Izy no Rakotomandimby Mamisoa, mialokaloka sy mandray volabe ao aminâny Kongresinâny Tetezamita (CT), noho ny "fiaraha-mitantana". Mandrora mitsilany ihany anefa izy satria ny tenany ihany no lotoiny
â Tsy misy fanafody ho anâity firenena ity afa tsy ny fialan-dRajoelina, aminâizay mody i Dada dia misakafo ny Malagasy. Rajoelina no miteraka mosary, miteraka korontana, mampiady fianakaviana, taloha ny fianakaviana nahita asa, ankehitriny dia very asa. Na ireo olona nokaramainy teny aminâny 13 May taminâny taona 2009 aza dia sahirana ihany koa. Noho izany dia miangavy raha hendry Rajoelina dia miala am-panajana fa ianao no handositra eto â.
Izany ny fomba fiadinâireo olona sasany mialokaloka ao aminâny Kongresinâny Tetezamita (CT) rehefa mivavaka amina olo-tokana ka tsy mahafehy ny zavatra teneninâny vava. Tao Antsirabe, androany 25 Jolay 2013, Ingahy Rakotomandimby Mamisoa, mpikambana ao aminâio CT io, no namoaka izany vava izany. Saika tsy hamaly aho fa tsy afaka milefitra sy manaiky aminâizao efa zary fomba amam-panao ataonâolona tsy mahay miady hevitra fa dia mamita-bahoaka any ivelanâAntananarivo any.
Manome loza ho anâny tenany ihany anefa izy satria ireo olona rehetra teo aminâny kianjanâi 13 May mihitsy no ompainy sy ambaniany. Aza ny fomba ratsy fanaonareo no handatsana ny mpitolona teto Madagasikara. Satria io fanambarana mikasika ny kianjanâny 13 May io dia midika fa: izaho mpianatra taminâny 1972 dia nokaramaina; izaho, mpanao gazety fa olom-pirenena Malagasy aloha, dia nokaramaina taminâny taona 1991, 2002 sy 2009. Mora tokoa ny miteny, râIngahy CT Mamisoa ĂŽ ? Fa ny olona toa anao indrindra no mahatonga ny TVM sy RNM voatery manao sivana. Satria fankahalana olona tsotra izao ireo fanambarana ireo ary tena mampiady ny samy Malagasy mihitsy.
Raha nanompo sy mbola manompo anâIngahy Marc Ravalomanana -Filoha teo aloha vaongana toa an-dry PhilibertTsiranana, Didier Ratsiraka sy Zafy Albert- ianao, dia anao ny anao. Fa aza tarihina amina zavatra tsy mitombona ny Vakinankaratra iray vohitra. Soa ihany fa olo-kendry ny ankamaroany. Ianao kosa râIngahy CT Mamisoa, ao anatina vondrona mpanao lalĂ na ianao io. Ny mahavariana aminao dia toa mody tsy mahalala fa io ataonao io anie azo hitoriana anao e ! Avoay daholo ny porofo mombanâireo lazainao ireo. Fa izaho mihitsy no hamoaka azy eto sy amina gazety afa. Raha tsy misy, dia ireo raiamandrenâny mpitolona maty ny 7 Febroary 2009 anie dia afaka mitory anao e ! Fombanâny kanosa koa ny hoe: âizaho angaha niteny anâizany? â. Ny teny mandalo tokoa fa ny soratra, Ramosa CT Mamisoa, mitoetra.
Sahinao ve no milaza ampahibemaso ny antony tsy hafahanâIngahy Ravalomanana miala ao Afrika Atsimo ao ? Tsy hiresaka ny fanodikodiana volam-panjakana sy tanim-panjakana intsony aho eto fa ireo averiko eto indray ny porofo mivaingana, dia anjaranao ny mandika azy aminâny teny Malagasy, raha tena lehilahy tokoa ianao, fa tsy saribakolin'i Ramose dokotera honiris causa avy ao Imerikasinina. Notorianâireo fianakavianâny maty izy ary tsy mahazo miala any satria ilainâny fitsarana afrikana tatsimo, raha fintinina. Nitsoaka teto izy tsy nampilaza anao, ka raha tena afaka niala tany ve izy tsy efa tafaverina efa ela teto ? Asa raha fitiavana te-halaza ny anao na inona, fa raha mbola misy foana âmanampahefanaâ toa anao dia tsy hilamina mihitsy ity Madagasikara ity.
Ny atao hoe "Cases dismissed" dia fangatahana tsy noraisin'ny Fitsarana
Fa raha jerena aminâny lafiny iray indray dia masahia koa ianao, ry Ct Mamisoa, milaza fa tsy mahazo miteny eto Madagasikara fa tapenam-bava daholo. Ireo fanambarana nataonao ireo fotsiny dia mamatotra anao raha maha-sahy mbola hiteny izany ianao. Ka dia misaotra anao aloha nanazava ny mikasika ny hoe : malalaka ny fitenenana eto Madagasikara ( âlibertĂ© dâexpressionâ ). Fa eo anatrehanâny lalĂ na velona indray dia tokony tsy ho taitra sy miantso namana indray rehefa hisy hitory. Samia mizaka ny adalany. Satria misy fetrany io fahafahana miteny io. Ny vy aza arafesina ary ny olona tsy maintsy ho faty. AsakasakâIngahy CT Rakotomandimby Mamisoa. Izy angamba ny olona tsy mety maty voalohany eto an-tany ? Izy ihany izany no handova ny asa ratsiny.
Farany: toa ny mahazatra ireo manompon' Ingahy Marc Ravalomanana, dia tsy kisendrasendra ireo fanompana ataon'io CT Rakotomandimby Mamisoa io. Satria tokoa, hidina ao Antsirabe, ao amin'ny ACMIL (Akademia Miaramila) ny Filohan'ny Tetezamita, Andry Rajoelina, ny Zoma 26 Jolay 2013. Ovay ny fomba fiady ry CT Mamisoa fa maivana be a !
Jeannot Ramambazafy â 25 Jolay 2013