Le 26 juin, c’était la fête de l’Indépendance de Madagascar. Le 4 juillet, celle des USA. L’ambassade américaine ayant préféré fêter, le 30 juin 2011, départ définitif du Chargé d’affaires p.i., Eric Stromayer, il y avait d’autres chats à fouetter pour le gouvernement de la transition, ce jour-là .
Ainsi, la célébration des 51 ans du retour de l’indépendance malgache s’est poursuivie, ce 4 juillet 2011, du côté d’Ankorondrano. En effet, la ministre de la Population, le ministre des Forces armées, le Secrétaire d’Etat à la Gendarmerie et onze épouses de ministres, ont procédé à la distribution aux couches défavorisées et aux personnes du troisième âge du quartier d’Ankorondrano, à Antananarivo.
Sans oublier les 17 centres sociaux qui y sont implantés. Hormis cette descente sur terrain, il n’est pas inutile de préciser, ici, c’est le pouvoir de transition, présidé par Andry Rajoelina, qui a financé cette opération, à hauteur de 44.472.000 Ariary. Reportage en photos.
MANDRAY ANDRAIKITRA FENO AMIN’NY VAHOAKA MALAGASY NY FITONDRANA TETEZAMITA
Ankorondrano, faha-4 Jolay 2011
Tsy mitsahatra, fa dia mitsinjo no sady mijery ny fianakaviana sahirana hatrany  ny fitondrana tetezamita tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina. Porofon’izany ny fizarana sakafo ho an’ireo olona sahirana,  izay natolotry ny minisitry ny Mponina niarahany tamin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ary notronin’ireo vadina minisitra miisa 11.
Ity hetsika ity dia mbola tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-51 taonan’ny fiverenan’ny Fahaleovantena malagasy. Natao ihany koa ho fintsijovana ireo sahirana, ka anisan’izany koa ireo zokiolona. Teny Ankorondrano moa ny nanatontosana io fizarana io.
Nozaraina tamin’izany ary: vary 120 gony ; tsaramaso 30 gony, menaka 500 litatra, bodofotsy 500, nomena ireo zokiolona. Teo koa ny fanomezana hoan’ireo sembana izay nahitana vary 1 taonina 400kg, menaka 350 litatra, tsaramaso 350 kg, bodofotsy miisa 30.
Teo ihany koa ny fanomezana hoan’ireo ivon-toerana misahana ny asa sosialy (“ Centres sociaux ”) izay miisa 17, ka nahitana vary 35 gony, menaka 78 baoritra, tsaramaso 19 gony.
Vola mitentina 44 472 000 Ariary no natokan’ny fitondrana nanaovana ity fanomezana ity, izay nitatitra mihitsy ny minisitra nyè mponina fa dia natao mangaraharaha ny fizarana , ary mandray andraikitra feno ny fanjakana, satria fantatra fa betsaka ny sahirana eto amintsika ka nahatonga ny fitondrana tetezamita nanao izao hetsika izao.
Textes : Jeannot Ramambazafy –Andry Rakotonirainy
Photos: Andry Rakotonirainy