]
Les quotidiens du 26 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara. Fitondrana Rajaonarimampianina tsy mitondra zava-baovao

Madagasikara. Fitondrana Rajaonarimampianina tsy mitondra zava-baovao

Fa Hery vaovao amin’inona hono ? Na faly ry zalahy mpitondra ireo na tsy faly dia tsotra ny zava-misy iainan’ny Malagasy, valo volana naha filoha voafidy an’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Mibaribary fa tena fampanantenana poak’aty nazahoana ny vaton’ny mpifidy fotsiny ihany ny nambarany fa dia kopi-kole rano fotsiny no ampiariny. Hanova, hono, izy, kanefa dia ny zavatra namoehitra tany amin’ny am-polo taonany tany no naveriny.

Ny olona notendreny moa dia ireo tsy mahay raha fa dia mirediredy miaro ny rambony tsy ho tapaka fotsiny ihany. Rehefa mipoaka ny tranga iray vao mamono afo avy aty aoriana. Izany ve no mpitondra firenena ? Inona anefa ny fototr’izao loza miatra eto amin’ny firenena ? Tsotra: ambo-po diso tafahoatra fa hoe mahavita azy ka na ny lalampanorenana aza dia natao tsinontsinona, teo amin’ny fanendrena ny Praiminisitra.

Raha nahavita moa ka naninona? Fa izao miodikodina manara ny fitokisan’ny rehetra, eny hatramin’ny Amerikana nandrandraina. Ara-dalĂ na ve ny nahatongavana “chargĂ© d’affaires” hiasa mandritra ny telo taona, kanefa ny Ambasadoaro efa notendren’ny Filoha Obama tamin’ny 31 Jolay 2014 ? “Hitobaka”, hono, ny vola, kanefa tsy ny fanjakana mihitsy no hitantana ireo fanampiana fa ny Unicef, ny Pal, ny Usaid.

Dia ny kely foana no atao tsindrio fa lavo. Dia mbola mirediredy ihany fa hoe tsy andoavam-bola ny fidiran’ny mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana. Dia tsy miala ao anaty 4X4 intsony izany ireo manodidina azy ka tsy mahalala ny zava-misy marina? Ny tsy fandriampahalemana tsy lazaina intsony, ny “dĂ©lestage” efa tandra vadi-koditra ho an’ny Malagasy, sns.

Hamorona asa an'arivony, hono. Dia io ny HIMO (asa tselika fotsiny ihany fa tsy maharitra) ka tsy ny fanjakana akory no mikarakara izany asan-tanĂ -maro tselatra izany fa ramatoa Vohangy vadiny -izay tsy miseho amin'ny vahoaka mihitsy fa mandefa solon-tena foana- ary ny volam-panjakana -izay volam-bahoaka ihany- no hanajana ireo fadiranovana. Dia vonjy tavan'andro sy fisehoana fotsiny lava izao.

Izao indray dia io fa tsy hisy fifidianana ben’ny tanàna amin’ity taona 2014 ity. Narirarira teny kanefa ny volan'ny PACEM efa vonona tao ihany. Inona ny antony ? Avelako ny SeFaFi amoaka ny fijeriny izay mampibaribary fa tena tsy nivonona hitondra firenena tokoa ry Hvm isany, izay antoko peta-toko tsy nisy toa azy teo amin'ny Tantara politikan'ny Firenena malagasy. Azony ny fahefana dia nihemotra tanteraka ny firenena iray manontolo, satria nihevitra ary mbola mihevitra fa afaka manao izay tiany ry zalahy.

Ny nenina ao fara ao handatsa e !

Jeannot Ramambazafy – 14 Septambra 2014

 

*******************************

NY LALANA MOMBA NY FITSINJARAM-PAHEFANA :

MBOLA FANIMBAN-JAVATRA HAFA INDRAY

SEHATRA FANARAHA-MASO NY FIAINAM-PIRENENA

SeFaFi

Observatoire de la Vie Publique

Lot TR 41 Ampahimanga, Ambohimanambola 103

Email : Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. Site Web : www.sefafi.mg


Ny Praiminisitra Kolo Roger, ny Filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny Minisitry ny Ati-tany Solonandrasana Mahafaly Olivier, tamin’ny fanokafana ilay « Atelier de Concertation Nationale sur la DĂ©centralisation », natao tao amin’ny CCI Ivato, ny 21 sy 22 jolay 2014

COMMUNIQUE

Nila fivoriana tsy ara-potoana indroa ny Antenimieram-pirenena, fahefatra sy fahadimy tamin’ity taona ity, vao afaka nandany ny lalàna mifehy ny fitsinjarampahefana.

Rehefa voafidy ireo lalàna ireo, hoy ny nambara tamintsika, dia mety ho vita amin’ity taona 2014 ity ny fifidianana ny kaomina. Efa voafidy ny lalàna, saingy fahanginana mankarenin-tsofina no manodidina ny fifidianana nampanantenaina, nefa dia io no takian’ny fanajana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna. Alohan’ny hiresahana ny voka-dratsin’io fanemorana io indray dia tsy maintsy itodihana aloha ny momba ireo lalàna momba ny fitsinjaram-pahefana vao nolaniana ireo.

Nisy antoko politika iray, loharano nipoiran’ireny tolo-dalĂ na ireny, nanosika ny governemanta hanolotra hodinihin’ny Antenimieram-pirenena vinavin-dalĂ na telo samy hafa sady tandrametaka no tefy maika 1. Nantenaina fa mba hanamafy ny efa vita nandritra ny 20 taona nampiharana ny fitsinjaram-pahefana teto Madagasikara ny Fanjakana ka handray ny lesona avy amin’izany. Tsy izany anefa, indrisy, no nitranga. Efa nanomboka ny taona 2008 no nolazaina fa noketrehina izany «lalĂ nan’ny vondrom-bahoaka» izany, dia io indray aroso amintsika ny lalĂ na 94-007 bis sy 94-008 bis. Nentim-pahamaizana ny governemanta ka dia ny andininy ao amin’ireo lalĂ na roa tamin’ny 1994 ihany no nalainy fa mody nampiana fehezanteny kanto sy poaka aty fotsiny ary tsy ahitana akory ny resaka momba ny tamberin’andraikitra, momba ny mpiasampanjakana any amin’ny faritra, momba ny torohevitra enti-manohana ny solontenam-Panjakana, sns. Raha ny tebitebin-tsain’ny olom-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana sy momba ny adihevitra tena izy tsy notanterahina no heverina dia lalĂ na tsy misy fotony no naterak’ireo fivoriana tsy ara-potoana anankiroa ireo.

1. - Lalàna fehizoro lah. 2014-018, mifehy ny fahefana, ny fomba fandaminana sy fiasan’ny Vondrom-Paritra Itsinjaram-pahefana, ary ny fitantanany ny raharahany manokana.

- Lalàna lah. 2014-020 mikasika ny loharanom-bolan’ny Vondrom-paritra Itsinjarampahefana, ny fomba fanaovana ny fifidianana, ary ny fandaminana sy fiasany ary ny andraikitry ny rantsany.

- LalĂ na lah. 2010-021 mikasika ny solotenam-panjakana.

Momba ny kaomina sy ny fifidianana kaominaly

Ohatra voalohany, ny fokontany dia eo ambany vahohon’ny sefo Distrika, nefa ny lalàna dia manambara fa ny fokontany dia fitsinjaran’ny kaomina, mainka koa izany tsy maneho miharihary ny tena satany : ny sefom-pokontany dia manana lehibe roa mifehy azy : ny ben’ny tanàna sy ny sefo Distrika. Aoka fotsiny ny fahasimbana haterak’izany ! Ho fanajana ny Fokonolona sy ny demokrasia dia tokony ho niverenana indray ilay tsy maintsy ifidianan’ny olona izay ho sefom-Pokontaniny. Mbola notanana ihany ilay fanao kidaladala izay nampifidy ny olona ka ny anarana dimy voalohany nahazo vato be indrindra no atolotra ny Ben’ny tanàna, maka anarana telo amin’ireo ity farany hatolotra ny sefo Distrika, ary ity farany no manondra ilay anankiray tiany amin’ireo ; izany dia mampiseho ny fiahiahian’ny mpitondra ny vahoaka izay mahatsiaro fihantsiana manoloana io fanao io.

Ohatra hafa, ny fanendrena ny lefitry ny Ben’ny tanàna izay efa niteraka olana tany aloha, nefa toa tsy fantatry ny governemanta sy ny solombavambahoaka akory izany. Ny lalàna vaovao dia tsy manolotra fepetra vaovao na iray aza mba hahafahana mifehy tsaratsara kokoa ny fanoloana ny lefitry ny Ben’ny tanàna. Eo amin’ny sehatry ny kaomina, niaiky izao tontolo izao fa tena faka tahaka ireo folo taona nanandraman’ny Malagasy nampandray anjara ny kaomina tamin’ny fitantanam-bola. Dia ho izany ve no antony tsy nandraisana azy ho toy ny zava-bitan’ny fitsinjaram-pahefana ? Ny hita dia izao : tsy nisy mihitsy fepetra, tsy nisy rafitra natolotra mba hanomezan-danja io fomba fiasa io any amin’ny kaomina
 fa raha vao misy tompon’andraikitra iray mandray fitenenana dia ny mangarahara, ny fandraisana anjara, ny tamberin’andraikitra hatrany no visavisainy, nefa ireo, hatramin’izao aloha, dia voambolana mbola poaka aty.

Tsy voafehin’ny ministera miandraikitra ny Fanabeazam-pirenena ny fitokonan’ny mpampianatra FRAM, ireo mpampianatra karamin’ny ray amandrenin’ny mpianatra ary omen’ny Fanjakana tambin-karama. Tsotra anefa ny tokony hatao : atolotra ny kaomina ny fahefana hitantana ny mikasika ireny mpampianatra ireny, ka ampitomboina ny vola fampandehanan-draharaha omena ny kaomina, amin’izay dia tsy voatery handeha lavitra intsony ny mpampianatra FRAM rehefa handray ny karamany ary ho mora kokoa ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy satria hisy mpampianatra avokoa any amin’ny EPP rehetra. Nahitam-pahombiazana io tetika io rehefa nandramana tao Afrika, saingy tsy mahalala izany ny governemanta sy ny Antenimiera.

Ny hany mba adihevitra nanonja sy nafampana tao amin’ny Antenimierampirenena dia ny momba ny fitsinjarana ny kaomina an-tanàn-dehiben’ Antananarivo. Nefa efa eo ireo boriborintany izay manao ny asa manakaiky ny vahoaka ; ny olana dia izy tsy manana toe-bola hoenti-miasa fa miankin-doha amin’ny CUA ka tsy afaka manome fahafaham-po araka ny tokony ho izy ny hetahetam-bahoaka. Iaraha-mahita ny fijalian’ireo vahoaka tsy mahalala izay dingana tokony harahina, na ny risoriso amin’ny taratasim-panjakana any anaty na manodidina ny firaisana sasany eto an-drenivohitra ! Toy izay ny Antenimieram-pirenena hifantoka amin’izay mampitombina an’ilay volavolandalàna dia ilaozany mikaon-doha amin’ny tahotra ny hahatonga ny CUA ho lasa kaomina kely enina azo entina amin’ny sangany.

Ny tsy azo lavina dia ny hoe tsy io velively ny olana ho an’ny renivohitra. Fanontaniana roa no tsy maintsy dinihina sy valiana. Eo aloha ny momba ny tranom-panjakana (andrim-Panjakana, minisitera, orinasam-panjakana, sampandraharaha sy vondrona nitsinjaram-pahefana, sns.) eo koa ireo manana sata manokana (ONU, UA, UE, masoivoho, ONG, sns) izay ho vola be tsy ho tafiditra intsony ao amin’ny kitapon’ny renivohitra. Anjaran’ny Fanjakana ny manonitra ny fidiran-ketra tsy ho azo intsony aterak’izany mba hahafahana mitantana tsara ny tanĂ na araka ny tokony ho izy. Ny olana faharoa dia voafetra ho ao amin’ny faritry ny borborintany enina ankehitriny fotsiny ny dinika sy ny tetik’asa. Efa tonga ny fotoana hananganana ilay « Antananarivo goavana » izay tokony hitatra hatrany Behenjy, Arivonimamo, Mahitsy, Talata-Volonondry, Manjakandriana.

Rehefa mety ho « tefy maika » hanamboamboarana ny renivohitra tsy mivoaka ny faritra misy azy ankehitriny dia tsy maintsy tetika maizina fotsiny enti-miatrika fifidianana. Tokony hampiharina amin’ny tanĂ n-dehibe hafa rehetra koa io fanavaozana io : Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana


Etsy an-daniny, toa hita miharihary ihany ny Fanjakana fa mikononkonina samirery indray, ary tsy manontany izay hevitry ny olona voakasik’izany, ny lalàna hifehezana ny kaomina manana sata manokana. Nefa, ankoatra an’ Antananarivo, dia manana sata manokana koa i Sainte-Marie sy Nosy Be izay tsy mametraka afa-tsy olana tokana : ny fifamatorany amin’ny faritr’i Madagasikara.

Ho fanamarihana izany dia tokony hanorenana seranana azo antoka kokoa ao Sainte-Marie, ary tokony ho metimety kokoa ny fepetra hidirana ao Nosy Be.

Raha tsorina dia izao, toy izay ny fanjakana hifantoka amin’ny fifidianana kaominaly izay efa nomanin’ny PACEM ny famatsiana azy ara-bola, dia lalàna tsy manavao na inona na inona indray no nahitany fomba hiasana samirery, izay mampiharihary fa tsy mandeha lavitra mihitsy ny fisainany, satria ireo lalàna ireo dia tsy misy fiantraikany velively any amin‘ny fanohizana ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana. Ary ny loza dia izao : raha hahemotra ny fifidianana ny kaomina dia tsy maintsy ho foana ilay famatsiana vola be omen’ny PACEM
 afa-tsy raha ohatra angaha ka izay tokoa no tanjon’ny governemanta, amin’izay mantsy dia holazainy fa ny tsy fahampiana ara-bola no nahatonga azy hampihemotra hatrany hatrany ny fifidianana izay efa fantapantany fa tsy ho azony.

Momba ny faritra, ny faritany, ny fifidianam-paritra sy ny fifidianam-paritany

Tsy mbola mahazatra loatra ny vahoaka ny lanjan’ny fitsinjaram-pahefana any amin’ny faritra sy ny faritany. Io ihany koa no sehatra anjakan’ny fifangaroan’andraikitra sy ny kajikajy politika. Na dia mbola tsy mazava aza ny famaritana sy ny asan’ny andaniny sy ny ankilany, ny andininy 154 sy 158 ao amin’ny LalĂ mpanorenana dia efa miteny hoe « fifidianam-bahoaka », tsy voalaza na mivantana izany na tsy mivantana. Raha ny fifidianam-bahoka tsy mivantana no raisina, dia milaza mazava amin’ny olona ny lalĂ na fa tsy afamiteny intsony izy rehefa voafidy ny ben’ny tanĂ na sy ny mpanolotsainan’ny tanĂ na. Satria giazana tanteraka amin’io ny fisafidianana ny mpitondra any amin’ny ambaratonga ambony ary voatokana ho an’ny mpanao politika maty hanina irery ihany, izay mikendry kokoa ny tombontsoan’ny mpitondra ambony fa tsy ny an’ny vahoaka madinika. Noho izany aleo ihany mitazona ny fifidianana mivantana.

Any amin’ny firenena izay ahitana ny fitsinjaram-pahefana mandeha tsara, ny fanapariahana dia fitaran’ny fitsinjarana ihany fa tsy zavatra mitokana velively. Koa tsara mihitsy noho izany ny mivaofy izay hahafahan’ny faritra sy ny faritany mahazo ny fanampian’ny STD (sampan-draharaha tekinika voatsinjara) toy izay hiasa amina rafitra roa mifanandrify: ny STD-n’ny Fanjakana ary ny mpiasan’ny CTD (Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana). Ary tombontsoa ho an’ny firenena ny mampihatra ny fitsinjaram-pahefana amin’ny ambangobeny fa tsy amin’ny antsipiriany tahaka ny natao hatramin’izay, ka ny fisainana dia mampifanohitra ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fanapariahana, sns.

Efa nahitana fivoarana ny lisitra lava ben’ny loharanon-karena manokan’ny vondrom-bahoaka. Saingy raha nozaraina tamin’ny kaomina sy ny faritra taloha ny hetra ankapobeny, ankehitriny ny lalĂ na dia mitsinjara azy ho an’ny kaomina, ny faritra ary tahirim-pirenena miandraikitra ny fizarana. Toy izany koa ny momba ny vola azo avy amin’ny harena an-kibon-tany. Tahaka ireny ilay hoe natao mihitsy izay tsy hampandeha ilay fomba fiasa, na ny tena loza aza dia toa natao izay hahafahan’ny any amin’ny fahefana foibe any mikononkonona raharaha ! Momba ireny loharanon-karena ireny dia tsara raha dinihina ny hahazoan’ny CDT manolotra isan-taona, amin’ny fotoana anaovana ny lalĂ nan’ny tetibola, ny tetikasan’ny faritra handefasana ny PIP (Programme d’investissements publics) ; ireny tetikasam-paritra ireny dia hotanterahina amin’ny alalan’ny fandaharan’asa ifanarahan’ny governemanta sy ny CTD, izany ny hoe fandefasana any amin’ny faritra ny fampiasam-bolam-panjakana. Raha tsy izany, ahoana moa no hahafahan’ny Fanjakana mampihatra ny SNAT (SchĂ©mas Nationaux d’AmĂ©nagement du Territoire) sy ny SRAT (SchĂ©mas RĂ©gionaux d’AmĂ©nagement du Territoire) ? Marihina farany fa ireo lalĂ na vaovao ireo dia tsy manomana na inona na inona momba ny fepetra horaisina mikasika ny famindram-pahaizana sy loharanon-karena raha sendra ka tsy tafapetraka amin’ny toerany izay rafi-panjakana voalazan’ny LalĂ mpanorenana


Momba ny fisoloana tena ny Fanjakana, dia efa nolazaina foana fa raha toa ny solontenam-panjakana ka sady mpanohana ara-kevitra no mpanara-maso ny fanarahan-dalàna, dia sady mpitsara izy izany no tsaraina : ny 20 taona nampiharana ny fitsinjaram-pahefana dia nampiseho miharihary ny tsy fahombiazan’ny solontenam-Panjakana tamin’io raharaha io. Tokony ho fantatra tsara fa ny STD dia tsy ho voafehin’ny CTD na oviana na oviana. Ary raha ny iraka ho fanohanana ara-torohevitra ampanaovina ny solontenam-Panjakana, dia tsy tsy voalaza mazava ao amin’ny lalàna voafidy izany, ny hany noresahina ao dia ny momba ny fanaraha-maso ny ara-dalàna fotsiny ihany ; mainka koa aza nofoanana tao amin’ilay lalàna vaovao ny andininy 125 izay manery ny ministera miandraikitra ny atitany hitatitra isan-taona any amin’ny Antenimiera ny fanaraha-maso ny ara-dalàna nataony, araka ny lalàna 94-008, ary tsy nisy akory na iray aza tatitra momba izany notanterahina.

Natsangana ny birao momba ny fananan-tany eo amin’ny sehatry ny fitantanan’ny fitsinjaram-pahefana ny fananan-tany ; nahoana moa no mangina fehizay ny lalĂ na vaovao momba izany fahefana vaovao omena ny kaomina izany ? Mifanohitra amin’izany, misy didim-panjakana navoakan’ny ministera miandraikitra ny Fanazariana ny tany, tamin’ny 25 jolay 2014, manambara ny fepetra hahazoana ny taratasy fanamarinana ny fananan-tany amin’ny alalan’ny PLOF azo antoka (Plan Local d’Occupation FonciĂšre) sy ny fananganana SAC (SchĂ©ma d’AmĂ©nagement des Communes) ; nefa io fahefana io dia efa nomena ny ben’ny tanĂ na ao amin’ny lalĂ na 2005-018. Inona no hevitra manoloana izao lalĂ na mifanipaka izao ?

Raha tsorina, tokony hikarakara fikaonandoham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana ny Fanjakana, mba hahafahan’ny vahoaka manolotra hevitra mikasika ny fitsinjaram-pahefana tadiaviny, ary mba hampandamoka ilay fitsinjaram-pahefana avy amin’ny Fanjakana tena mpangorona fahefana fotsiny.

Rariana mafy koa ny hamoahan’ny Fanjakana ny tetiandrom-pifidianana ary mifandraika tsara amin’ny asa mirindra andrasana aminy rahateo izany : rahoviana ny datin’ny fifidianana ny kaomina, ny faritra, ny faritany ary ny loholona ? Ny mitondra, hono, dia mitsinjo.( « Gouverner c’est prĂ©voir ») Amin’izay ny vahoaka dia hahita amin’ny ambagovangony ny fananganana ny andrim-panjakana voalazan’ny LalĂ mpanorenana, amin’izay koa ireo fikambanana misahana ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ny fifidianana dia ho afaka mandamina ny fandaharana ny asany, ary ny kandidĂ  ho vonona ara-potoana.

Eo am-piandrasana izany aloha, ny fandavan’ny fitondrana hanatontosa ny fifidianana ny kaomina dia hiteraka fahavoazana lozan-tany. Satria tsy misy olom-boafidy ao amin’ny kaomina dia tsy hisy koa izany na ny fifidianana ny faritra na ny fifidianana ny faritany alohan’ny volana mey 2015, faran’ny fotoampahavaratra amin’ny herintaona; dia tsy hisy koa izany ny Antenimierandoholona izay « solontenan’ny Vondrom-Paritra Itsinjaram-pahefana » (LalĂ mpanorenana, and.81).

Ho sarotra ho an’ny Filohan’ny Repoblika ny hanangana ny Fitsarana Tampony izay asain’ny LalĂ mpanorenana tanterahiny « ao anatin’ny fe-potoana 12 volana manaraka ny andro nandraisany ny fahefana » (and. 166), izany hoe ny 25 janvie 2015 – mbola io andininy io ihany no manamarika fa « na iza na iza afaka manamarina ny mahatsara izany dia afaka mangataka fanasaziana any amin’ny rafi-panjakana mahefa raha misy fahabangana ». Azo lazaina fa miroso ho ao anaty krizy ara-pitondrana goavana isika noho ireto mpitondra antsika tsy mahatsinjo lavitra sy manao kitoatoa.

Antananarivo, 11 septembra 2014

Mis Ă  jour ( Dimanche, 14 Septembre 2014 06:44 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny PremiÚre Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, Ă©lu 47e PrĂ©sident des États-Unis d’AmĂ©rique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrĂȘtĂ© Ă  75 ans. Son cƓur a cessĂ© de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy


...