Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE
/* Style Definitions */ table.MsoNormalTable {mso-style-name:"Tableau Normal"; mso-tstyle-rowband-size:0; mso-tstyle-colband-size:0; mso-style-noshow:yes; mso-style-priority:99; mso-style-qformat:yes; mso-style-parent:""; mso-padding-alt:0cm 5.4pt 0cm 5.4pt; mso-para-margin:0cm; mso-para-margin-bottom:.0001pt; mso-pagination:widow-orphan; font-size:10.0pt; font-family:"Calibri","sans-serif";}
HETSIKA « CARNAVAL » TEO ANOLOANâNY LAPANâNY TANANA
Andriamatoa Jean Ravelonarivo, Praiminisitra ary lehibenâny Governementa
Antananarivo, 19 jiona 2015 â Tonga nanokatra tamim-pomba ofisialy ny andiany voalohany aminâny hetsika « Carnaval de Madagascar » natao teo anoloanâny « Lapanâny TanĂ na » Analakely ny zoma 19 jona 2015, Andriamatoa Jean Ravelonarivo, Praiminisitra ary lehibenâny Governementa.
Nandritra ny lahateny nataony, dia nomarihinhy fa anisanâny laharam-pahamehana eo aminâny fampandrosoana ny lafiny fizahantany : « Zava-dehibe tokoa ity hetsika goavana voalohany indrindra antsoina hoe Carnaval de Madagascar ity, entina hampahafantatra anâi Madagasikara manerana izao tontolo izao. Fotoana ihany koa hanokafana ny fankalazana ny faha-55 taonanâny fahaleovantena anâity Nosy malalantsika ity. Fiaraha-mifety sy mifaly ho anâny Malagasy rehetra, entintsika hanaporofoana ny firaisan-kina, ny fitiavan-tanindrazana, ny kolontsaina, ny soatoavina maha-Malagasy antsika ». Ka anisanâny tanjona volahonany ny hahatongavana mpizahan-tany miisa 1 tapitrisa eto Madagasikara aminâny taona 2020.
Notsindriany ihany koa fa tsy afa-misaraka aminâny fizahan-tany, na ireo avy any ivelany, na ny eto an-toerana, ny fahafahana mivezivezy aminâny fiaramanidina. Momba ny olanâny AIR MADAGASCAR, dia efa manomboka miverina aminâny laoniny izany ankehitriny, vokatry ny fifanatonana sy fifampiresahana nisy teo aminâny Primatiora sy ireo solon-tenanâny mpiasa, ary antenaina fa tsy ho ela intsony dia hiverina aminâny laoniny tanteraka ny fiandraiketana ireo sidina rehetra « Ny isavorovoroan-kilantoana » hoy ihany izy. Torakâizay koa, dia efa nanomboka niverina nivoha tsikelikely androany ireo biraonâny Fananan-tany manerana anâi Madagasikara, izany dia taorianâny fihaonana teo aminâny Primatiora sy ireo solon-tenanâny mpiasa. Tsy adinonâAndriamatoa Jean Ravelonarivo ny nanao antso avo ho anâny vahoaka Malagasy iray manontolo, ny aminâny hisianâny fitoniana sy ny filaminana aminâizao ankatoky ny asaramanitra izao.
Marihina moa fa nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ny hetsika, dia nisy ny fandefasana hihazo ny habakabaka âsoasidinaâ (ballons) miisa 55 (ho mariky ny faha-55 taonanâny fahaleovantena) miloko ny sainam-pirenena Malagasy nataonâireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy solon-tenanâireo mpikambana aminâny Governementa, ary fandefasana voromailala fotsy miisa 22 ho mariky ny isanâny faritra manerana ny Nosy, fa indrindra ny filaminana sy fitoniana.
La Direction de la Communication de la Primature