+ + + + + + + + + + + + + + +
Banga iray indray ny isanâny mpanakanto Malagasy. Satria dia nodimandry, teo aminâny Faha-63 taonany, tao Toamasina taminâny Alatsinainy 26 May 2014 i Randriantsalama ElysĂ©e, fantatra aminâny anarana mpihira hoe Zeze Mahanoro.
Izy no anisanâireo nampahafantatra izany gadona basesa izany tany aminâny taona 1970 tany. Mazava fa avy any aminâiny faritra Betsimisaraka i Zeze, toa an-dry Jean Fredy, Oza JĂ©rĂŽme, Basta, Jean Kely⊠Tany aloha be tany i Zeze dia mpampianatra ka hita ao anatinâireo tononkirany izany fanabeazana izany ary ao dia ao ny anatra.
Randriantsalama Elysé ataoa hoe Zeze Mahanoro
Lasa i Zeze fa ny hirany dia hitoetra mandrakizay. Ilay mitondra ny lohateny hoe âLalagna Magnantsimoâ no nosafidianako sy namboariko ho vidĂ©o (ery ambony) hafa (mainty sy fotsy), mba hanomezako voninahitra azy sy ho rakitry ny ela anâny fianakaviany. Satria hita ao izany hoe fomba fandihizana basesa izany.
Dia veloma ry Zeze a ! Mandria am-piadanana.
Jeannot Ramambazafy â 27 May 2014