Andriamatoa Razafisambatra Louis De Mon Désir
Finoana, fatahorana an’Andriamanitra… Ny tenako dia mahatsapa fa vitsy tokoa, amin’izao fotoana izao, no olona mamaky ny Baiboly iraisan’ny Kristianina (Katolika, protestanta, loterana, adventista, batista, sns… izany hoe mino amin’Andriamanitra iray sy tokana ihany) maneran’izao tontolo izao. Maro ireo miteny amin’ny anaran’Andriamanitra. Fa ahoana kosa ny fampiarana ny hafatra napetrany, izay voarakitra ao anatin’io Boky masina io ?
Rehefa nahatsapa izany Andriamatoa Razafisambatra Louis De Mon Désir, dia najanony (aloha) ny resaka analyzy politika fa dia namaky Baiboly izy. Indro ary ny hafatra notsiponiny ho anareo mpamaky hajaina. Efa tao ireo hafatra ireo nandritra izay 2000 taona mahery lasa izay. Ka firy amintsika no tena manaraka azy ireo an-tsakany sy an-davany?
Jeannot Ramambazafy
Â
FANAMBARANA
Manoloana ny fanerena, mivantana na ankolaka, ataon’olom-bitsy amin’ny vahoaka hisotro ny divain’ny fahaviniran’Andriamanitra, Andriamatoa Razafisambatra Louis De Mon Désir dia miangavy ny kristianina manerana ny Nosy hitondra am-bavaka ny firenena amin’ny alalan’ny tenin’i Tompo voalaza amin’ny soratra masina manaraka etoana :
Bokin’ny Ohabolana, toko faha efatra ambin’ny folo, andininy efatra ambin’ny telopolo: « Ny fahamarinana manandratra ny firenena, ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin’ny vahoaka ».
*Toko faha dimy ambin’ny folo, andininy dimy ambiroapolo: « Ny tranon’ny mpiavonavona, ravan’andriamanitra, fa ny baorina mamaritra ny an’ny mpitondratena kosa aoriny mafy ».
*Andininy enina ambiroapolo: « Halan’andriamanitra ny hevi-dratsy ; fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana ».
*Andininy faha fito ambiroapolo: « Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly, no ho velona ».
*Toko faha fito ambin’ny folo, andininy faha dimy ambin’ny folo: « Na izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina dia samy fahavetavetana eo imason’andriamanitra ».
Bokin’ny Fahendrena, toko faha dimy, andininy faha dimy ambin’ny folo: « Ny marina : velona mandrakizay, ny valisoany eo amin’i tompo. Ka dia horaisiny avy eo an-tanan’ny tompo ny fanjakana tsara indrindra aman-tsatro-boninahitra mamirapiratra».
*Toko faha enina: « Aoka hitady ny fahendrena ny mpanapaka »; « Ny mpanjaka hendry dia fanambinana ny vahoakany » (24).
*Toko faha folo, andininy faha roapolo: « Namabo ny tsy mpivavaka ny marina ».
Bokin’ny Eklesiastika, toko faha efatra, andininy faha sivy: « afaho amin’ny tanan’ny mpampahory azy, izay ampahorina ».
*Andininy faha fito ambiroapolo: « Aza resin-kenamason’izay olo manam-pahefana ».
*Andininy faha 28: « Miadia miaro ny marina, ary tompo andriamanitra hiady hiaro anao ».
*Toko VII, andininy faha 34: « Miaraha ory amin’izay ory ».
*Toko XV, andininy 4: « Eo an-tanan’ny tompo, ny fahefana hanjaka amin’ny tany, ary amin’ny fotoana mety no ananganany olo-mahay ho eo ».
*Andininy faha 15: « Fongoran’ny Tompo ny fakan’ny mpanapaka, ka ny olona malemy fanahy no apetrany hisolo azy ».
*Andininy faha 14: « Aongan’ny Tompo ny seza fiandrianan’ny mpanapaka, ka ny olona malemy fanahy no apetrany hisolo azy ».
*Andininy faha 21: « Na mpanan-karena, na andriana, na mahantra, dia ny fahatahorana ny Tompo no voninahiny ».
*Andininy faha 22: « Tsy rariny ny maniratsira ny mahantra manam-pahendrena ».
*Andininy faha 23: « Manan-kaja avokoa ny lehibe, ny mpitsara, ny be fahefana, fa tsy misy lehibe noho ny Tompo amin’izy ireo ».
*Toko XI, andininy faha 5: « Maro no mpanapaka, tafatombina amin’ny ngorodona ary izay tsy nohoverin’ny olona kosa, no nitondra satro-boninahitra ».
*Toko XV : « Tsy namorona ny ratsy andriamanitra fa nanome safidy ny olombelona ».
*Toko XX, andininy faha 26: « Izay Hendry amin’ny teniny, dia misandratra fanajana ».
*Toko XXXII, andininy 20: « Aza mandeha amin’ny là lana efa simba, dia tsy ho tafintohina amin’ny vato hianao ».
Bokin’Isaia, toko V, andininy 21: « Haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona ».
*Toko LX, andininy faha 22: « Ny vitsy indrindra ho tonga arivo ; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Andriamanitra no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy ».
Bokin’i Jeremia, toko XVII, andininy 11: « Tsipoy mikotrika izay tsy atodiny ny olona mahazo harena tsy an-drariny ».
Ny famaranako ny fangataha-pitahiana ho an’ny firenentsika dia : mitady filoham-pirenena sady matahotra an’andriamanitra no mahay mampiaraka ny politika sy ny fahaizana ara-teknika ny fanareram-pirenena.
Tsy vaha-olana intsony ny presidan’ny repoblika « milliardaire », na « beau gosse », na raindahiny amin’ny fanaovana politika pilitisianina, sns.
Raiso fanomezana misy poizina « na cadeau empoisonné » ho an’ny taranaka mandimby ny fividianana ny safidinareo vahoaka satria tsy vaha-olana maharitra ho anareo sy ho an’ny zanakareo ary ny zafiafinareo izany. Tsy maintsy aroso amin’ny zavatra matotra kokoa sy feno fitiavan-tanindrazana ny fitantanana ny firenena. Na ny isan’ny kandida dia tokony mila fandinihana tena demokratika mba afantarana marina ny isan’ny fianakaviam-be politika tena manana fombafijery politika ankapobeny hampandrosoana an’i Madagascar. Koa satria moa « aleo maty rahampitso toy izay maty androany » hoy ny fitenenana, ka raiso raha misy vola adala tompo nefa aza mifidy ny mpanome azy anao.
Natao teto Parisy, ny Asabotsy faha 10 aogositra 2013
Razafisambatra Louis De Mon Désir