]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antsirabe : Notokanana ny Lapan’ny Tanànan’i Mandrosohasina

Antsirabe : Notokanana ny Lapan’ny Tanànan’i Mandrosohasina

Eo afovoany: ny Praiministra Lefitra Hajo Andrianainarivelo

Tonga nitokana ny lapan’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Mandrosohasina, ao Faritra Vakinankaratra Distrikan’Antsirabe faharoa, ny Praiminisitra lefitry ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany sy ireo mpiara miasa taminy, ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, ny lehiban’ny Distrika ary ireo tomponandraiki-panjakana tany antoerana, ny asabotsy 15 Septambra 2012.

Ny Lapan'ny Tanàna vaovao ao Mandrosohasina. Vory daholo ny mponina, ravo tokoa

140 Tapitrisa ariary ny teti-bidin’io fotodrafitr’asa io ka ny 50 tapitrisa ariary amin’izany dia famatsiam-bola avy amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra lefitra, ny 90 tapitrisa ariary kosa dia avy amin’ny hetran’ny kaominina ambanivohitra Mandrosohasina. Nanome simenitra 2 taonina ary niantoka tanteraka ny fandokoana io trano io ny Faritra Vakinankaratra ary ihany koa nanolotra omby ho nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny mponina. Manamarika ny maha izy azy ny Tanàna sy ny vahoaka ao anatiny ny fahavitana itony foto-drafitr’asa itony ary koa voninahitra ho an’ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka Malagasy raha ny nambaran’ny Praiminisitra lefitra miadidy ny Fampandrosoana sy ny Fanajariana ny tany raha nandray fitenenana izy.

Fanapahana ny "ruban" miaraka amin'ireo solotenam-panjakana ao an-toerana

Anjara biriky ihany anefa no noraisin’ny fanjakana fa ny tena zava-dehibe dia nohon’ny ezaky ny tsirairay sy ny isam-batan’olona no tena zava-dehibe ary tokony ho fitaratra ho an’ny Kaominina sy ny Faritra hafa ny fahavononana sy ny fandraisana andraikitra nataon’ity Kaominina ambanivohitra ity. Mametraka lova ho an’ny taranaka faramandimby ihany koa ny toa izao raha ny nambarany ihany. Hanampy ihany koa ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ny amin’ny hametrahana ny birao ifoton’ny fanànan-tany any an-toerana ao anatin’ny fotoana fohy, hisy ihany koa ny fifampiresahana amin’ny tompon’andraikitra izay voakasiky ny fampidirana ny jiro izay nangatahan’ny mponina ao an-toerana.

Nanainga ny vahoaka ikany koa ity mpitondra fanjakana ity ny amin’ny hiaraha-misalaha amin’ny mpitandro filaminana mba hampandriana fahalemana ny tanàna.

VICE-PRIMATURE EN CHARGE DU DEVELOPPEMENT ET DE L’AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE

 

Mis à jour ( Samedi, 15 Septembre 2012 23:16 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)