Miala tsiny amin’n vady aman-janany (sy aminareo mpamaky ihany koa) raha izao vao manoratra fahatsiarovana an'i Lydiary. Ny antony dia tsy maintsy lahatsoratra amin’ny teny Malagasy no nezahina natao.
65 taona i Marie Lydia Razaiarimanana no nandao antsika, ny Alahady 09 Septambra 2012 lasa teo. Lydiary no nahafantaran’ny be sy ny maro azy. Indrindra moa ireto mpihaino maro dia maro ny Rnm. (“théâtre radiophonique”) i Lydiary. Ary tsy afa-misaraka amin’ny anaran-dry Solofo José (vadiny) sy I Vandanitra ny anarany, eo amin’io izany sehatry ny tantara amin’ny onjam-peo izany.
Tsy vitan’ny hoe mamaky ihany fotsiny izy fa dia nanoratra mihitsy. Ary nihitatra tany amin’ny sarimihetsika izany fahaizany manoratra tantara izany. Asa ianao raha mba nijery ilay horonan-tsary hoe “An’iza aho”, nivoaka tamin’ny taona 1993? Asa soratr’i Lydiary io tantara io. Ao koa ny hoe “Zavazava” mirakitra ny fomba fiadiana amin’ny sida. Nisy aza sarimihetsika mirakitra ny vintandratsin’ireo zaza kambana any Atsimo atsinana any.
Ny vady aman-janak'i Lydiary
“Masiaka be ronono”, hoy ny ankamaroan’ny mpianany. Mpampianatra teny Malagasy ihany koa i Lydiary. Mazava moa fa rehefa mpampianatra dia mpanabe ihany koa. Izany ny antony nidirany tao amin’ny fotodrafitr »asa « Dinika sy Rindra ho an’ny Vehivavy » na Drv, izay mikolo ny reny sy ny zaza malagasy. Reny sy rahavavy izany no nandao antsika. Nisy fotoana misy aza notanany andraikitra mifandray amin’izany tao amin’ny ministeran’ny Mponina.
Matetika rehefa mahay manoratra dia mirona amin’ny famoronana poezia ary miezaka miaro io lafin’ny kolontsaina io. Tsy iza fa dia i Lydiary, Solofo José, Gérard Rakotoniriana ary Elie Rajaonarison no nanangana ny Faribolana Sandratra na « Cercle des poètes et écrivains » aminy teny frantsay. Manana gazety ioFaribolana Sandratra io. « Ambioka » no anarany ka i Lydiary no niandrakitra ny pejin’ny Vehivavy sy ny haisoratra.
Ny Alarobia 12 Septambra 2012, andro nandevenana azy dia notoloran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka ny mari-boninahitra « Grand officier de l’ordre National » i Lydiary. Mandrika izany I Lydiary, Olon’ny Kolontsaina Malagasy feno. Vakio ery ambany.
Izahay eto amin’ny www.madagate.com dia maneho ny fampiononana feno ho an’ny vady aman-janany. Mandrià am-piadanana ry Lydiary.
Jeannot RAMAMBAZAFY – 13 Septambra 2012
===========================
Anarana : RAZAIARIMANANA
Fanampiny : Marie Lydia
Solon’anarana : Lydiary
Teraka ny : 03 febroary 1947
Nodimandry ny : 09 Septambra 2012
Asa soratra natao :
tononkalo, sombintatara, angano, tantara fandefa amin’ny onjampeo, lahatsoratra, soratra sarimihetsika.
Sangan’asa efa nivoaka:
- Tononkalo : Amboaran-tononkalo SANDRATRA, 1988, TONTOLO ISAINANA, 1989, SANDRA-KALO, 1999
- Sombitantara : TIAKO RAHA TIA AHY, RANDRAN-DROA, RATSIMIALAZOTO
- Tantara fandefa amin’ny onjampeo : OTA FADY, SEDRA, RIVO-MANEMPOTRA, …
- Sarimihetsika : AN’IZA AHO ? (nentina tany Beijing), OMBON’ADY, JABAJABA
Asa nosahanina teo amin’ny Kolontsaina sy ny Zavakanto : mpanolontsaina ao amin’ny FIMPIMAMA.
BABANGOANA
Voalaza baliaka ny volana tsinana
Baliaka amin’ny inona ?
Ny rivotra ity toa manempotra lava
Mandevona zaza
Tsy hipoitra masoandro, miteraka angano,
Milaro atambo
Setroka foana no toa manoloana
Ny maso mihajamba
Ifafazan’ny rivotra maimbon-karaikon’
Ny tanety may
Mangoana ny lanitra tsy hanome tsiro
Izay anjaran’ny tany
Hantenain’ny velona sy ny voaary
Toa mihahana mihahana
Tezitra angamba ny mpahary ao ambony
Ka mamafy lonjony
Mirida-mandripaka an-tany ny didiny
Mampizaka ny ngidiny
Manao bemarenina manentsi-tadiny
Manko Raolombelona
Ka mizaka ny ziogan’ny zaran’ny ainy
Ary velon-taraina.
Voalaza baliaka ny volana tsinana
Baliaka toy inona !
Fa miravo ny sain’ny Mpahary aza lava
Satria ravarava
Ilay tontolo najorony ho endrika soany
Navadiny ho foana
RAVA ny VOLANA
Tsy misy ny TAONA
E ! BABANGOANA
Lydiary (sy Solofo José eo amin'ny sary)