]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Nadine Ramaroson : “ vous êtes tous des Handi capables ” !

Nadine Ramaroson : “ vous êtes tous des Handi capables ” !

Comme dans de nombreux pays du monde, la Journée mondiale des personnes handicapées a été célébrée à Madagascar par le pouvoir de transition. Agrémentés des photos de l'infatigable Andry Rakotonirainy, nous vous communiquons la transcription des discours en malgache et en français de Nadine Ramaroson, ministre de la Population et des Affaires sociales.

Kabarin-Dramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy (Fankalazana ny Andro Iraisampirenena momba ny Zon’ny olona manana fahasembanana-03 sy 09 Desambra 2010)


Tompokovavy sy Tompokolahy,

Eto Madagasikara toy ny Firenen-drehetra mandala ny zon’olombelona dia mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Olona mitondra fahasembanana isika ny 03 Desambra ary ho an’ny Fanambarana ny Zon’izy ireo ny 09 Desambra.

Amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana dia henin-kafaliana amam-pitiavana izahay  Ministeran’ny Mponina  miarahaba anareo olom-pirenena rehetra mitondra fahasembanana nahatratra izao vanin’andro manan-danja izao ary mifono ny akoakon’ny firaisan-kina.

Ny Fitondrana Tetezamita dia manao izay ho afany tokoa amin’ny ezaka rehetra sy ny  fanohanana ny Olona manana fahasembanana amin’ny famongorana, ny fanilikilihana, ary ny fiheveran-diso  momba azy.

Eo rahateo ny famporishina ny faritra mba handray ny fepetra fampiarana araky ny fenitra takian’ireo Mpiray Tanindrazana mitondra fahasembanana amin’ny fananganana foto-drafitr’asa.

Ny Minisiteran’ny Mponina dia manao  fanentanana mavitrika ho amin’ny Fivondronambe na “Plateforme”, na ny Fivondronana “Fédération”-ny Fikambanana miahy ny Olona Manana Fahasembanana rehetra.

Tsy takona afenina na amin’iza na amin’iza fa marary ny firenena, simba ny fiarahamonina. Tsy eo amin’ny olona tomady ara-batana sy ara-tsaina ihany fa eo amin’ny fiarahamonin’ireo manana fahasembanana koa.

Koa mitaky fanovàna tanteraka isika : mila fandravana ny fahazarana manao ny tsy mety; tsy mahazo mamela ny tsy marina sy ny tsy rariny hahazo vahana.

Samy afaka mandray ny andraikiny daholo ny sokajin’olon-drehetra, na mpitondra, na ny entina.

Ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena rehetra no hampandrindra sy  hampandroso ny fiarahamonina iray manontolo.

Tsapa manerana ny faritra rehetra fa mahavita ny asa izay manavanana azy ny olona mizaka karazam-pahasembanana. Mila tosika sy fanampiana sahaza ary tandrifin’izay ilainy izy ireo dia afaka mivelatra sy miary.

Mahakasika indrindra ny fankatoavana ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zon’ny Olona Manana Fahasembanana dia efa vonona ny lafiny araky ny foto-dalàna ato amin’ny Minisiteran’ny Mponina.

Ny Fankatoavana io Fifanarahana Iraisam-pirenena io dia hahafahana manatevina ny làlana manan-kery amin’izao fotoana izao, an’isan’izany ny Lalàna 97-044 tamin’ny 02 Febroary 1998, ka miandry ny didim-panjakana  ho fampiharana io lalàna io isika amin’izao fotoana izao.

Laharam-pahamehana ny fikarakarana ny mpiray Tanindrazana marefo ara-pahavelomana amin’ny fanomezana azy ny fanohanana ilainy hahafahany miara-miasa sy miara-manangana tontolom-piaraha-monina  manaja ny maha olona.

Tompokovavy sy Tompokolahy,

Ny Zo dia mitaky fandraisana andraikitra, noho izany, matoky anareo ny Minisitera miahy anareo fa tsy handraraka ilo mby an-doha ianareo.

Mazotoa manohy hatrany ny ezaka nataonareo sy ny fikirizana nasehonareo. Efa misy mantsy ireo faritra nahavita ezaka amin’ny fametrahana foto-drafitr’asa mifandraika amin’ny tanjona nofaritanareo.

Hifanome tanana aminareo hatrany ny Fitondram-panjakana, sady  miara-miaiky ny mpiara-monina fa afaka hanondrotra avo ny fireneny koa ny Olona Manana Fahasembanana rehefa mahazo fanohanana.

Hiezahantsika mianakavy ny fanandratana ny ho avin’ny Olona Manana Fahasembanana, izay ifandrombonana amin’ny fikambanana tsara sitrapo rehetra sy ny fikambanana iraisam-pirenena.

Misaotra Tompokovavy

Mankatelina Tompokolahy.



Discours en français de Nadine Ramaroson, ministre de la Population et des A ffaires sociales (Journée mondiale des personnes handicapées - 3 et 9 décembre 2010)


Mesdames et Messieurs !

En cette Journée mondiale pour les personnes en situation de handicap, ce 3 décembre, suivie de la Journée de Déclaration de leurs Droits le 9 décembre, Madagascar a   toujours été de la partie par diverses manifestations et attentions envers ses compatriotes en situation de handicap qui constituent plus de 10 % de la population.

Ainsi, L’Etat Malagasy à travers le Ministère de la Population et des Affaires Sociales, ne peut qu’amplifier et continuer ses appels à l’entraide et à la générosité envers tous les citoyens Malagasy en situation de handicap physique ou mental durant et après ces Journées internationales.

Chers compatriotes en situation  de handicap, nous ne pouvons que vous encourager et vous soutenir dans tous vos efforts pour participer à votre manière au développement de la nation et prendre en main votre propre épanouissement social, peu importe vos  difficultés et vos limites.

Nous ne  cesserons de vouer tout effort à la mesure de nos moyens pour vous venir spontanément en aide, tout en sensibilisant sans relâche  tous les compatriotes à vous comprendre pour mieux vous accompagner et vivre ensemble naturellement.

La société Malagasy est en pleine crise, nos budgets limités, et les conditions de vie malsaines et précaires. Et ce, pas seulement au niveau des personnes normales mais aussi entre les personnes en situation de handicap, surtout au vu des injustices entre ceux qui profitent et les autres qui subissent et endurent. Tout ceci doit changer, aussi bien au niveau de la conduite des affaires, du comportement que de la relation humaine.

Notre développement économique et notre épanouissement social en dépendent, chacun doit apporter sa part de bonne volonté, de partage de ses possibilités et enfin combattre les injustices sans oublier de dénoncer l’indifférence.

Nous ne pouvons que réitérer encore tous nos souhaits de courage et de ferveur pour le changement à toutes et à tous, pour que tout handicap physique et/ou mental soit surmontable, et ne soit jamais un lourd tribut et pour la famille et pour la nation.

Et comme le disait un brave compatriote handicapé de Toamasina, que vous soyez tous des HANDI CAPABLES, tout comme vous l’avez déclaré et lancé  aussi à Mahajanga Rien pour Vous sans Vous.

Excellente célébration à Tous !

Recueillis par Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Samedi, 04 Décembre 2010 07:27 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...