Taorian’ny filazan’ny Filohan’ny Tetezamita fa hanafatra vary amidy amin’ny vidiny mora ny fitondrana, dia anisan’ny voadona mafy tany amin’ny aferony tany ny mpandraharaha sasany izay mpanao ity asa fanafarana vary ity. Nisy mihitsy aza no nilaza fa: “ tsy tokony atao izao“.
Mazava loatra fa dia ireo izay hita fa tsy manao ny aran-dalàna amin’ity asa ity no tena velon’ahiahy mafy. Ny afa kosa, rehefa nifampiresaka tamin’ny Filoha ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, dia nanaiky ny fiara-miasa, satria tokoa vahoaka no tsinjovina. Amin’izao fotoana izao ary dia voatazona ny teny nomena momba ity vary mora ity, satria tonga tokoa ny nandrasana dia ny hanaovana ny vidim-bary ho 1.000 ariary ny kilao.
Mbola ambanin’io vidiny novinavinaina aza satria dia amidy 900 ariary, amin’izao fotoana aza, ny kilaon’io vary, araka ny voalazan’ny Filohan’ny Tetezamita tany Toamasina.
Tsy mora ny manao zavatra fa dia tsy maintsy mandeha mian-dàlana satria tsy vahoaka folo na arivo rahateo no tantanina fa dia an-tapitrisany, ka dia hiezahana ny manome izay mety. Ny Asabotsy 26 Febroary teo ary no tonga teto Antananarivo nentin’ny “wagons”’ny Madarail ny vary milanja 240 taonina, izay hotsinjaraina amin’ireo fokontany 192. Tonga teny an-toerana nijery akaiky ny fahatongavan’ity vary ity sy ny faondranana izany anaty fiarabe mpitatitra entana ny Minisitra telo tonta dia ny Minisitra ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, Ramatoa Nadine Ramaroson, ny Minisitra ny varotra Andriamatoa Mahazoasy Freddie, ary ny Minisitra ny Vola sy ny Teti-bola Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina.
Hery Rajaonarimampianina
Ity farany moa dia nilaza fa vola madiodio an’ny Fanjaka no nanafarana ireto vary ireto izay mitentina 9 tapitrisa dolara, ary misy soratra manokana mihitsy ny gony misy azy dia ny “Sunshine” ka amidy 900 Ariary ny kilao. His io vazry io ihany koa eny amin’ny mpivarotra sy ny any amin’ny faritra, Izany hoe : mandalo amin’ny mpamongady vao mankeny amin’ny mpivarotra. Ny andraisan’ny mpamongady azy indray dia 860 ariary, mpamongady izay miisa 4.300 hiara-hiasa amin’ny famarotana ity vary ity.
Nadine Ramaroson
Ho an’ny Minisitra ny Mponina indray dia nilaza izy fa hara-maso hatrany fiaingan’ity vary ity mandram-pahatongany eny amin’ny fokontany, ary atao amin’ny mangaraharaha ny fizarana izany : mahazo 5 kilao isan’’olona. Ny Asabotsy teo moa dia nanatitra ireo vary isakin’ny fokontany ny Minisitra ny Mponina no sady niresaka fohy tamin’ireo vahoaka. Raha ny fanirian’izy ireo dia mba tsy ho tapaka ny famatsiam-bary. Nazavaina anefa Ramatoa Nadine Ramaroson fa rehefa miakatra ny voka-bary sy miverina amin’ny laoniny ny vidiny dia mijanona hatreo ny fanamparihahana ny vary mora ataon’ny Fanjakana.
Mahazoasy Freddie
Arak’izany dia mbola misy vary efa nafarana izay efa an-dàlana milanja 32.500 taonina, hoy ny Minisitra ny Varotra, Andriamatoa Mahazoasy Freddie.
Fehiny : tsy natao hamono ny mpandraharaha velively ny vary mora fa fanampiana natao mandra-piakatrin’ny voka-bary eto amintsika. Ary tsy natao hanaovana afera ihany koa, ka mba aoka izay ny fitiavan-kely sy ny fitiavan-tena.
Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy