Andriamatoa Eric Wong, Mpitantan-draharaha
Antananarivo 22 Desambra 2013 â Miarahaba ny vahoaka Malagasy izahay noho ny nandraisany anjara tam-pitoniana taminâny fifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka teo ambany fanaraha-masonâny Firenena Mikambana ny 20 Desambra lasa teo.
Miara-manantena aminâny vahoaka Malagasy i Etazonia fa ireo fifidianana ireo no hanamarika ny fiverenanâny fitondrana demokratika eto Madagasikara. Mampirisika ny manam-pahefana Malagasy izahay hanao izay ahazoana antoka fa mizotra aminâny fomba mirindra ny fanisam-bato ary hamoaka vokatra azo itokisana.
Manainga ny lafin-kery Malagasy voakasika rehetra izahay hiara-hientana hamerenana ny fanjakana tan-dalĂ na, hiantoka ny fampiharana ireo zonâolombelona fototra, ary hiara-hiasa ao anatinâny fampihavanana mba hamerenana aminâny laoniny ny fiainana ara-politika sy ny fahasalamana ara-toe-karenâny firenena, ary hanomboka hanatsara ny fiainanâny mponina rehetra.
Mijoro eo anilanâny vahoaka Malagasy hatrany i Etazonia, ary mbola mitĂ na ny toerana maha-mpanatsy vola mivantana lehibe indrindra azy, satria saika nahatratra 60 tapitrisa $ ny sandanâny fanampiana natolony nandritra ny taom-piasana 2013, izay nafantoka indrindra taminâny fandaharana maro teo aminâny sehatry ny fahasalamana sy ny fahatomombanana ara-tsakafo. Na dia nolavinay aza ny tsi-fanananâireo nihazona ny fitondrana fototra ara-demokratika, dia ekenay kosa ary ezahinay fenoina ireo zavatra tena ilainâny vahoaka Malagasy andavanandro aminâny maha-olombelona azy ireo.
Ho anâny latsa-bato taminâny 20 Desambra, dia notohananâny Governemanta Amerikana ara-bola ny fandraisana anjaranâireo mpanara-maso fifidianana iraisam-pirenena avy taminâny Carter Center, fikambanana tsy miankina aminâny fanjakana sady mahaleotena. Ny Carter Center moa dia miara-miasa aminâny Electoral Institute for Sustainable Democracy in Africa (EISA) mba hanaraha-maso ny zavatra rehetra mahakasika ny fifidianana ary handinihana ifotony ny tontolo ara-poliika manodidina izany, ary ny fomba fanatontosana ny fanisam-bato sy fandravonana ny kajy rehetra.