]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche MIARAMILA MALAGASY VE ? NATAO FITAOVANA POLITIKA HATRANY

MIARAMILA MALAGASY VE ? NATAO FITAOVANA POLITIKA HATRANY

Nanomboka ny nahazoana Fahaleovan-tena ny taona 1960 ho an’ny Miaramila sy ny taona 1958 ho an’ny Firenena Malagasy dia tsy nijanona nitady ny famaritana ny atao hoe Fahaleovan-tena ny Malagasy. Ny Repoblika voalohany dia nofaritana ho Repoblika napetraky ny Frantsay, izany hoe karazana fiampitana makany amin’ny tena Fahaleovan-tena tanteraka.

Rehefa nifandimby anefa ny fitondrana teto Madagasikara dia misongandina ao amin’ny tantara fa fifandimbiasam-pitondrana tamin’ny alalan’ny fandrombahana fitondrany no nisy sesilany na tamin’ny alalan’ny fifidianana sarintsariny satria tsy nialana kisa ho an’ireo resy tamin’ny fifidianana ny tantaram-pirenena indrindra teo amin’ny lafiny ara-politika.

Nanomboka ny taona 1975 dia hita mibaribary ny fikasana ratsy nifandimby na ho an’ny tompom-pahefana vetivety izany na ho an’ireo izay te handrombaka fahefana. Tsy hita soritra hatrany ny fiarovana ny hetsika mitombona ara-politika maneho fikasana ny hitondra mba hampandroso ny Tanindrazana sy ny mponina ao aminy, ifandrindra amin’ny firenen-kafa sy ampirindra ny fiaraha-monina.

Ny miaramila hatrany no nentina nanakorontanana teto amin’ny Firenena ary lasa fanohitra tsy azo idifirana ny miaramila ho an’ireo mpanao politika nanomboka ny taona 1975 ka hatramin’ny taona 2002, na mivantana na ankolaka izany. Tamin’ny tolona natao nanomboka ny taona 2009 ihany no nivoitra fa tolom-bahoaka no tena nisy ka na ireo miaramila amperin’asa aza dia lasa nisalontsalona ho nanampy ny Vahoaka ka toa lasa nitolo-tena ho tompon’ny tolona natao.

Amin’izao ankatoky ny fifidianana hifanesy izao dia maro ireo tsy maty voalavo an-kibo, miezaka hatrany ny hampandresena ny fanakorontanana eto amin’ny Firenena no manana fikasan-dratsy ny hanao fitaovana ny miaramila ho antoky ny fandrombahana ny fitondrana eto Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia fantatra tsara fa manana ny sata mifehy azy manokana ny tafika ary manana ny sata mifehy azy manonkana ny asa fanaovana politika. Tokony ho tandrovina toa ny anak’andriamaso ny fampisafotofotoana ireo toerana roa ireo, ary zara aza ireo miaramila mpikaraman’ady nanao izany asa fikaraman’ady izany izay nifandimbiasan’ireo mpitondra talohan’ny 2009 ireo any am-pigadrana ankehitriny, raha lamina sy fifandrindrana ara-piaraha-monina no ilaina.

Ankehitriny dia voasonian’ireo mpanao politika ny tondro zotra ialan’ny Malagasy amin’ny aretina fara-fahamafisany niainany nandritra ny taona teo alohan’ny nanasoniavana izany tondro zotra izany. Natao tokoa amerenana amin’ny laoniny ny fiasan’ny rafi-panjakana rehetra eto Madagasikara ny tondro-zotra ny anavahana ny asan’ny tsirairay ao anaty rafitra ka azo lazaina fa fiasana mahomby ny fampiharana azy ary azo antoka fa famoahana amin’ny fahasahiranana io fa tsy hiteraka fahasahiranana vaovao.

Hita ombieny ombieny fa mitaky ny amoahana ny gadra politika sy ireo miaramila mpikaraman’ady ireo mpanohitra ankehitriny: ireo filoha teo aloha (Atoa Didier Ratsiraka, Atoa Zafy Albert, Atoa Marc Ravalomanana).

Ireo gadra politika, na ireo mbola any am-ponja na ireo izay nomena fahalalahana iriorio eto amin’ny Firenena, no rangory fototry ny afo nahatonga hatrany ny fikorontanana teto amin’ny Firenena.

Ireo miaramila notanana eny Tsiafahy ireo no miaramila tsy voafehy teo anivon’ny tafika ka nokaramaina hatrany hatrany nanao ny asa feno habibiana rehetra ary sahy mihitsy nifanandrina tamin’ny tafika ara-dalàna :

Ny taona 2002 : Teo an-daniny nampiasa milisy Atoa Ratsiraka Didier ary teo an-kilany nampiasa ny zana-dambo Atoa Ravalomanana, izay samy notarihin’ireo miaramila mpikaraman’ady migadra any Tsiafahy ankehitriny ;

Ny taona 2009 : Ireo miaramila voatonona ireo no niady tamin’ireo miara-mila am-perin’asa araka ny vetsovetsom-pony manokana;

Ny taona 2010 :
- Nohitsakitsahana ny hasina sy ny sata mifehy ny fitobia-miaramila ary nampiadiana ny samy miaramila teo amin’ny FIGN ; ary dia sahy niteny tamin’ny fomba ofisialy Atoa Ravalomanana Marc fa izy no namatsy vola tamin’izany fihokoana izany ;
- Nokaraman’Atoa Ravalomanana Marc ny GĂ©nĂ©ral Noely, ny Colonel Charles sy ireo namany nampian’ireo andiana sivily nioko sy niantsy ady tamin’ireo miaramila ara-dalĂ na  teny amin’ny BANI.

Ankoatra izany raha ny momba an’Atoa Ravalomanana Marc manokana no asian-teny dia izy no tena sahy nampihakatra mpikaraman’ady teto Antananarivo izay sahy nivantana nanosiosy ny hasin’ny Tafika sy ny fitiavan-tanindrazana.

Ankehitriny dia tsy mijanona ny mandrangitra ny amoahana ireo miaramila mpikaraman’ady ireo ny ankolafy telo (Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana), amin’ny alalan-dRatoa Lalatiana Ravololomanana ohatra, satria mihevitra hatrany izy ireo fa azony lalaovina sy vidiam-bola ny hasin’ny Tafika izay manda farany eto amin’ny Firenena.

Manoloana ny fiantsiana misy sesilany, satria tsy miseho mivantana ny andry mahefa eo amin’ny Tafika, dia mihevitra ireo mpanohatra bontolo ireo fa malemy ny fitondrana ary azo sangisangiana ny Tafika satria tsy mijoro amin’ny azon-damosiny ary tsy sahy misetra toa ny nataon’ireto vitsy an’isa mpikaraman’ady ireto.

Natao gaboraraka ny fitantanana teo anivon’ny Tafika ary lasa tsy niaro intsony ny andrim-pirenena ny Tafika fa lasa fitaovana ara-politika ampanjakana ny didin’ny baroa teto amin’ny Firenena.

Ny tolona noezahan’ny fitondram-panjakana teteza-mita natao : fanomezana hasina ny Tafika ho andry fiarovana ny Firenena sy ny andrim-panjakana, tafika moderna dia ho raraka an-tany satria mivoana tanteraka amin’ny sata demokratika, ny fiandrianam-pirenena ary ny fankatoavana ny fampiharana ny tondro zotra no lasa kilalaon’ireo mpanohitra mivantana ny fanjakana teteza-mita.

9 Janoary 2012

RAJAONA Simon
Mpandinika ara-tantara

Mis Ă  jour ( Mardi, 10 Janvier 2012 16:11 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...