]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Nodimandry i Bariliva (Tarika Kolibera, Erick Manana, Feo Gasy)

Nodimandry i Bariliva (Tarika Kolibera, Erick Manana, Feo Gasy)

BARIVILA RASOAVATSARA

++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++++

Nodimandry ny Alahady faha-11 Novambra 2012 , tamin'ny 10 ora maraina, teo amin'ny faha-50 taonany i Bariliva, izay mpitendry valiha ao amin'ny tarika Kolibera, Erick Manana ary Feo Gasy.

Araka ny vaovao azo avy tamin'ni Bebey (Lôlô sy ny tariny), vokatry ny aretin'ny sarakaty no nitarika ny fahafatesan'i Barivila. Efa nitsabo tena tany ivelany izy nialohan'ny nodiany taty Madagasikara. Ny zoma teo no nampidirina tao amin'ny « Clinique des Soeurs » ao Ankadifotsy.

RasoavatsarĂ  Bariliva no tena anarany. Mpianatr'i Jean Bernardson izy, izay namolavola azy teo amin'ny mozika klasika amina piano. Fa ny hamonium sy ny orga no tena nankafiziny. Efa nitendry valiha izy fony mbola mpianatra tany Bordeaux, ary tany no nifanenany tamin-dry Erick Manana sy ireo zanak'i MR Razafy. Rehefa niverina taty Madagasikara, niara-dĂ lana tamin-dry Kolibera sy i Nini zanany izy, ary niara-nanangana ny tarika TARATRA. Io tarika io no lasa tarika KOLIBERA taty aoriana.

Nandalo tao amin'ny Vaomaintilany i Bariliva, fomba fitendry mozika noforonin'i Prosper Ralaiarimanana. Nanomboka teo ny fitiavany ny hira sy feo vakodrazana malagasy eto ampovoan-tany.

Ankoatra ny hiran'ny tarika, mpamelona ny sanganasan'ny tarika Ny Antsaly koa izy ireo, ary tena voafehin'i Kolibera ny fitendrena valiha toa ny nataon-dry Sylvestre Randafison. Antsoin'i Erick Manana hatrany izy ireo hanaraka azy rehefa manao fampisehoana aty Madagasikara izy, ary ny farany aza, lasa mpikambana feo tao amin'ny tarika Feo Gasy koa i Bariliva. Mbola ao anatin'ny « Compagnie Erick Manana & Jenny » ihany koa izy, ary anisan'ireo tokony handray anjara amin'ilay fampisehoana « Erick Manana à l'Olympia », faharoa, izay hatao ny 13 Janoary 2013.

Izahay eto amin'ny madagate.com dia maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakavian'i Barivila. Ny vatany no tsy hitan-tsika intsony fa ny mozikany sy ny sangan'asany dia mitoetra mandrakizay.

Jeannot Ramambazafy


Mis Ă  jour ( Jeudi, 22 Novembre 2012 18:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)