]
Les quotidiens du 05 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagascar CRAM: tsy ilaina izany fiaraha-mitanana ny Nosy malagasy izany

Madagascar CRAM: tsy ilaina izany fiaraha-mitanana ny Nosy malagasy izany

Tsiahy : Taorian’ny fiovan-kevitra nataon’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, izay toa tsy hiady mafy intsony mikasika ireo Nosy Malagasy ao amin’ny Ranomasina Indianina, dia nijoro ny « ComitĂ© national pour la restitution des Iles Eparses et la revendication du Plateau Continental ». Isan’ireo mpikambana ao amin’ity kĂŽmity mangataka ny hamerenana ireo Nosy ireo ho an’ny Malagasy : Rtoa Christine Razanamahasoa (minisitra teo aloha) Imbiky Anaclet (minisitra teo aloha), Rakotoarisoa Florent (minisitra teo aloha), Pierre Tsiranana (Cst teo aloha); Jules Andriamaholison (Cst teo aloha), Jean Brunel Razafintsiandraofa (Depiote amperin’asa), Richardson Rakotoarimanana (mpiaro ny zon’olombelona), JoĂ«l Harison Marie RenĂ© (Cram) 
 sy ny maro tsy ho voatanisa. Ity manaraka ity ny « CommuniquĂ© de presse » mikasika ny fivoriana farany nataon’io CRAM io, androany 27 Septembre 2014.

Jeannot Ramambazafy

CERCLE DE REFLEXION POUR L’AVENIR DE MADAGASCAR

“MANANGANA HO AN’NY TARANAKA FARAMANDIMBY ISIKA FA TSY HANDRAVA INTSONY NO ANTOKY NY FIADANANTSIKA“

COMMUNIQUE DE PRESSE

Ny Birao Nasionalin’ny « Cercle de RĂ©flexion pour l’Avenir de Madagascar »(CRAM) izay nivory teo Alasora androany faha 27 septambra 2014 dia manao izao fanambarana manaraka izao :

Ny mpitondra nifanesy teto amin’ny tany sy ny fanjakana ary ireo manam-pahaizana malagasy momban’ny lalĂ na iraisam-pirenena dia samy efa nanao ny ezaka rehetra ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena amin’ny hamerenan’ny firenena frantsay amin’ny vahoaka malagasy ireo « Nosy Malagasy » nobodony an-taonany maro kanefa dia fananantsika tsotra izao. Rehefa bodon’ny sasany ny fananao dia tsy maintsy mitaky amin’ny fomba rehetra ny hamerenana azy ianao, izany indrindra no nitsanganan’ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ireo « Nosy malagasy » ireo. Ny CRAM dia isan’ny Fikambanana mpanorina izany Komitim-pirenena izany.

Mifanohitra be ihany ny fanazavana etsy sy eroa ankehitriny, indrindra ny fanazavana tao amin’ny Televiziona malagasy (TVM) nandritra ny fandaharana « SARIKA » ny zoma 26 septambra 2014 amin’ny filazan’ny vahiny tao fa « tsy hilaina ny komitim-pirenena mitaky ny famerenana ny Nosy malagasy ». TSARA HO FANTATRY NY VAHOAKA MALAGASY FA NY TANJON’NY KOMITIM-PIRENENA DIA TOY IZAO MANARAKA IZAO:

1. Hapetraka ho raharaham-pirenena ny fitakiana ny harem-pirenena mba hiveloman’ny zanaka malagasy sady ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena.

2. Tsy mitovy hevitra amin’ny mpanao politika sasany tsy te hisahirana ankehitriny ny Komity, satria saro-piaro amin’ny fiandrianam-pirenena (souverainetĂ© nationale) ny vahoaka mipetraka sy monina eto Madagasikara.

3. Hamolavola ireo paik’ady rehetra izay hatolotra ny Antenimeram-pirenena sy ny fitondram-panjakana malagasy mba hirosoana amin’ny “REFERENDUM” raha ho tonga amin’izany.

4. Handrafitra ny mety ho endri-piaraha-miasa amin’ny orin’asa vahiny vonona hiara-hiasa marina amin’ny Madagasikara amin’ny fitrandrahana ny harem-pirenena misy any amin’ireo Nosy Malagasy ireo. Ho tombontsoa ambon’ny firenena sy ny vahoaka malagasy manontolo.

5. Hanangana Vaomiera hanara-maso ny fifanarahana rehetra mba hisy fiantraikany marina amin’ny fiainam-bahoaka.

6. Hitondra tolo-kevitra amin’ny fampiasana ny vola azo amin’ny fitrandrahana permis exclusifs d’exploration Offshore, des droits d’exploration offshore et d’exploitation de ressources pĂ©troliĂšres et gaziĂšres en eaux profondes, gisements) ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy manontolo mba tsy ho lasa an-javona toy ny “bois de rose”.

Tsy mianona fotsiny amin’ny fitakiana ny fiandrianam-pirenena ny komitim-pirenena fa hanara-maso ny fifanarahana sy ny fampiasam-bola rehetra manodidina ny fitrandrahana. Mazava ny voalazan’ny vahiny tao amin’ny TVM nanao hoe : « Aleo tsy misy toy izay lasa toy ny bois de rose ny Nosy malagasy ».

Koa manainga ny vahoaka malagasy rehetra hitsangana fa tonga ny fotoana ampisehoana amin’izao tontolo izao fa tia ny tanindrazany ny vahoaka malagasy sady miaro ny fiandrianam-pireneny ary tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny tsindry hazo lena mianjady aminy. HO AN’NY TANINDRAZANA SY NY FITIAVANA NY HO AVIN’NY MPIRAY TANINDRAZANA.

Hatanteraka izany dia tsy azontsika atao rano dikan’ny zinga ny Antenimieram-pirenena satria mpikambana ao dia ireo Solombavam-bahoaka mahasolon-tena ny vahoaka malagasy manontolo ary tsy tokony ho diso hevitra ireo mpanatsatso fa tsy hilaina amin’ity resaka « Nosy Malagasy » ity ny Antenimieram-pirenena. Ny fifanarahana rehetra momba ireo « Nosy malagasy » ireo dia tsy maintsy ny Antenimieram-pirenena ny mandany ny lalĂ na rehetra na manao ny « ratification ».

Aoka hazava amin’ny vahoaka malagasy fa mbola tsy vita ny fifanarahana teo amin’ny Nosy Maurice sy ny Frantsay izay nanomboka tamin’ny 17-18 desambra 2008, tany Port-Louis, namolavolana ny fifanarahana lasitra (accord cadre sur la cogestion Ă©conomique, scientifique et environnementale relative Ă  l’üle de Tromelin et Ă  ses espaces maritimes environnants) izay nitohy tamin’ny fivoriana faharoa ny 27-28 oktobra 2009 tany Saint-Pierre de la RĂ©union. Ny delegasiona frantsay dia notarihan’Andriamatoa Rollon MOUCHEL-BLAISOT, PrĂ©fet, Administrateur supĂ©rieur des TAAF ary Andriamatoa Suresh Chundre SEEBALLUCK, Secretary to Cabinet and Head of the Civil Service (Sekretera Jeneralin’ny governemanta), no nitarika ny delegasiona morisiana. Ny 25 janoary 2012 vao napetraky ny Minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, Alain JUPPE, teo anivon’ny Antenimieran-doholona frantsay ny rijan-teny (texte n° 299, 2011-2012)momban’ny fifaranahana lasitra amin’io fiaraha-mitantana (cogestion) io. Rehefa avy nolanian’ny Loholona frantsay izany ny 18 desambra 2012 (texte n° 52, 2012-2013 dia nalefa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay. Nanao tatitra Andriamatoa HervĂ© GAYMARD, izay mitondra ny laharana 830, teo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay.

Tafapetraky ny vaomieran’ny raharaham-bahiny frantsay eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izany ny 20 mars 2013 (texte de la commission n°830). Mbola miantona eo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay io resaka “cogestion Tromelin” io hatramin’izao. Toy izao manaraka izao no nambaran’Andriamatoa Jean François DOBELLE, Masoivoho frantsay tao Maurice, ny 15 jolay 2013, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny “LE MAURICIEN” izy :

« Un dĂ©putĂ© a rĂ©clamĂ© un dĂ©bat de fond parce qu’il semble ĂȘtre est en dĂ©saccord avec certaines dispositions de l’accord alors que le texte avait dĂ©jĂ  passĂ© au SĂ©nat et Ă  la commission des Affaires Ă©trangĂšres sans dĂ©bats. Puisqu’il y a eu demande de dĂ©libĂ©ration, on ne peut refuser le dĂ©bat qui est de droit dans une dĂ©mocratie. Le texte devait passer le 1er juillet dernier Ă  l’AssemblĂ©e nationale. Du fait de la surcharge de travail et du nombre de projets de loi Ă  devant ĂȘtre examinĂ©s, la confĂ©rence des prĂ©sidents de l’AssemblĂ©e nationale, qui gĂšre l’ordre du jour, a dĂ©cidĂ© d’annuler la sĂ©ance du 1er juillet oĂč l’examen du projet de loi autorisant l’approbation de l’accord sur Tromelin Ă©tait prĂ©vu. D’autres projets de loi sont aussi passĂ©s Ă  la trappe ».

Ny CRAM dia manizingizina fa tsy hilaina izany fiaraha-mitanana izany raha ny zava-misy manodidina ny Nosy Tromelin no jerena amin’ny maso tsy miangatra fa tena lasa resaka fandrebirebena sy fandanian’andro fotsiny. Tsy afaka ny hiandry am-polo taonany ny mpanjono malagasy an-tapitrisina amin’ny ilany andrefan’ny Nosin-drazantsika vao afaka hanjono ao amin’ny fari-dranomasina malagasy kanefa ireo mpanjona vaventy asiatika dia miray tsikombakomba amin’ny vahiny no mandroba ny harem-pirenena malagasy ao amin’ny Lakan-dranon’i Mozambika

Natao teto Alasora, androany faha 27 septambra 2014

JOËL HARISON Marie RenĂ©

Président CRAM

 

Mis Ă  jour ( Samedi, 27 Septembre 2014 18:08 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...