KabarinâAtoa Robert T. Yamate, Masoivoho nandritra ny lanonana nokarakarainâny orinasa Maersk, ny 29 Janoary 2015
« Fifaliana lehibe ny tafaraka aminareo eto aminâizao hariva izao. Araka ny efa fantatrareo dia fanindroany izao izahay mivady no tonga eto Madagasikara. Efa nianoka ny fiainana teto izahay 25 taona lasa izay, izany hoe toy ny fiverenana aty an-doharano nihaviana ihany izao ataonay izao, ary dia ankasitrahanay ny fandraisana mafĂ na natao anay hatreto.
Efa betsaka ny zavatra niova hatraminâizay 25 taona lasa nipetrahanay taty izay. Fa ny manan-danja indrindra angamba dia ny niverenanâny fitondrana demokratika hatraminâny nahavitana ny fifidianana taminâny taona 2013. Marina fa mbola maro ireo fanamby atrehinâi Madagasikara, fa efa dingana goavana izany vita izany ka tsy azo odian-tsy hita na heverina ho mandeha ho azy. Tsy ny tenako mihitsy aloha no hanana fijery toa izany â ny nanendrena ahy ho masoivoho fotsiny ohatra dia vokatra mivantana nateraky ny famerenana aminâny laoniny ny fifandraisana diplomatika eo aminâny firenena roa tonta; rehefa tafaverina ny fitondrana voafidim-bahoaka; ary dia kisary maneho izany fa tafaverina ny fifamatorana eo aminâny firenena roa tonta.
Araka ny nambarako ny Filoha sy ny Praiminisitra taminâny herinandro lasa teo, dia tohananâi Etazonia tanteraka ireo ezaka ataonâny fitondrana Malagasy mba hanampiana azy hahatontosa izay ezaka rehetra tokony ho tratrany. Raha tiana hahatontosa anâizany anefa i Madagasikara, dia tsy vitanâny hoe mila andrim-panjakana marin-toerana ihany fa tsy maintsy mikolokolo ny toe-kareny hatanjaka sy ho maro lafy hatrany, ary miorina aminâny andrim-panjakana mangarahara sy manaja ny tamberinâandraikitra, ary ahitana lamina misokatra sy mirindra araka izay tratra ho anâny fananganana sy fampiroboroboana ny orinasa.
Eto aho dia midera ny Filoha Rajaonarimampianana noho ny nanaovany ny ady aminâny kolikoly ho iray aminâireo laharam-pahamehanâny fitondrana entiny. Tsy maintsy fongorina ny kolikoly, sy ny fanaovana tantely afa-drakotra anâireo loharanon-karena tsy azo sandaina vola anananâny nosy, ary tsy maintsy omena fanantenana ireo tanora manan-talenta marobe eto aminâny firenena, ka hampiana aminâny alĂ lanâny fanabeazana sy ny fanofanana izy ireo hampiasa ny talentany ho fanasoavana ny fireneny.
Samy hahita tombontsoa ny firenentsika roa tonta raha mandroso ny toe-karena ary mihatsara ny harin-karenâny vahoaka Malagasy. Noho izany dia fifaliana ho ahy ny tonga eto androany mba hanamarika izao kihon-dĂ lana manan-danja vaovao izao eo aminâny fanamafisana orina ny fifandraisana ara-barotra eo aminâi Madagasikara sy Etazonia.
NĂ nana anjara toerana lehibe ny nahatafaverenanâi ho anisanâireo firenena mandray anjara aminâny AGOA taminâny nanokafanâny orinasa mpitatitra an-dranomasina Maersk ny tolotra vaovao Indian Ocean Island hanomboka ny 7 Febroary izao, ka hahafahanâireo orinasa mpamokatra eto an-toerana handefa entana aingana kokoa mankany aminâny seranan-tsambo any Etazonia. Araka io fandaharam-potoana vaovao io tokoa mantsy dia hisy ny sambo hiodina tsy tapaka eo anelanelanâny serananâi Tamatave sy Etazonia ary Eoropa.
Dingana goavana ny fahafahana mandray anjara ao anatinâny AGOA, na ho anâny fihatsaranâny fifandraisana ara-barotra eo aminâny firenentsika roa tonta na ho anâi Madagasikara manokana, ary samy hahazo tombontsoa avy aminâizany ny firenena roa tonta. Ny AGOA tokoa mantsy dia mitondra fanatsarana misongadina eo aminâny fahafahanâny orinasa Malagasy mivarotra ny entany any Etazonia, aminâny fanafoanana ny haban-tseranana fandoa aminâny vokatra miisa mihoatra ny 7.000, toy ny fitafiana, fiompiana sy fambolena, akora simika, taozavatra, vifotsy sy ny maro hafa.
Efa nanomboka nahitam-bokany sahady izany fiverenanâny AGOA izany. Araka ny nambaranâny Groupement des Enterprises Franches et Partenaires (GEFP), dia efa miisa folo ireo orinasa nahazo alĂ lana avy aminâny fitondrana Malagasy hanondrana entana mankany ary dia efa manomana ny entam-barotra halefa mankany Etazonia ankehitriny. Ary mino isika fa vao fanombohana ihany izany.
Nanokatra pejy vaovao teo aminâny tantarany i Madagasikara raha namerina aminâny laoniny ny demokrasia, ary na dia marina aza fa mbola betsaka ny asa miandry satria mbola miady aminâny fametrahana ny fampihavanam-pirenena ny eto Madagasikara, dia matoky aho fa ho tratra izany tanjona izany.
Manana loharanon-karena sy fanantenana be dia be azo raisina i Madagasikara, ary raisinay ho rehareha ny ahafahanay mijoro ho mpiara-miombonâantoka eo anilanareo ao anatinâizany. Ny varotra tokoa mantsy dia iray aminâireo fomba tsara indrindra hampifanantonana firenena sy mponina, ary raha ny fanapahan-kevitra nirosoanâny Maersk no raisintsika ho mari-drefy, dia azo ambara fa mbola ho lava ary hamirapiratra ny hoavy hitambarantsika.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy ».
Dia misaotra anao ihany koa, ka ny faniriana avy aminâny tonian-dahatsoratra madagate.com, dia: Ho tanteraka anie ireo teninao rehetra ireoâŠ