Na tiana na tsy tiana, satria mbola ao anaty fahavaratra isika, fotoananâny orana sy ny fiavianâny rivodoza, dia voalaza ary hitanâny zana-bolana fa tsy maintsy hiditra eto Madagasikara ilay rivodoza nampitondraina ny anarana hoe Freddy.
Eto isika dia tokony manontany tena hoe avy aiza ary io anarana io ?
Satria TSY AO ANATINâNY LISITRA EFA NOMANINA MIALOHA mombanâity taona 2023 ity. Raha ny F izany dia tokony FABIEN no anaranâio rivodoza Freddy io ary ry zareo avy atsy aminâny nosy Maurice no nanome io anarana Fabien io. Jereo ny lisitra. Fa raha i CHENESO namela takaitra ho anâny Malagasy dia ao ary avy atsy Botswana no nanome io anarana io.
Ity rivodoza Freddy ity izany dia tena tsy fanta-piaviana arz-bakiteny. Ary lazaina fa ho loza be⊠ho anâireo tia sy/na mijery sarimihetsika misy maneran-tany dia mahatadidy tsara ilay horonan-tsary notontosainâi Wes Craven (avanana aminâny sarimihetsika « horreur ») ny taona 1984 mitondra ny lohateny hoe : FREDDY: LES GRIFFES DE LA NUIT. « SĂ©rie » izy io ary nisy horonan-tsary enina nifarana ny taona 2003.
Taminy taona 2022 dia ny karana no nampiasa io anarana FREDDY io nanohy ny asanâi Wes Craven.
Fa rehefa nikaroka aho dia izao no niavianâny anaranâio rivodoza « F » io. Ny sampandraharaha avy any Australie no nanome io anarana FREDDY io, ny 6 Febroary 2023. Alohanâny nidirany taty aminâny faritra jeografika misy antsika.
Raha ny fandalinan-dry zareo dia hitovitovy aminâny fandalovanâny rivodoza Litanne (1994) sy Eline (2000) teto Madagasikara ny fandalovanâio FREDDY io izay hiditra eto amintsika ny aminâny Talala 21 Febroary 2023 eo anelanelanâny Toamasina sy Manakara.
MAILO HATRANY DAHOLO MIHAINO RADIO SY TELE !
Liana mikasika an-dry Litanne sy Eline ianareo ? Aza miala aminy madagate ary !
Jeannot Ramambazafy