]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Le Président Andry Rajoelina, TVM, 6 mars 2011, 20h

Le Président Andry Rajoelina, TVM, 6 mars 2011, 20h

CLIQUEZ SUR LA PHOTO POUR ENTENDRE LE PRESIDENT ANDRY RAJOELINA

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana !

Misaotra an'Andriamanitra isika, mitantana ny zavatra rehetra noho ny fiarovany lehibe sy ny fitahiany eo anoloan'ny ratsy . Ho azy irery anie ny  Voninahitra !

Tohina  ny Fo  manoloana ny  Fitiavana  sy Firaisan-kina nasehonareo tsirairay avy sy ny mpiray Tanindrazana rehetra manerana ny Nosy  taorian'ireny teti-dratsin'ireo tsy mataho-tody ireny.

Mivantana ao anatin'ny Fonay ny fanehoam-piraisan-tsaina sy ny firaisam-po natolotrareo. Koa amin'ny anaranay mivady sy ireo zanakay kely telo mianadahy no anolorako fankasitrahana feno sy fisaorana eram-po eran-tsaina ho an'ny Malagasy Tsy vaky volo. Tsy sanatria ny ratsy no mahafaly, fa ny fihetsika feno fitiavana sy ny fankaherezana nasehonareo na eo aza ny finiavan'ny olombitsy hanao ratsy.

Tsy voalohany akory izao ny fanakaramana mpikaraman'ady na vahiny io na eto an-toerana.
Ny fampiasana fitaovam-piadiana;
Ny fanapoahan-javatra tetsy sy teroaNy fikasana hamono;
Ny fanakorotanana sy ny hisian'ny savorovoro;
Ny tanjona kendren'izy ireo dia ny fampirorohona sy ny fandemen-tsaina ka hanakana antsika hiroso sy hampandroso an'ity firenena ity.

Nandritra izay roa taona mahery izay, dia betsaka ireo tsy manan-tsiny namoy ny ainy. Ampy angamba izay!

Misy mihitsy ireo mikatsaka ny hisian'ny ady an-trano eto amintsika.

Foto-pisainana mamoafady izany ary tsy mifanaraka amin'ny soatoavina maha Malagasy. Nefa izany no tian'ny sasany hovolena eto amintsika. Mbola mitohy ihany, mbola mitohy hatrany ny fitiavan-tena ka ny ao an-tsainy dia ny hoe “Raha maty aho, matesa rahavako”.

MAZAVA IZAO fa misy ny tsy vonona mihintsy hitady vahaolana hitsaharan'ny savorovoro politika sy hirosoana amin'ny fitoniana. Misy ny manao izay tsy ahombiazan'ny  Tetezamita ka mitetika ny tsy hitsanganan'ireo rafitry ny Repoblika fahaefatra. MAZAVA IZANY ANKEHITRINY !

Tsy ny fositra akory no tsy hambolem-boavahy, ary tsy ny sakana atao etsy sy eroa no  tsy hirosoantsika.

Efa nilaza ny tenako tamin'ny Fifampiarahaban-tsika tratry ny Taom-baovao 2011 hoe : “sarotra ny lalana ,nefa akory ny Voninahiny, Mafy ny Tanjona , nefa akory ny Halehibeny”.

Efa nanapa-kevitra ny Vahoaka Malagasy Masimandidy, Efa tafajoro ny Repoblika fahaefatra.

Hiroso aingana isika satria na ahoana, na ahoana dia tsy maintsy faranana haingana ny Tetezamita.

Ny adidy tsy an'olon-dratsy , ary matoa mbola tafajoro toy izao isika ry Malagasy  dia nomen'Andriamanitra andraikitra hanarina sy hanavotra ary hampandroso ity Nosintsika ity.

Vao tamin'ny Alarobia teo ny Antoko politika maro an'isa no nanapa-kevitra ny tsy maintsy hamitana ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena amin'ity taona ity, koa dia hiroso isika satria isika tsy naman'izay mihemotra.

Ry Malagasy namako !

Ny fihetsika mifono fankahalana nasehon'ny sasany dia voamaika mamporisika antsika hanamafy ny diantsika, toy ny tsy hamelantsika ho very anjavony ny ain'ireo namoy ny ainy ho an'ny Tanindrazana.

Tsy ekentsika hahazo vahana ny herisetra. Tsy maintsy ho tafita ity Nosy ity.  Tsy maintsy ny Fitiavana no  hampandrosoantsika ny Tanindrazantsika,

satria MASINA NY TANINDRAZANA !

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Andry Rajoelina
Filohan'ny Tetezamita - Madagasikara
Tvm, Alahady 6 mars 2011, 8 ora alina

==========================================

TRADUCTION

Malgaches mes compatriotes !

Remercions Dieu, qui guide notre destinée et qui nous couvre de sa protection vis-à-vis des démoniaques. Que son Nom soit sanctifié !

Devant toutes les réactions guidées par l’amour et la solidarité que vous avez montré, à travers la Grande île, après cet horrible attentat perpétré par des individus sans foi ni loi, c’est en mon nom, au nom de mon épouse et de nos trois enfants que je tiens à vous remercier du fond du cœur, Malgaches mes compatriotes sans exception. Ce n’est pas ce malheur qui nous a touché qui nous apaise mais c’est votre esprit de compassion spontanée face à certains individus qui n’ont que le mal à l’esprit.

Ce n’est pas la première fois que ce genre d’acte perpétré par des mercenaires étrangers ou locaux, est commis ; il y a eu utilisation d’armes de guerre ; il y a eu la pose et même l’explosion de bombes artisanale par-ci, par-là ; il y a eu des mouvements de foule qui se sont transformés en émeutes. Le but de toutes ces subversions est d’installer une atmosphère de terreur, de psychose afin de perturber nos efforts vers le développement de ce pays.

Depuis plus de deux ans et demi, il y a eu nombre de victimes innocentes qui ont payé de leur vie ces actes insensés. Il faut que cela cesse ! Or, certains semblent vouloir qu’il y ait une guerre civile chez nous. Il s’agit là d’une stratégie complètement à l’opposé de la culture malgache que ces personnes veulent inculquer ici. L’égoïsme, l’égocentrisme perdure encore chez ces personnes dont l’unique philosophie est : « Si je meurs, mourrez avec moi ».

A présent, tout est clair : de la part de ces personnes, il n’existe aucune volonté de chercher un apaisement social à travers des solutions à cette crise politique. Certains épuisent tous leurs efforts pour saboter la transition afin que les institutions de la IVème république ne voient pas le jour. Tout cela est clair comme de l’eau de roche aujourd’hui !

Mais ce ne seront jamais ces actes de haute trahison envers la nation qui nous empêcheront d’avancer. Lors de la cérémonie de présentation de vœux pour l’année 2011, j’avais déjà averti que la route sera difficile et parsemée d’embûches mais Dieu est Puissant, Son objectif est grandiose.

Le peuple souverain a déjà fait son choix et nous vivons déjà dans la IVème république désormais.

Nous devons garder les acquis et, quoi qu’il puisse arriver, la période de transition doit s’achever dans le plus bref des délais.

Accomplir ses devoirs n’est pas une action connue des démoniaques mais si nous sommes toujours debout, nous les Malgaches, c’est que Dieu nous a donné la responsabilité pour sauver et développer cette Grande île.

Mercredi dernier, de nombreux leaders de parti politique ont décidé que les élections législatives et l’élection présidentielle seront cumulées et organisées dans le courant de cette année. Aussi, n’étant pas de ceux qui avancent à reculons, nous allons accomplir cette étape finale.

Malgaches mes amis !

Les actes emplis de haine dont ont fait montre certaines personnes auront l’effet de nous booster encore plus, pour passer le turbo sur cette route vers la IVème république. Nous n’avons pas le droit de faire comme si de rien n’était en regard de tous ces martyrs qui ont donné leur vie pour la Patrie. Et nous n’accepterons jamais que règne la violence et la terreur. Cette île sera libérée de tous ces actes malfaisants. Et c’est l’Amour qui amènera le Développement de la Terre-de-nos-Ancêtres. Parce que la Patrie est sacrée !

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Traduction : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 07 Mars 2011 15:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...