Tsy nanaja ny lalà m-panorenana ny fanendrena ny Praiminisitra telo rehetra tamin'ity Repoblika fahaefatra teto Madagasikara ity.
Amin'ny endrika hivelany dia Praiminisitra faharoa izao no voatendry amin'izao Repoblika fahaefatra izao. Raha ny marina anefa dia miditra amin'ny fanendrena Praiminisitra fahatelo isika izao.
Rehefa jerena tokoa ny andininy faha 54 ao amin'ny lalà m-panorenana dia mazava tsara fa, ny antoko na vondron'antoko politika, mijoro ara-dalà na, izay maro an'isa, ao amin'ny Antenimieram-pirenena no manolotra ny ho Praiminisitra izay tendren'ny Filoham-pirenena.
Tsara avahana io hoe antoko na vondron'antoko politika io, amin'ny vondrona parlemantera na groupe parlementaire.
Ny antoko na vondron'antoko politika dia ireo antoko nahazo alà lana ara-panjakana, araky ny lalà na mifehy ny antoko politika mitondra ny laharana 2011-012 nivoaka ny 9 septambra 2011.
Ny kandida ho solombavam-bahoaka, araky ny lalà m-pifidianana, dia tsy maintsy milatsaka amin'ny anaran'ny antoko na vondrona politika mijoro ara-dalà na arak'io lalà na 2011-012 io, na milatsaka amin'ny anaran'ny tenany manokana na ilay antsoina hoe indépendant.
Ny lalà na mikasika ny antoko politika koa anefa dia mazava tsara fa tsy misy mpikambana mahazo miditra antoko politika roa samihafa ka tsy maintsy mametra-pialana amin'io antoko io aloha izy, izay vao mahazo mifindra antoko politika hafa.
Izay solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondron'antoko politika nilatsahany, ka nahavoafidy azy, dia tsy mahazo mifindra antoko na vondrona politika hafa, raha tsy izany dia miala tsy ho solombavam-bahoaka avy hatrany izy ka miakatra ny kandida mpisolo toerana tao amin'ilay lisitry ny antoko politika nilatsahany.
Ny HCC no manamarika izany fanoloan-toerana izany, io ilay hoe déchéance voalazan'ny andininy faha 72 ao amin'ny lalà m-panorenana, izany hoe azon'ny antoko na vondrona antoko politika alà na tsy ho solombavam-bahoaka amin'ny anarany ny solombavam-bahoaka miala na nesoriny tsy ho hisan'ny mpikambana ao amin'ny antokony araky ny fitsipika anatin'ny antoko na ny vondrona politika, izay fitsipika efa nipetraka sy manan-kery aram-panjakana.
Ny lalà na 2011-012 mifehy ny antoko politika ihany koa dia mandrara ny fampiasana ny anarana, ny sary, ny loko, ny teny faneva, na ny mitovitovy aminy raha misy mpikambana tao amin'io antoko politika io hisaraka ka hamorona antoko hafa, hialana amin'ilay hoe antoko fanavaozana, na antoko N° 1, na antoko 2.
Tsy maintsy maka anarana hafa mihitsy ary mamorona antoko politika vaovao araky ny lalà na velona.
Ny vondrona parlemantera na groupe parlementaire kosa dia fomba fiasa fotsiny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Ny fitsipika anatin'ny Antenimiera no mamaritra ny isan'ny solombavam-bahoaka, farafahakeliny, atao ao anatin'ny vondrona parlemantera iray.
Raha mahafeno io isan'ny solombavam-bahoaka kely indrindra handrafitra vondrona parlemantera iray io izany ny antoko na vondrona politika iray, izay manana solombavam-bahoaka lany tamin'ny anarany, dia lasa vondrona parlemantera iray io antoko na vondrona politika izay efa nijoro ara-panjakana io.
Io fitsipika anatiny io dia mamaritra fa tsy mahazo misaratsaraka ireo solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondrona politika iray fa tsy maintsy miaraka vondrona parlemantera tokona ihany izy ireo.
Tsy misy mahazo mifidy hevitra hafa ankoatran'ny hevitra tapaky ny vondrona parlemantera amin'ny fifidianana ny volavolan-dalà na na fanapahan-kevitra dinihina ao amin'ny Antenimiera.
Ny isan'ny solombavam-bahoaka anatin'ny vondrona parlementera izany no tsy maintsy isan'ny vato azony raha tonga daholo ny Solombavam-bahoaka amin'io fifidianana io.
Io ilay antsoina hoe mandat impératif, ka tsy misy Solombavam-bahoaka mahazo miala amin'ny hevitry ny antoko na vondron'antoko nahalany azy tamin'ny fifidianana.
Any amin'ny antokony izy no mandresy lahatra ny heviny fa rehefa tonga ny fifidianana eo anivon'ny Antenimiera dia ny hevitra tapaky ny vondrona parlemantera misy azy no tsy maintsy arahiny, raha tsy izany dia azon'ny antoko na vondrona politika misy azy alà na tsy ho solombavam-bahoaka, lany tamin'ny anarany, io solombavam-bahoaka io.
Tsy ara-dalà na izany ny vondrona parlemantera N°1, vondrona 2 sy 3 nefa solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondrona politika iray ihany izy ireo. Satria ny lalà m-panorenana mihitsy no tsy manaiky ny fisaratsarahan-kevitry ny Solombavam-bahoaka lany tamin'ny anaran'ny antoko na vondrona antoko politika iray, mandat impératif.
Ireo Solombavam-bahoaka voafidy tamin'ny anaran'ny tenany kosa, na ireo indépendant izany, dia afaka misafidy ny hiditra vondrona parlemantera iray, ary amin'iny tokana iny ihany, tsy afaka mivadibadika vondrona parlemantera anefa izy, nefa kosa afaka miala ao anatiny ary tsy mahazo miditra vondrona hafa intsony mandrampaha-tapitry ny 5 taona maha solombavam-bahoaka azy.
Ny fitsipika anatin'ny Antenimiera dia mamaritra io vondrona parlemantera io hatrany amboalohan'ny fotoam-piasan'ny solombavam-bahoaka, ka tsy azo atao intsony ny manampy na manovaova io vondrona parlemantera io eny antenatenany eny, ka hisy indray ny vondrona parlemantera 1 sy 2 ary 3.
Ny Jeneraly Jean Ravelonarivo sy ny Dokotera Roger Kolo