitra Ralimo a ! Ravao ny ColisĂ©e satria âpatrimoine nationalâ izy io, hoy ny Unesco ? Efa frantsay an-taratasy ianao dia mandehana koa mamorona ny fikambanana: âRavao ny ascenseurs ao aminâny Palais de Versaillesâ, satria koa âpatrimoine nationalâ ary tsy nisy izany taminâny andronâny mpanjaka Louis XIV. Zonao koa izany ry vazaha taratasy.
Ireto telo mianadahy zokiolona ireto dia efa nandany 13 taona be izao "nitolomana"
Nefa asa aloha fa azy ny azy e ! Ny anjarako dia ny mametraka raki-tsoratra ho anâny Tantara. Olona toa itony tsy azo avela adino aminâizao fotsiny. Te-halaza izy ? Tokony isaorany aho. Na izany aza dia tsy Marc Randrianisa ary Fanirisoa Ernaivo (hivoaka tsy ho ela ny boky iray mamontoloa mombanâity mpitsara voaraoka noho ny nataony ity) sy ny forongony ihany no hoe âDiaspora malagasyâ ao Frantsa ao. Ka noho ny fandrahonana sy ompa isan-karazany nataonâireo olom-bitsy Gtt teo aloha izay nahazo taona fa tsy mety tonga saina mihitsy, dia namoaka fanamarana toa izao kosa ireo fikambanana miaro ny Filohampirenena amperinâasa aminâizao fotoana izao, dia Andry Rajoelina :
FANAMBARANA
Tohina ny fo ary malahelo manoloana ny fihantsiana ady, fifofoana aina ataon'ny Malagasy vitsivitsy, ondry very, teto Paris ny 24 Aogositra 2022, nanoloana ny Masoivohom-pirenena Malagasy eto Frantsa.
Tezitra ihany koa ary mijoro mampahafantatra fa tsy adala na ondrakondrafana daholo akory ny Diaspora Malagasy rehetra fa misy ny mitandro ny Soatoavina nananan'ny razantsika na aty lavitra aty aza., na dia eo aza ny tsy fitovian-kevitra manoloana ny fitantanana ny raharaham-pirenena.
Ho setrin'izany, izahay manao sonia etsy ambany, misolotena ny fikambanana misy anay tsirairay avy, na ny tenanay manokana, dia manao izao fanambarana izao :
- Melohinay tanteraka, na amin'ny fomba inona n'a amin'ny fomba inona ny fanimbazimbana ny hasin'ny vahoaka Malagasy amin'ny faniratsirĂ na sy fifofoana ny ain'ny Filoham-pirenena Malagasy sy ny ankohonany, ary ireo tompon' andraikitra isan-tsokajiny.
- Toherinay amin'ny feo hentitra ny famitaham-bahoaka ataon'ireo fohy fisainana amin'ny fanodinana ny tsy fahombiazana ara-politika ho lasa asan- jiolahy. Ireny fihetsika ireny dia porofo mitohaka amin'ny tenda fa tsy henoin'ny vahoaka izy ireo na dia manantena ny hamboly korontana sy ady an-trano aza.
Noho izany dia :
- Manainga ny Malagasy tsirairay izay mandala ny fomba amam-pahendrena maha isika antsika mba ho mailo sy hiaro ny firaisam-pirenena amin'ny fomba matotra sy milamina.
- Manainga ny tompon' andraikim-panjakana Malagasy mba hanao ny asany ka hitady ny vahaolana rehetra hifehezana ireny olona fahavalon'ny filaminana sy ny firahalahiana ireny, na any an-tanindrazana na aty dilam-bato.
- Mankahery tsy misy fepetra ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, mba hanohy hatrany ny ezaka efa natombiny tamin'ny fahefana nomen"ny vahoaka azy ho fanarenana sy fampandrosoana an'i Madagasikara.
Ady hevitra sy asa mivaingana fampandrosoana ny Tanindrazana no mendrika ny Diaspora sy ny Malagasy rehetra fa tsy herisetra na habibiana, toy izay mety efa mahazatra ny sasany.
Firaisan-kina kina sy Fifanomezan-tanana no ilaina himasoana, fa tsy ady saritaka sy vono olona.
Ny hendry mody voky, hoy ny Ntaolo Malagasy, fa ny adala manesika ihany. Na izany aza dia "Vonona" mandrakariva ny tenanay hiaro ny zava-bita sy ny vokatra azo amin'ny firosoana marina makany amin'ny tena demokrasia sy ny fisandratana.
Masina ny Tanindrazana
Eric Hobialy RANISARIVELO, Filoha lefitry ny TGV extérieur
Fiatoae RANGERS, Filoha lefitry ny TGV extérieur
Andrianome RAKOTOMANANTSOA. Filohan'ny TEM
Andrianasolo RAMAMBAZAFY, mpiray Tanindrazana (Ny anarana, Tompoko, tanim-boanjo)
Â
Lahatsoratrâi Jeannot RAMAMBAZAFY ho rakitry ny Tantaram-pirenena malagasy
Â