]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO II

CGM Analakely-Sandratra : nivoaka ny boky TANDRIMO II

Vaovaon’ny Faribolan’ny Mpanoratra SANDRATRA nandritra ity IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY ity.


Tontosa tao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely ny alarobia 22 jona 2011 tolakandro teo ny Antsantononkalo tamin’ity volana ity. Nakarina an-tsehatra sy nantsain’ireo mpiray faribolana ny ampahany tamin’ireo tsangan’asan’I Zo-Maminirina sy i Tolotra Arinandriana, navondrona tao anatin’ny amboara “TANDRIMO II”. TANDRIMO Boky faharoa io satria efa nisy ny Boky voalohany nivoaka tamin’ny volana mey 2001, tao amin’ny CGM ihany.


Toy izao no ampahan’ny teny fanolorana nataon-dRakotonirina GĂ©rard tamin’ity boky “TANDRIMO II” ity, izay azo heverina ho mahafehy sahady izay fizotry ny antsan-tononkalo ny alarobia lasa teo :

“ Manodina fanindroany ny tandrimony i Tolotra Arinandriana sy I Zo-Maminirina amin’ny alalan’ity amboara ity. Horonan-ditera maro noladinina ho soratra no tonga tady nampihodinan’izy mianadahy ny tandrimo kilalaony. Fa tanana ahetsiky ny fiainana iainany sy ny fiaraha-monina itrebohany kosa no angovo nisarihana azy hikorisa hamela dindo any amin’izay tany hiararetra hiantefany any. Kianja mbola midadasika azo ampisonenehana ny tandrimon’eritreriny sy ny aingam-panahy ateraky ny “hodina” rahateo ny tontolon’ny boky sy ny asa soratra, ka azon’izay tsy sarotim-panina rehetra ampandihizana ny “azy” hamelana sary avy amin’ny jijiny, mandra-pitolefiny. Tandrimo, ilay kilalaon’ankizy tsy hahatsiarovany hanoanana eo am-pilalaovana azy, fa hifanomezany fotoana indray rahampitso hampandihy. Toy ity tany mihodinkodina izay zara-toerana nomen-Janahary hivahinianantsika ity, dia taratry ny fepetra maha olombelona ahodin’ny fiainana koa anefa ny tandrimo, ka tsy laitra mihitsy fa satry foana hanodina azy sy hanjohy ny fijijiny mandra-pijanony ... raha tsy fanina. Izay mitsahatra aloha no resy eo! ”.


Nihodidina ny iavian’ny aingam-panahy, ny fivelomana miatrika ny soratra, ny sariitatry Ramafa sy Ramika nandravaka ny boky sy ny efitrano niantsana, ny mahasamihafa ny Slam sy ny tononkalo, ny haisoratry ny ankehitriny hatramin’ny filozofia sy ny tantaran’ny haisoratra ny adihevitra nentin’ireo mpijery nifanakalo tamin’izy mianadahy. Nanome aina ny fihaonana ny fiangalian’Ifanihy ireo ampahan-kirany, ny Tarika Iarivolahy izay anisan’ny zandriny, ny Tarika Androbe (Zanak’Ifanihy).



Ny Antsan-tononkalo ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM amin’ny alarobia 27 jolay 2011 kosa dia «TAKALO
 KALO», izay hiantsan’ireo mpanoratra manao ny fandaharana « Korirakanton’ny haisoratra » ao amin’ny ACEEM RADIO ny soratry ny Faribolana SANDRATRA.



Mialoha izany, hakarin’ny Faribolana SANDRATRA an-tsehatra indray ao amin’ny efitrano malalaky ny Goethe-Zentrum/CGM, Analakely ny asabotsy 2 jolay 2011 izao, amin’ny 3 ora tolakandro ny tantara tsangana « RENTY MANADALA ». Heverina fa mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy ankehitriny, eo amin’ny fifandroritan’ny hery ivelany (Rafahaizana sy Ravola) amin’i Nosy (Madagasikara) ity tantara ity, izay efa nolalaovina voalohany tao an-toerana ihany tamin’ny taona 1994.



Nasiam-panavaozana ny rindran-tsehatra notarihin’i Solofo JosĂ©, ankoatra ireo mpiantsehatra vaovao sasany. Marihina fa natao ho vonan’ny Iray volan’ny teny malagasy, araka ny fomba anamarihan’ny Faribolana SANDRATRA azy io tantara tsangana io. Aorian’io, ny alin’ny 2 jolay 2011 ho avy izao ihany, hisy ny ALIM-BETSO goavana hatao eny Bevalala, nantsoina hoe « AFON-DASY » iarahan’ny mpiray Faribolana sy ireo Sakaizan’ny SANDRATRA rehetra, anasana ny mpitia haisoratra tsy ankanavaka. Hifanakalo kalo sy ainga ary hira ny rehetra. Ho avy hanafana izany rahateo ireo mpanakanto mpihira tsy mahasaraka ny Faribolana SANDRATRA toa an-dRALANTO sy ny maro hafa.


Nandritra izany, maro ireo hetsika toy ny vela-kevitra nandraisan’ny Faribolana SANDRATRA anjara nandritra ity volana ity. Anisan’izay ny fanazavana ny tontolon’ny haisoratra tamin’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana tao amin’ny sekoly Md Canisius, Ambohipo ny alarobia 22 jona maraina teo. Nitondra ny dinika i Solofo JosĂ©, i Avelo Nidor, i Nofy, i Tahiritsoa ary i Liantsoa.



Tsiahivina fa nisy koa ny “Vasavasa 
 Tafatafa” natao tao amin’ny Unesco Behoririka ny alarobia 8 jona lasa teo, izay nandaharan’I NIRY-SOLOSOA ny “NY SAINAM-PIRENENA, FANDRISIKA NY HAMBOM-PO SY FITIAVAN-TANINDRAZANA”.


Mankasitraka indrindra ny fiarahantsika miasa amin’ny fanelezana ny vaovaon’ny haisoratra, ary mirary soa. Indreto ampiarahanay amin’ity fampitam-bavao ity ireo sary mety ilaintsika, indrindra ho an’ny gazety an-tsoratra. Ankoatra ireo tera-tany vahiny niara-nianoka, nisy koa ireo tanora sembana ara-pahitana (jamba), nanotrona sy nianoka.

Ny Faribolan’ny Poeta sy ny Mpanoratra Sandratra – www.madagate.com

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Juin 2011 04:02 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...