Randrianarisoa Vaonalaroy, minisitry ny Kolotsaina sy ny Vakoka ary ny Asa TĂ nana
Governemanta Kolo Roger: Mitohy ny kolikoly avo lenta
Tsy teo aminâny sehatry ny fanendrena olona ho minisitra ihany fa mitohy hatrany aminâny fanendrena olona ho ao anatinâny kabinetranâny minisitra ny kolikoly avo lenta. Mampiteny ny moana, araka ny fitenenana ny zava-misy ao aminâity minisitera iray etsy Anosy ity, dia ny ministeranâny Kolotsaina sy ny Vakoka ary ny Asa TĂ nana izany, indrindra fa ny fihetsika ataonâny solombavambahoaka iray avy aminâny tsy miankaina (âUnion des dĂ©putĂ©s indĂ©pendantsâ - Udi). Izy io dia olona tena akaiky ny minisitra vaovao, Randrianarisoa Vaonalaroy.
Araka ny loharanom-baovao dia ity solombavambahoaka ity no manapaka izay olona handrafitra ny toerana rehetra ao anatinâny minisitera izay sahaninâilay minisitra akaiky azy. Manoloana izany, dia ireo olona manolotra vola any ambadika no tena raisinâity solombavambahoaka ity hiara-hiasa aminâilay minisitra vehivavy namany.
Manaiky ary mankato tanteraka ity solombavambahoaka ity araka izany ilay minisitra, eny fa na dia fantany izao aza fa mety hitarika azy aminâny fanozongozonana ny sezany ny fihetsika rehetra ataonâity solombavambahoaka ity.
Tsy vitanâny maka vola sy manera seza ao anatinâny minisitera fa tonga hatrany aminâny fitarihana fivoriana ao anatinâilay minisitera iray ity solombavambahoaka izay mbola mahatsiaro ho voadona mafy noho ny tsy naha-voatendry azy taminâny toeranâny minisitra. Raha ny loharanom-baovao avy aminâireo depiote tsy miankina, dia fantatra fa isanâireo anarana natolotra ho minisitra avy aminâny vondronâny solombavambahoaka tsy miankina ny anaranâity solombavambahoaka ity. Taminâny ora farany anefa, tsy isanâireo voaantso ho eny Iavoloha ny tenany nandritra ny andro fanendrena ho minisitra ireo handrafitra ny governemanta Kolo Roger.
Na izany aza anefa, na tsy isanâireo lasa minisitra aza ity depiote ity, dia misahana tanteraka ny asanâny minisitra ny tenany ao anatinâity minisitera iray ity. Ity farany araka izany no manatanteraka ny sivana ireo olona izay handrafitra ny âcabinetâ-nâilay minisitra namany. Tahaka izany ihany koa ny fanoloana na tsia ireo mpitantana ny sampandraharaha hafa ao anatinâny minisitera.
Etsy ankilany, mbola izy ihany koa no manao ny sivana ireo olona izay hotazomina na tsia ao anatinâilay minisitera aminâny ankapobeny.
Miteraka fahasorenana eo aminâireo olona manodidina ny minisitra vaovao araka izany ny fihetsika rehetra izay ataonâity solombavambahoaka ity, satria tsy misy andro iray tsy ahitana azy ao aminâny Minisitera ary tahaka izany ihany koa ny fahitana azy eny anivonâireo toerana na fivoahana izay ataonâilay minisitra.
Vitsy araka izany ireo olona tena akaiky ity minisitra ity no tena olona fantany na olona nankatoaviny, fa ny olona rehetra manodidina azy, sy ireo olona vaovao hiara-hiasa aminy dia olona akaiky anâilay solombavambahoaka avokoa.
Ny akony voalohany indrindra izany dia tsy isanâireo afaka hiara-hiasa aminâity minisitra ity ireo olona izay tsy manan-katolotra ilay solombavambahoaka, ka dia mijanona ho mpitazam-potsiny ety ivelany izy ireo.
Milaza azy ho manana fifandraisana manokana aminâny olona ambony iray eto aminâny firenena ihany koa ity solombavambahoaka âte ho minisitraâ ity. Toa ataony fitaovana entina mampihorohoro ireo olona manodidina ilay minisitra anefa izany. Ity minisitra ity ihany koa, araka ny maha olom-baovao azy eo aminâny fitantanana minisitera, dia feno tahotra tanteraka ka tsy mahafantatra ary tsy manavaka intsony ny vary sy ny tsiparifary aminâireo olona miara-miasa aminy. Atsy ho atsy anefa, dia ity solombavambahoaka ity ihany no mety hanao izay hampihozongozona ny sezanâilay minisitra, noho ity farany izay mbola vonton-katezerana taminâny tsy nahavoatendry azy ho minisitra.
LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE
Alarobia, 30 Aprily 2014
Â