Jules Ravelomanana na i Deel sy ireo boky roa voalohany nosoratany
Boky miresaka sy manazava ny hoe FANDROSOANA. Milaza tarehimarika sy tantara voasoratra momba ny fiainan’ny Malagasy. Misy sary 130 mahery. Ny sary natao tà nana dia vitsy fa tsy tahaka ny tamin’ny boky roa voalohany hoe " Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. " sy "Ny Laharam-pahamehana".
Boky mirefy 21 cm X 31 cm, misy 80 pejy io boky fahatelo nosoratan'i Jules Ravelomanana na koa i Deel izay mpihira koa. Ny imprimerie Harinivo ao Ambalavao Isotry no namoaka azy.
Hita ao ny dia nataony tany ivelany. Izany hoe ny sary mba azontsika Malagasy hakana hevitra.
Ny mampiavaka ny boky kosa dia ny hevitra arosony. Mikendry hatrany mba ho mpamaky boky sy gazety ny Malagasy i Deel. Miteniteny foana sy mamita-tena isika raha tsy te-hamaky boky, kanefa milaza fa te-handroso. Tsy ny boky ataony, na ny gazety ataony no haely sy hovakiana amin’izany fa izay tian’ny olona. Izay boky hita ao amin’ny tsena iombonana ifanohanana.
Ny hevitra lehibe faharoa dia ny hahafahantsika Malagasy manao fitsapana hevitra amin’ny ENY na TSIA. Fotoana fohy dia hahavita izany isika, ary nolazainy aza fa ho azo hatao io na dia ho isaky ny 3 volana aza. Isika ihany, izany hoe ny olona mivonona hianto-tena dia ampy hahaantoka ny fampanaovana fitsapana hevitra eto. Raha vola 2 000 Ar no haloan ny tsirairay, dia efa afaka hanaovana fitsapana hevitra inefatra io. Raha misy olona 1 500 000 isa kosa no mahatsapa tena hiroso eo vao azo tanterahana izany.
" Tsy aleo ve manome io vola io isika, dia ho afaka hamaha olana, toy izay hiandry fanampiana lava eto, amin'izay mihamaty harena eto", hoy izy.
Io hevitra faharoa io dia tsy natao ho famahana izao krizy iainana izao, fa azo hampiasaina kosa aoriana. Mbola ilaina haiditra amin'ny Lalam-panorenana, sady mila fiomanana 6 volana mialoha. Izany hoe: enim-bolana mialoha dia efa fantatra ny isan’ny olona mivonona handatsa-bato. Ireo olona handatsa-bato ireo dia tsy mbola mahafantatra ny fanontaniana hovaliany.
Boky sahaza ny fianakaviana manontolo izy io. Ny tantarantsika Malagasy teto Imerina dia misy mahaliana tokoa ao. Notsongaina avy tao amin ny Tantara Ny Andriana ny sasany, fa nisy koa avy tamin'ny boky hafa. Amin’izany no mba tena tiany hitondrana fanitsiana amin'ny anarana disoan'ny mpanao politika ankehitriny ka ampiasan'izy ireny ny teny na anarana hoe "Tsy maty manota". Diso be ny ampiasana azy io ankehitriny. " Raha diso ny lazaina, moa mety hitondra fandrosoana ho antsika ve izany ? Raha misy milaza ve eto sady manizingizina fa ny ny 1+1=11, dia ahoana no ho tohiny aoriana rehetra ??? ".
Jereo eny amin’ny fivarotam-boky: Espace Loisirs sy FLM Antaninarenina io boky vaovao io. Vao hanaterana ny Librairie Mixte izay tsy ao Analakely intsony fa lasa nifindra ao Antanimena.
Azo atao koa ny manafatra azy mivantana amin ny finday. Vidiny: 15 000 Ar.
033 17 037 48
034 80 996 58
Jeannot Ramambazafy