Mpianatra miisa 250 no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Asabotsy faha-7 mey lasa teo. Teny amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano no nanatanterahina ny famoahana ireto mpianatra ireto. Mpianatra izay nofanina manokana momba ny teny Anglisy, nandritra ny efa-bolana ary afaka mandray asa avy hatrany.
Nahavariana sy nahatalanjona ny fahaizan’ireto mpianatra ny teny Anglisy, izay nanaovan’izy ireo fampiharana rahateo nandritra ny lanonana famoahana azy ireo. Hita tamin’izany fa dia mahafehy tsara izay teny vahiny izay ireto ankizy ireto. Ity teny ity rahateo no nifandimbiasana tao anatin’ny kabarin’ny tsirairay.
Raha mitodika amin’ny tantara momba ireto ankizy ireto dia izao : ankizy avy amin’ireo Tanà na ambany (“bas quartiers”) izy ireo. Izany hoe zanaky ny fianakaviana sahirana avokoa ireto vao nivoaka ireto. Ny tena tombon’ity nahazoana izy ireo mari-paizana dia ny fahafahany miasa avy hatrany. Ohatra : “ guides touristique”, hotely, sehatrin’ny Fizahatany, sns. Satria dia tena mahafehy tantareraka ny teny Anglisy izy rehetra ireo.  Ny FMS na Fikambanana Miahy ny Sahirana izay mikarakara ny ankizy sahirana no niara-niasa tamin’ny minisiteran’ny Mponina, nahafahana nanatontosa izao fampianarana ireto ankizy izao.
Tsy mahagaga raha tonga nanatrika teny Ankorondrano Andriamatoa Ravelosaona Bernard, Talen’ny DRSP (“Direction de l’Insertion sociale et professionnelle”), sampana iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Raharahara sosialy. Tsy adino koa Ramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, izay nanolotra ny  mari-pahaizana ho an’ireto ankizy ireto.
Ankoatra ireo nahazo ny mari-pahaizana amin’ny fifehezana ny teny anglisy, nisy 40 hafa nahazo ny mari-pahaizana afaka mampianatra teny anglisy.
Tsy vitan’izany fa misy ankizy roa no handeha hiasa amina orisana mpanao fromazy any Amerika (U.S.A). Porofo mitoaka amin’ny tenda, araka izany, fa azo atao tsara ny mampiakatra avo ny fahaizan’ireo ankizy sahirana eny ambany Tanà na ambany.
Jeannot Ramambazafy
Sary : Andry Rakotonirainy