]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Mananjary : Journée internationale de la Famille 2011

Mananjary : Journée internationale de la Famille 2011

 

C’est la ville de Mananjary (Côte est de Madagascar) que le ministère de la Population et des Affaires sociales, dirigé par Nadine Ramaroson, a choisi pour célébrer officiellement la Journée Internationale de la Famille (15 mai). Cette année 2011, cette date est tombée un dimanche.

CLIQUEZ ICI POUR VOIR L'ALBUM DE PHOTOS

Le thème de cette journée, pour les familles malgaches a porté sur la nécessité de se donner la main pour réguler la vie familiale, pilier du développement du genre humain. En malgache : « HIARA-MIENTANA ISIKA HAMPIRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA FOTOTRY NY FIVELARAN’NY MAHA OLONA ». Ci-après, le discours intégral de Madame la ministre.

 

Kabarin’i Ramatoa Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy


Andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana no nahavory lanina antsika maro be toa izao ka henin-kafaliana tokoa ny tenako manolotra fiarahabana antsika Fianakaviambe Malagasy rehetra ary ho anareo manokana fianakaviam-ben’ny Vatovavy satria eto Mananjary no hiarahantsika hankalaza amin’ny Fomba ofisialy an’ity Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fianakaviana ity.

Midika izany fa tsy adinon’ny Fitondram-panjakana ianareo, fa maro be ireo faritra izay naniry mba ho voafidy fa ianareo no nahazo ny tombondahiny.

Tsy Andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana isan-tokantrano rehetra ihany ity andro ity fa ho an’ny fianakaviambe Malagasy, ny tokantranony dia ity Nosy ity, ny tenim-pireneny dia ny Malagasy, ny Ray aman-dreniny dia ireo ray aman-dreny ara-drazana, ny ray aman-dreny ara-pinoana sy ara-panahy ary ny ray aman-dreny ara-panjakana. Ny zanako dia ny Vahoaka.

Nofidinay tokoa I Mananjary noho ny mafy nianjady tamin’ny fianakaviana maro. Teo ny fahavoazany vokatry ny tondra-drano nateraky ny rivo-doza ka naharava trano fonenana sy nahasimbana famokarana.

Teo ny fahamaizan’ny tokantrano aman-jatony izay namoizana harena sy fananana noharian’ny mpianakavy nandritra ny taona maro. Eo koa ny  resaka fomba amam-panao mampiavaka an’i Mananjary sy ny fisian’ny fifandirana eo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Ilàna fifanakalozana sy fifanabeazana eo amintsika mianakavy daholo izany satria mahakasika ny fiainam-pianakaviana mivantana. Mila mifampahery arak’izany isika, mila mifampizara hafaliana sy fifankatiavana, mila mifanentana ihany koa amin’izay tokony hatao sy ny tsy tokony hatao, ary fifandeferana.

Iarahantsika miaina fa mandalo fahasahiranana goavana ny firenentsika ankehitriny, noho ny tery vay manta ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena. Tsy mora ny zavatra niainan’ny fianakaviana Malagasy hatrizay. Sahirantsaina sy mitebiteby ny Raiamandreny mitady izay hamelomana ny ankohonana. Mitaintaina lava ny mponina ambanivohitra noho ny tsy fisian’ny fandriamphalemana. Tampin-dalan-kaleha ny tanora nahavita fianarana noho ny tsy fisian’asa sy ny fahosana ara-toekarena. Mivarilavo  amin’ny fivarotan-tena ny tovovavy sasany noho ny fahantran’ny Raiamandreny sy ny fitiavana rendrarendra ivelany.

Nandova faharatsiana sy fahoriana maro ny fianakaviana malagasy amam-polon-taona maro, noho ny toetra amam-pomba novolavolain’ny fahantrana, teo koa ny fiantraikan’ny fitantanana tsy mahomby nataon’ireo mpitondra nifandimby, ka zary mibaby ny tsy eran’ny aina ny taranaka aty aoriana. Natao ankilabao sy tsy nomena ny toerana sahaza azy ny Vahoaka hatramin’izay, ka mijoro ary miady amin’ny heriny sy ny fahefany rehetra ny Ministeran’ny Mponina ankehitriny hanome lanjany izany sosialim-bahoaka izany.

Eo indrindra no tsy maintsy anehoantsika ny soatoavina sy ny kolontsaina Malagasy, izay mifototra amin’ny firaisankina, amin’ny fifanohanana, amin’ny fifankatiavana, fa ireo no mandrafitra ny fiarahamonina mirindra sy milamina. Miainga ao amin’ny fianakaviana izany fifankatiavana sy fifanampiana izany. Tsy mety raha ao anivon’ny fianakaviana no mikorontana. Marefo ny fianakaviana miady an-trano noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika, ara-pinoana, ara-pomba amam-panao. Tsy maintsy mifandefitra noho izany ny mpianakavy, fa ny olon-kafa ivelany aza hajaina sy tiavina. Ny tombontsoa iraisana no atao hahamafy orina ny fianakaviana. Tsy ao an-tokantrano ihany izany fa eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena iray manontolo mihitsy.

Fahendrena Malagasy ny « trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana ». Mila averintsika izany amin’izao andron’ny fanovàna sy fidirana amin’ny repoblika vaovao izao. Fianakaviana iray isika Malagasy, fa iray ny teny, iray ny tanindrazana. Mila kolokoloina izany kolontsaina izany hananan’ny rehetra toetra mahay mifankatia, mifampizara, mifamonjy, fa amin’ny fotoana sarotra indrindra no ilàna ny fifanohanan’ny samy Malagasy, fa tsy hifanary na hifanenjika. Miainga eo amin’ny fianakaviana ao an-tokantrano izany, miitatra amin’ny fianakaviambe mpiara-monina, mpiara-miasa, ary mety hiafara hatramin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza.

Tsy mandeha ho azy anefa izany rehetra izany, fa tsy maintsy mijoro amin’ny fahasahiana sy fahatokisan-tena ary finiavana isika mianakavy, fa tsy hanaiky lembenana fotsiny, na hanaiky ho resy tsy miady tahaka ny olona tsy te hisahirana. Ady sy tolona lalandava ny fiainana ka tsy maintsy ialàna ny kolontsaina « zatra mahantra, sahiran-dava, tsy ampy sakafo, mitoetra amin’ny trano tsizarizary, mionona amin’ny zava-misy iainana toy ny hoe anjara sy lahatra ». Tsy mampivoatra izany toe-tsaina izany fa tsy maintsy manana tanjona sy nofinofy ary indrindra fanantenana ny olona tsirairay, manomboka eo amin’ny fahatanorany ka mandrapahalehibeazany.  Eny na teo aza ny tsy rariny, ny fitiavan-tenan’ireo mpitondra, ny fangoronan-karena nataon’ireo olom-bitsy ary indrindra ny tsy mba nahafahan’ireo sarambambe-bahoaka nampandroso ary nampivoatra ny fiainany noho ny zara vilany ary tombontsom-pirenena lasa ampihimamban’olon-tokana!

Isika Raiamandreny no natao ho fitaratra voalohany indrindra eo amin’ny zanaka aman-jafy. Isika Raiamandreny no itarafan’ny olona ny fandrosoana na fihemorana eo amin’ny fiarahamonina. Tompon’andraikitra amin’ny naterany avokoa isika Raiamandreny, fa tsy misy afaka manilika andraikitra amin’ny hafa, fa ny biby sasany aza mahay mamelona ny zanany na saro-piaro amin’ny zanany. Jereo ny fiarovan’ny Reniakoho ny zanany raha misy papango te hipaoka azy. Jereo ny fitondran’ny voronkely sakafo ho an’ny zanany amin’ny alalan’ny vavany. Diniho ny fiarovan’ny biby any an’ala ny zanany amin’ny fanafihan’ireo biby masiaka sy mpiremby sakafo. Tsy ambakan’izany akory isika olombelona, fa nomen’Andriamanitra saina sy fanahy hamantatra ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao.

Ny lohahevitra noraisana ho filamatra amin’ity 15 mey 2011 ity rahateo dia miompana amin’ny hoe « HIARA-MIENTANA ISIKA HAMPIRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA FOTOTRY NY FIVELARAN’NY MAHA OLONA ».

Koa izay misintona ny rendrika. Ny manam-pahaizana mampianatra ny tsy ampy fahalalana. Ny mahery miaro ny malemy. Ny manana manome ary mahafoy ho an’ny mahantra. Ny Raiamandreny miahy ny zanany. Ny zanany manampy ny Raiamandreny. Ny lehilahy matanjaka miaro ny zaza amam-behivavy. Ny mpitondra miahy ny vahoaka. Ary ny vahoaka miasa sy manao adidy amin’ny firenena. Izay fifamatorana sy fifampizarana fitiavana eo amin’ny mpiara-monina sy ny mpianakavy izay no mampirindra ny fiainam-pianakaviana, manatsara ny fiarahamonina, ary mampandroso ny firenena.

Manana ny harena sy izay ilaina rehetra azon’ny fianakaviana ivelomanana mandritra ny taona maro ny Faritra rehetra. Resaka fandaminana ny fiarahamonina ara-politika ary indrindra ara-tsosialy fotsiny no ilaina, miampy ny fitrandrahana ara-drariny sy manara-penitra ny otrikarena isam-paritra. Ka tokony samy handray ny andraikiny avokoa ny mpitondra fanjakana isan’ambaratongany sy ny fianakaviana isan-tokantranony, fa ny fiaraha-mientan’izy roa ireo no hampivoatra sy hampilamina ny firenena.

Nandalo an’izany lamina ara-tsosialy sy ara-toekarena izany avokoa ireo firenena efa lasa lavitra ankehitriny ireo, saingy ny fananany saina hitrandraka ny hareny sy hitrandraka ny haren’ny tany madinika no nampanan-karena haingana azy. Ka inona no andrasantsika tsy hitrandrahana ny harentsika arak’izay ilaintsika sy mahamaika antsika, fa tsy arak’izay tian’ny vahiny sy arak’izay tombotsoany ihany ? Ajoroy ny hambompom-pirenena sy ny fitiava-tanindrazana izay filamatra noraisintsika tamin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena teo. Aoka tsy ho teny mahazatra ny mpanao politika sasany fotsiny izany filamatra izany, fa teny arahin’asa sy fitsipi-pitondrantena mendrika, fanavaozana ny foto-pisainana ary tsy fanekena ho lembenana intsony, ho amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, izay fototry ny fivelaran’ny fianakaviana, ary miantoka ny fampandrosoam-pirenena.

Dia mirary ny fianakaviana Malagasy rehetra ho tafarina amin’ny nampahafantarina azy ny korontam-piarahamonina mahazo azy izao ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy, fa ny fianakaviana vonona sy vanona no taratry ny famirapiratan’ny firenena malagasy rahampitso.

Am-pamaranana dia mila fantantsika Vahoakan ‘i Mananjary fa anisan’ny fanovana netin’ny Tetezamita hiampitantsika amin’ny Fitondrana vaovaon’ny Repoblika faha-efatra dia ireto :

1. Ny fifanatonana, fiaraha-miasa ary fifanakalozan’ny vahoaka sy ny fitondrana. Taloha mantsy dia nifanalavitra izy ireo ary navelan’ny vahoaka nanao ny tsy nety ny Fitondrana ka nahatonga ny fampahantrana sy ny tsindry hazo lena nianjady tamin’ny vahoaka.

2. Ny fahalalana miteny, maneho hevitra, mitsikera ary manankiana raha misy ny diso na tsy mahasoa ary tsy ho an’ny tombotsoam-pirenena, henontsika ary hitantsika izany amin’ny gazety sy ny haino aman-jery.

3. Tsy mitrosa ny Firenentsika

4. Ny Ministeran’ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy dia miaro, miady ho an’ny vahoaka ary indrindra mitondra teny ho an’ny vahoaka mba tsy hisy intsony ny ankilabao ary tsy hisy intsony ny tany lavitra Andriana

Tsy misy Malagasy tsy resy lahatra fa anisan’ny firenena faran’izay manan-karena ity firenentsika ka tsy misy na anton’iray aza no mampahantra ny Malagasy raha tsy niniana natao amin’ny tsy fahaiza-mitantana ary fanararaotana ny hatsemboan’ny sasany ary ny fahalemena.

Ka aleontsika ary ny hery, ry Mpiray Tanindrazana Malala, Fianakaviambe tsara tokantrano isika ka halavirintsika ny 50 taona lasa ary ho hampidirintsika amin’izay ny 50 taona ho avy ho an’ny SOSIALIMBAHOAKA ary ho olom-pirenena mendrika ny maha-tompon-tanindrazana manan-karena ny Fianalaviambe Malagasy tsivakivolo.

Nadine RAMAROSON

Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Mananjary, faha-15 May 2011

Mis à jour ( Lundi, 16 Mai 2011 00:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...