Zafy sy ny satroka penjy nampalaza azy ny taona 1991
SAMY HAFA NY TOLONA FANALANA ny MPANAO JADONA sy ny HETSIKA HAMERENANA IREO MPANAO JADONA
Voninkazo no mody lazain-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana sy ry Zafy Albert aterina ery ambohijatovo, nefa fambolena rotaka, sakoroka hampianjera ny Filoha Rajoelina sy hamerenana an’ingahy Ravalo no ao ambadika ; sao dia heverinareo ho vendrana na sanana daholo ary ny vahoaka malagasy ka tsy ahalala ny tetikareo ?
Atao litania ilay hoe : “ kianjan’ny demokrasia ny ao Ambohijatovo, izay notokanana telo taona lasa izay, ka tsy avelan’Andriamatoa Rajoelina hidirana “. tsarovy ary ataovy ao an-tsaina sy an-doha fa SAMY HAFA NY TOLONA FANALANA ny MPANAO JADONA toa ny nataon-dRajoelina tamin’ny taona 2009 sy ny HETSIKA FAMERENANA IREO NANAO JADONA toa ny ataon-dry Zafy sy ry Magro ankehitriny. “Normal” na tsy mahagaga raha voasakana ry Zafy sy ry Magro. Efa naverimberiko foana fa misy resaka FANAHY sy fandaharan’ANDRIAMANITRA vao mahomby ny hetsika iray fa tsy izay te hamory vahoaka sy haka fahefana akory dia ahomby daholo. Ie na ny Filoha Rajoelina aza tsy anjely latsaka an-tany. Nefa misy ny lamina nomen’ Andriamanitra azy izy; iraka no maha Filoha azy io; mety ho Filoha izy ao aoriana ao, na koa ity tetezamita ity ihany no iraka nampanaovina azy. Ny tantara no hitsara an’ izany .
Toa natao hanohitra mandra-pahafatiny r’Ingahy Zafy Albert sy Ramatoa Lalao Ravololomanana ireto, hoy ny maro. Mahagaga nefa tsy mahagaga satria ny olona « nanaliaka » sy nampijaly azy ireo taloha no tompoin’izy ireo indray ankehitriny, dia Ingahy Ravalomanana izany. Mbola TADIDIN’ NY MARO ry ZAFY ALBERT sy ry TABERA nataon’ny mpomban-dRavalomanana haza lambo, nisy voadaka aza, teo amin’ny kianjan’ny 13 May, tamin’ny volana desambra 2005; tsaroana koa ry Lalatiana Ravololomanana vaky nandositra tany Andafy ary tsy tafody teto raha tsy ny tolona notarihan’i Andry Rajoelina teto.
Tamin’ny volana fevrie sy marsa 2002 dia tadidio koa (azo jerena ao anaty tahirin-gazety rehetra izany) fa ny olon-dRavalomanana mihitsy no nanao haza lambo izay nanao fihetsiketsehana rehetra eran’ny tanàna, toy ny nataon’ny Arema tery Anosikely, izay notorahana sy nitondran’ny mpomban-dRavalo langilangy. Tantara marina izany. Asa ry Rabelaolao (TTF: mpanao gazety) na mody hanadino an’izany, ary dia nipirina ny Arema avy eo. Voaporofo teo ilay lazaina hoe: mila mahatsiaro tena sy mangina izay avy nanaotao foana sy nangalatra teo amin’ny fitondrana fa raha tsy izany dia ho lava ny disadisa .
Vary 2500 iraimbilanja, menaka 12500 iraimbilanja, « bois de rose »… Izany foana no atao litania hamendrofendrona. Fa mba nankaiza zao lay bokin’i Zafy mitondra ny lohan-teny hoe : «Un roublard au pouvoir» iny ? Izay nanazavany ireo ampihimamba, ampamoaka momba an-dRavalomanana. Sa efa lasa akama Ingahy Ravalo dia iniana adinoina aloha izany ? Ny vary 2500 irambilanja izany anie fanao isaky ny misy tondra-drano na “cyclone” e ! Izao aza ny Filoha Rajoelina roa volana izay dia nanome vary maimai-poana ho an’ny olona aman’aliny. Ie na dia lazaina ho manjono vahoaka koa aza izy, tsy aleo ve omena ny vahoaka mivantana ny fanampiana dieny mbola afaka mijoro sy velona izy ? Fa tsy atao toy ny nataon-dRavalomanana : nafangaro sy/na nalaina ny volampanjakana nanatevenana ny tombotsoan’ny orinasany: Tiko, Magro…
Tao koa ny nividianany fiaramanidina manokana, (FMI sy Banky iraisam-pirenena no nanao fanamarihana an ‘izany ny volana desambra 2008 ); nanafatra omby vavy be ronono ny fanjakana tamin’izany dia avy eo ny orinasa Tiko no nividy mora ireo omby vavy. Manginy fotsiny ny ampihimamba amin’ny resaka vary, ronono sns… Zava-nisy sy marina daholo izany. Fa raha ohatra manao toy izany ny Filoha Rajoelina sy ny orinasany manokana amin izao fotoana izao, dia resaka hafa indray izay, ka asakasak’izy ihany raha sahy hanao an’izany. Izay no ilazana hoe: izay mpitondra manaotao foana rehetra dia hoesorin’Andriamanitra sy ny vahoaka eo amin’ny fitondrany amin’ny fotoana tsy ampoizina, na ho ela ho haingana ary voamarina teto amintsika izany.
Averiko indray fa raha mbola tsy mahatsiaro tena foana ireo avy nitondra toa an-dry Ravalomanana, Zafy, Didier Ratsiraka; raha mbola mihevi-tena ho tsy nanao ratsy sy nanaotao foana izy ireo dia mbola ho lava ity tetezamita ity (tokony tsy ho gaga raha amin’ny taona 2013 vao vita ity tetezamita ity raha misy foana ny fanakorontanana toy izao). Satria tadidio sy fantaro ny tantara teto fa izay mpitondra avy nanaotao foana sy namono olona teo amin’ny fitondrany dia nahalala nipetraka sy nifitsaka ary nangina daholo rehefa voahala na voahilika , toa an-dry dadabe Tsiranana sy ny Amiraly Ratsiraka izany .
Averina foana fa nisy tolona fanalana ny jadona teto tamin’ny taona 2009, na inona filazana izany na inona. Ekena fa tolona nataon’ny ampaham-bahoaka aman'aliny na aman'hetsiny manerana ny Nosy izany; tolona nataon’ny olona sahirana sy madinika, nataon’ny mpanao politika sasany voan’ny tsindry hazolena. Tolona nataon’ny ampahana mpitandro filaminana natao ankilabao; nataon’ny olona voageja ara-ekonomika nohon’ny ampihimamba nataon’ny orinasa maro be an-dRavalo (Tiko, Magro, Alma sns…).
Lalatiana Ravololomanana sy ny Profesora Zafy Albert : rano sy vary eo amin'ny fanoherana lava reny tsy mitombona fa mipetraka eo amin'ny fanaratsiana olona ihany, eto Madagasikara
Irika na kendrin-tohana fotsiny iny raharaha polisy sy mpitsara tany Toliary iny ; ary tsy tongatonga ho azy ny fiarahan’ny Seces (mpampianatra mpikaroka ambaratonga ambony), Smm (fikambanan’ny mpitsara ) ary ny mpiasam-panjakana ambony sasany (“Grands corps de l’Etat”). Tsy tongatonga ho azy koa ny fitsangan‘ilay karazana “syndicat “-n’ny mpanao gazety izay misy olon-dRatsiraka, Maihol, Ravalomanana ary ireo namadika an-dRajoelina. Indrindra fa teo koa ny filazan-dRavalomanana hoe tsy maintsy ho avy ato ho ato izy. Mody takiana tsirairay ny fialan’ny minisitry ny Fitsarana, Fitantanam-bola, izay olona mahatoky an-dRajoelina daholo (mody ampitoviana tamin’ny tolona 2009 ilay izy ), satria raha tafa ala ireny minisitra ireny dia misy mihevitra (olon-dRavalo ao anatin’ireny hetsika ireny no tena mihevitra izany) fa moramora ny fodian-dRavalomanana eto. Teti-panorona daholo izany ary asakasak’izay mikiry hampiasa izany, soa fa efa fantatry ny vahoaka ny MARINA. Tsy tongatonga ho azy ihany koa ireo grevy lavarenin’ny mpitsara sy ny mpampianatra Seces ireo. Ny mpianatra no tiana jonoina hanampy azy ireo. Soa fa misy nahatsiaro tena ny mpianatra sasany. Efa vita ny planina hanakorontanana ny firenena , ireny teny ambohijatovo ireny ny santionany. “Ingahy Ravalomanana raha tsy an-tery tsy tafiditra eto izany”, hoy ny maro. Noho izany raha tsy mailo isan’andro ny mpitondra ankehitriny dia ho tojon’ ny sarotra .
Misy koa manao analizy fa tetika hakan-dry Zafy fahefana ambongadiny samy irery ireny korontana teny Ambohijatovo ireny (17 janoary 2012) satria amin’izay mantsy tsy ho tafaverina eto mihitsy Ravalo, satria ho lazaina ho toy ny tsy milamina foana ny tany. Hevitra ihany anefa izany fa ny tena izy dia efa izao iaraha-mahita izao : ny sasany manakorontana ao anaty fitondrana; ny sasany ety ivelany manakorontana mody mahatsiaro daty efa “nalikainy” dia mody manao sinema sy mandainga ry Zafy sy Lalatiana Ravololomanana milaza hoe: tsy olonay ireo anaty governemanta sy ny manodidina an’ny Praiministra Beriziky ireo. No izany tsy mahagaga, hoy ny maro, raha toa ataon’ Andriamanitra mihodikodina manakorontana sy manohitra ny androm-piainany ety an-tany. Mba fakafakao sy diniho anie izay fa tena marina izany e : SAMY HAFA NY TOLONA FANALANA ny MPANAO JADONA sy ny HETSIKA HAMERENANA ireo MPANAO JADONA .
Marina Ratia
Antananarivo, 18 janoary 2012