]
Les quotidiens du 21 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Madagasikara, ady amin’ny herisetra : mila miara-mientana isika rehetra dia ho foana ny herisetra eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny ankizy

Madagasikara, ady amin’ny herisetra : mila miara-mientana isika rehetra dia ho foana ny herisetra eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny ankizy

MILA TEZAINA ISIKA FA TSY METY NY MANAMARINA NY HERISETRA ATAO AMIN’NY OLONA IRAY


Ny 25 Aprily ka hatramin’ny 05 Jolay 2020 dia nahatratra 1.600 ireo tranga herisetra voarain’ny laharan’antso 813. Io laharana io, tamin'izany fotoana izany, no sokajin’olona mahita tranga ana herisetra.


Raha ny antontanisa tamin’izany dia nahatratra 331 ireo fampandrenesana azo vokatrin’ny tranga ana herisetra eny amin’ny fiarahamonina, teo anelanelan’ny volana Aprily sy volana Jolay 2020. Ny herisetra ara-pananahana na ara-nofo dia nahatratra 106.

Ny 06 Jolay ka hatramin’ny 12 Jolay 2020, izany hoe herinandro iray fotsiny, dia hita fa maro no tratran’ ity herisetra ity, azo sokajina toa izao :

- Tratran’ny herisetra : 137

- Fampandrenesana tranga herisetra eny amin’ny fiarahamonina : 57

- Nangataka torohevitra : 302

- Nametraka fitoriana vokatry ny herisetra : 39

Raha ny endrika herisetra izay voafaritra ao anatin’ny atao hoe VBG (« Violence Basée sur le Genre ») na herisetra mifototra amin’ ny lahy sy vavy indray dia toa izao :

- Herisetra ara-bàtana : 119

- Herisetra ara-pivelomana /ekonomika : 97

- Herisetra ara-tsaina na ara-psikolojika : 143


Raha jerena indray ny momban’ireo tena tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny herisetra voalaza ireo dia tsy misy hanavahana fa saika ahitana manao izany avokoa na lahy na vavy. 60%-ny manao herisetra dia saika ny vady na ihany koa ny akaiky ilay olona tratran’ny herisetra; ny 40% ambiny kosa dia na ny rafozana, na ny mpampiasa, na ihany koa ny manodidina eo amin’ny fiarahamonina.

Amin’ireo tratrany herisetra VBG (« Violence Basé sur le Genre »), izay miisa 137, dia voalaza fa ny 113 dia saika vehivavy avokoa ary lehilahy ny 24 ambiny.

Raha miisa 10 kosa ireo iharan’ny herisetra ara-pananahana dia ny 06 amin’ireo vehivavy ary 04 ny lehilahy. Ny sokajin-taona dia saika eo anelanelan’ny 20 taona ka hatramin’ny 40 taona no tena miaritra ny vokatry ny herisetra.

Taty amin’ny taona 2024 dia mbola misy hatrany ny herisetra amin’ny endriny rehetra, izay saika mahazo ny sokajin’olona samihafa ihany.

AMINA TRANGA MIISA 1.123 AMINY 1.600 MISY, DIA SAIKA HERISETRA ARA-PSIKOLOJIKA AVOKOA


Fanamarihana azo teny amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina nahafantarana fa ny herisetra ara-tsaina na ara-psikolojika no tranga tena miseho be indrindra hatrany, ka nahatratra 1.123 amin’ny 1.600. Voalaza aza fa fomba vaovao izay hoentin’ireo mpanao herisetra indray ity herisetra ara-psykolojika ity. Ny antony dia sarotra ny hanao herisetra ara-batana izay miafara amin’ny fampidirana am-ponja, hany ka moramora kokoa, araka izany, ho azy ireo ny herisetra psikolojika satria tsy misy fikasiha-tànana.

Raha faritana manokana ny herisetra ara-tsaina na ara-psikolojika dia ao ny teny na fihetsika mandratra, manivaiva ; eo koa teny fanompana sy fanozonana ary tsy firaharahiana ilay olona. Izany herisetra rehetra izany dia mahatonga ny olona sasany hifindra-monina ary miala amin’ilay toerana nahitany hirifiry vokatran’ny herisetra nahazo azy. Ankizy 09 ao anatin’ny 10 no nitatitra fa niharan'ny fanasaziana miharo herisetra teo anivon’ny ankohonany, araka ny tatitrin’ny Unicef ny taona 2020.


30% n'ny vehivavy malagasy dia efa niharan'ny herisetra ; 60% ny vehivavy hiaran'ny herisetra dia tsy mitady vonjy, tsy mitoroka ; 45% amin’izy ireo dia mihevitra fa rariny ho azy ny herisetra atao aminy, na izany aza dia misy ihany no mila vonjy noho ny tsy fahazakana izany herisetra izany. Mila ezaka izany satria zara raha 10%- n’ireo hiaran'ny herisetra no mandeha mitady fanampiana ary 05% ihany no mitory sy tody eny amin'ny fitsarana.

Tsahivina fa ireo tranga herisetra misy ireo dia samy manana ny andraikitra tandrify azy avokoa ny minisitera isa-tsokajiny. Anisany izany minisiteran’ny Fahasalamana izay mijery ny toe-pahasalaman’ireo olona izay tratry ny herisetra ara-nofo ; ny minisiteran’ny Fitsarana izay miandraikitra ny dingana araka ny lalàna manoloana fitoriana izay alefan’ireo olona eny anivon’ny mpitandro filaminana. Eo koa ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny Lalàna sosialy izay manara-maso akaiky ireny mpiasa sy mpampiasa eny anivon’ny orin’asa isan-karazany. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina moa dia saika ny sehatra ara-tsosialin’ny mponina no iandraketany. Izany indrindra no nametrahana ireny ivo-toerana fihainoana na « Centres d'Ecoute et de Conseil Juridique » ireny any amin’ny faritra rehetra misy, izay natao hihaino sy handray an- tànana ireo iharan'ny herisetra ary hanoro làlana amin’ny fandraisana an-tànana ara-pahasalamana sy amin’ny resaka fitoriana.


Ny rehetra no tokony miaraka manao ezaka ho fanafoanana ny herisetra, eny fa na hatramin’ny Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filoham-pirenena aza dia nanamafy ny ady amin'ny herisetra ary niantso ny rehetra mba hiaraka hifarimbona amin’izany :

« Fanamby goavana no mbola miandry antsika hamongorana ny herisetra mianjady amin'ny zaza tsy manan-tsiny, ny ankizy ary ireo vehivavy ka iantsoako ny fiaraha-mientan'ny rehetra. Koa mbola hamafisiko indray ny fahavononako hilofo amin'ny famongorana ny herisetra sy ireo fomba fanao manimba ka anisan'izany ny fampanambadiana ny ankizy tsy ampy taona ».


« Tsy misy afa-tsy fifampitaizana sy fanentanana no tena zava-dehibe », hoy ny Tale jeneralin’ ny Mponina (MPS), Rova Rabetaliana. « Mila tezaina isika fa tsy misy manamarina ny herisetra atao amin’ny olona anankiray, raha toa ka misy mahasorena anao amin’ny olona anankiray, afaka mihataka kely maka saina ny tsirairay avy, mandinika ny fomba hamahana ny olana fa tsy hoe ahoana ny fomba hamonoana olona iray. Amin’izay tsy misy ny fifamaliana izay mety hiteraka fikasihan-tanana. Fa ny tena olana ho antsika dia malaky mamaly rehefa misy fifandirana sy tsy manaiky resy sy tsy mifandefitra, fa tsy mba mandinika akory ny tokony handravonana ilay fifandirana ».


Antony iray ihany koa izay mahatonga ny herisetra ny fisian’ny samihafan’ny lahy sy ny vavy, vehivavy izay tsapa fa mbola amin’ny toerana ambanimbany kokoa ao anatin’ny fiarahamonina raha oharina amin’ny lehilahy. Dia izay no mahatonga ny tranga ana herisetra ka any amin’ny vehivavy no tena betsaka indrindra. Izay no antony hisian’ny fitaizana izay miaraka amin’ny fanentànana, fa azo atao tsara ny mandresy ny herisetra ary afaka atao ny tsy manao herisetra . Raha miara-mientana isika rehetra dia ho foana ny herisetra eo amin’ny lahy sy ny vavy ary ny ankizy.


Mis à jour ( Vendredi, 19 Juillet 2024 12:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024